Dans la męme rubrique

Fanadiovana sy fidiovana amin’ny rano Mila ny ezaky ny Malagasy tsirairay

25/05/2018

Omaly no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa fampiombonana sy famoriana ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny sehatry ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana.

Fanadiovana sy fidiovana amin’ny rano Mila ny ezaky ny Malagasy tsirairay

Hamaky ny tohiny...

Akanjo mafana Manomboka hifandrombahana eny an-tsena…

25/05/2018

Raha somary mbola nangingina teo aloha teo ny tsenan’ireo mpivarotra akanjo mafana eto amintsika dia efa mandeha tsara ankehitriny.

Akanjo mafana Manomboka hifandrombahana eny an-tsena…

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana “TSMA” Toamasina Mitohy ny fanampiana ara-tsosialy fanaony

24/05/2018

Miezaka hatrany amin’ny fanampiana ireo fikambanana, vondron’olona, mila fanampiana aminy ireo fikambanana samy hafa misehatra amin’ny asa sosialy eto Toamasina, na eo aza ny olana samy hafa misy ara-politika sy ara-tsosialy misy eto amintsika izao, izay tena liana amin’ny fisian’izy ireo.

Fikambanana “TSMA” Toamasina Mitohy ny fanampiana ara-tsosialy fanaony

Hamaky ny tohiny...

Fandaniana herinaratry ny Jirama Azo ahena hatrany amin’ny 30%

19/05/2018

Azo atao tsara ny mampidina hatrany amin’ny 30% ny fandaniana herinaratra eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny solotenan’ny orinasa matanjaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, Schneider Electric, Andry Ramaroson, eto amintsika.

Fandaniana herinaratry ny Jirama Azo ahena hatrany amin’ny 30%

Hamaky ny tohiny...

Fifanarahana fifanaovan-tsonia eto Madagasikara Tsy mipaka mihitsy amin’ny fiainam-bahoaka

19/05/2018

Mitohy hatrany ny fifanaovan-tsonia ataon’ny fitondrana amin’ireo fikambanana maneran-tany. Ny alarobia 16 mey teo no natao indray tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia ho fiarahana miasa amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny rafitra iraisam-pirenena (système des Nations Unies).

Fifanarahana fifanaovan-tsonia eto Madagasikara Tsy mipaka mihitsy amin’ny fiainam-bahoaka

Hamaky ny tohiny...

Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana Misitraka asa tanamaro ny mponina

18/05/2018

Mitombo sy nahazo vahana tao anatin’ny 3 taona tamin’ny lafivalon’ny nosy ny fanomezan’asa sy fitsinjovana ny fianakaviana marefo amin’ny alalan’ny tetikasa « Asa tanamaro », izay tafiditra ao anatin’ny politika nasionaly momba ny fiahiana ara-tsosialy na ny PNPS tafapetraka ny taona 2015, ka ny minisiteran’ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy na ny MPPSPF.

Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana Misitraka asa tanamaro ny mponina

Hamaky ny tohiny...

Tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia Manome lanja hatrany ny vokatra Malagasy

17/05/2018

Nanomboka omaly alarobia 16 mey ary haharitra efatra andro, ilay tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia andiany fahasivy, karakarain’ny ESCOMA etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Betsaka ny Malagasy tena liana amin’ity hetsika izay manome vahana kokoa ny vokatra Malagasy ity.

Tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia Manome lanja hatrany ny vokatra Malagasy

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

ERIC FOU HEHY Manomboka mihatsara ny fahasalamany

16/05/2018

Efa mihatsara ny toe-pahasalaman’i Eric Fou hehy ankehitriny, raha somary nampanahy kely teo aloha.

 

Araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo fianakaviany mantsy dia efa  tontosa omaly talata 15 mey ny fanim-polon’ny dialyse nataony ary efa tena nahitam-bokatra, toy ny  fanoloana ireo ra maloto tao anatin’ny marary  hanjary ho ra madio. Nanambara ireo fianakaviana fa efa be dia be ny vola lanin’izy ireo tamin’ny fitsaboana an’i Eric Fou hehy. Mikasika ny fandehanany mankany ivelany  hanaovana ilay “transplantation” na grefin’ny voa indray moa dia nanambara ireo fianakaviany  fa tsy maintsy handeha i Eric fa ny fotoana no tsy fantatra. Miankina amin’ny vola eo am-pelatanana izany na dia efa nampanantena aza ny fitondram-panjakana, ankoatra ireo hetsika maro samihafa hitadiavam-bola hahafahana manampy sy manohana ity mpanao hatsikana malaza iray ity. Tsiahivina fa aretina azo sorohana tsara ny aretin’ny voa. Vokatry ny fiakaran’ny tosidra avo be, ny fihinanana sakafo matsiro ary ny tsy fahampian-drano no mahatonga ny aretina. Manampy trotraka izany ny fisotroana tambavy tsy nahazoana alalana avy amin’ny dokotera. Amin’ny alalan’ny fivalanan-drano izay mandroatra toy ny savony no hahafantarana fa marary voa ny olona  iray. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia betsaka ireo olona mararin’ny voa ka dimy taona no zandriny indrindra. Betsaka ihany koa ireo efa namoy ny ainy satria tsy maharaka ny fanaovana ilay dialyse izay andaniana 5 tapitrisa Ar isam-bolana. Manodidina ny 60 sisa  ireo mivondrona ao anatin’ny federasionan’ny marary voa izay mangataka ny hanaovana maimaimpoana ny “transplantation” eto amintsika. Efa vitan’ireo dokotera manampahaizana eto amintsika ireny saingy ny fandanian’ireo solombavambahoaka ny lalàna etsy Tsimbazaza mihitsy no mbola olana. Ny fanaovana dialyse sy ny transplantation ihany moa no hany vahaolana hahafahana manavotra olona iray mararin’ny voa eto amintsika.

Pati


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana