Dans la męme rubrique

Tononkalo ho an’i Jean

25/05/2018

Miala Rajean Fikafika maloto, tsipy bilao Mahazatra, tampisaka, tena fanao Na ho ianao na ny forongonao Ka ny anay tsotra ihany : « Miala Ra Jean »

Tononkalo ho an’i Jean

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Samy mahay mody fanina !

23/05/2018

Eny ary koa ! Ianareo moa izany sady mahay mody jamba no mahay mody marenina. Izahay koa anie ry Jean mahay mody fanina e ! Samy mahay mody fanina isika raha izay no tadiavinareo.

Taratasin’i Jean Samy mahay mody fanina !

Hamaky ny tohiny...

Mahereza eee !

22/05/2018

Miarahaba e ! Ahoana ihany ny momba anareo ity ry Jean a ? Efa mba mahare ny tabataban’ny olona ihany ve sa tena mbola any amin’ny planeta tsy fantatr’anarana ?

Mahereza eee !

Hamaky ny tohiny...

Miziriziry

19/05/2018

Fa inona kay ilay tena mampiziriziry ? Efa tsy misy mpitia intsony anefa mbola mikiry. Fa inona loatra re no tena mahafatifaty ? Na ny fahefana hananana aza efa miha lo sy lany daty.

Miziriziry

Hamaky ny tohiny...

Teren’ny zava-misy

11/05/2018

Hono hoy aho ry dada sy neny fa maninona no tsy mianatra ? Tsy misy tonga intsony anie ireo mpampianatra ! -Tsy sitrapony anaka fa teren'ny zava-misy izy ireo, Kely karama sy sakafo ka mba manandram-peo.

Teren’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Mivalavala

08/05/2018

Salama Jean aa ! Ahoana ihany ianareo ity ee ! ilaozy mivalavala eo ihany ary fa aza miala koa. Isan’andro efa manondrana foana mbola tsy tonga saina ihany.

Mivalavala

Hamaky ny tohiny...

O ry jao namana …

07/05/2018

Tena nasehonao mihitsy rajao fa tena tompon ny sera ianareo raha vao resaka sinema ah. Dia nalefanareo ny mpilalao sary mihetsika maro nilanja sora-baventy haneho fa mamim-bahoaka ianareo.

O ry jao namana …

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Mifampihazohazo

16/05/2018

Miarahaba Jean aa ! Inona no mba malaza any aminao any ee ? Kkkk.. !!


Efa fantatro anie fa tsy hanan-kolazaina ianao fa miandry kendritohana anay aty fotsiny e e ! Dia samy hifampihazohazo eto izany isika koa ! Izahay angaha moa no nanao ampihimamba ny harem-pirenena ? Tsy izahay kosa aloha no nanorina sy  nitokana an’ireny fotodrafitrasa tsizarizary be dia be ireny e e ! Tsy izahay mihitsy no andeha hanontona 1 miliara mahery  hanamboarana zaridaina nefa ny vady aman-janakay tsy misakafo. Ianareo ity ry Jean anie tena efa mampitapy ny mpiray tanindrazana mihitsy e e ! Tena na any amin’ny vitsika tsy tokony hidiran’ny solika aza rehefa ahitana hirika hitakiana ny fialanareo amin’izao dia lasa vitanay tsy fidiny. Mba mijerijereva anie fesiboky e e ! Tena efa tsy zakan’ny kil intsony ny fijanonanareo eo ny tena marina ee ! Asa hoe inona loatra no dia nataonareo taminy. Rahampitso indray e e !

 Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana