Dans la męme rubrique

Olom-panjakana manao propagandy Mampitandrina ny Praiminisitra

12/10/2018

Namoaka fanambarana sy fampahatsiahivana ny Praiminisitra omaly 11 oktobra ny amin’ny tokony hanajana ireo voalazan’ny andininy faha-57 ny lalàna fehizoro 2018-008 mifehy ny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka,

Olom-panjakana manao propagandy Mampitandrina ny Praiminisitra

Hamaky ny tohiny...

Fiovaovan’ny toetr’andro Mamotika ny sehatra fambolena

12/10/2018

Tahaka ny mahazatra dia ankalazaina isan-taona ny herinandro mahakasika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Anisan’ny nanamarika izany i Madagasikara omaly alakamisy 11 oktobra tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely niaraka tamin’ny Vondrona Eoropeanina.

Fiovaovan’ny toetr’andro Mamotika ny sehatra fambolena

Hamaky ny tohiny...

Hetsika Biennale de Venise Sambany hanana solontena i Madagasikara

12/10/2018

Ny mpanakanto Joel Andrianomeharisoa no sambany hisolotena an’i Madagasikara mandritra ilay hetsika « Biennale d’Art contemporain de Venise » hotontosaina mandritry ny volana novambra izao.

Hetsika Biennale de Venise Sambany hanana solontena i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fiarovana ireo nosy manodidina Miankina amin’izay filoha ho lany eo

11/10/2018

Hafahafa ny fomba fizotry ny fikarakarana fifidianana, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao politika. Tsiliam-baovao iray no nahenoana fa mbola manomana kandida iray ho filoham-pirenena amin’ireo 36 isa indray ny frantsay hahafahany mametraka ny politikany, indrindra mikasika ireo nosy manodidina.

Fiarovana ireo nosy manodidina Miankina amin’izay filoha ho lany eo

Hamaky ny tohiny...

CEDS Nivoaka ny andiany faha 14

11/10/2018

Namoaka mpianatra am-polony indray ny CEDS ( Centre d’études diplomatiques et strategiques) tarihin-dRasoarahona Solofo.

CEDS Nivoaka ny andiany faha 14

Hamaky ny tohiny...

Miteny ny Teknisianina Tena hosoka ilay “Pérmis biométrique”

11/10/2018

Niteraka adihevitra lehibe ny resaka “pérmis biometrique” eto amintsika, ka dia nanasa vahiny ny fandaharana Teknisianina tao amin’ny Top Radio 102.8 FM omaly, nanazava io resaka “biometrika” io.

Miteny ny Teknisianina Tena hosoka ilay “Pérmis biométrique”

Hamaky ny tohiny...

Tanora eto Madagasikara Marefo amin’ny sehatra ara-toekarena

10/10/2018

Omaly talata 9 oktobra no nampahafantarina tetsy amin’ny foibeny Nanisana ny mombamomba ny fikambanana Youg Men’s Christian Association (YMCA). 5000 ny mpikambana ao, 119 ny firenena manerana an’izao tontolo izao no misy azy ary 24 ny firenena afrikanina ahitana azy.

Tanora eto Madagasikara Marefo amin’ny sehatra ara-toekarena

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Tolona sendikaly Nahazo rariny teny amin’ny fitsarana

16/05/2018

Nafana dia nafana ny tolona sendikaly tamin`ity indray mitoraka ity kanefa zon`izy ireo no takiany. Omaly no namoaka ny didiny ny filankevi-panjakana ka naato ny didy famindran-toerana sy fanasaziana an`ireo mpiasa nikasa hanangana sendika eo anivon`ny toeram-piasana misy azy.

 

Dingana lehibe ho an`ny tolona sendikaly izao, hoy ny filohan`ny SMM, Rtoa Faniry Ernaivo, ary fanoherana ny didy navoakan`ny fanjakana no natao. Manomboka mifoha amin`ny torimasony ireo sendika manerana ny nosy ankehitriny izay mitaky hatrany ny fanatsarana ny asa eto amintsika ary voaporofo omaly fa manana ny hasiny ny sendika eto Madagasikara. Raha ny zava-misy eto Madagasikara, mbola sarotra ny fanatanterahana ny fanatsarana ny asa satria tsy misy ny “bonne gouvernance”, ny fanarahan-dalàna, fanatanterahana didim-pitsarana. Mifanohitra amin`ireo no mitranga eto amintsika satria rehefa tenenina ny mpampiasa hoe mba tanteraho ny didim- pitsarana  na araho ny lalàna mifehy ny asa na koa hajao ny tany tan-dalàna dia voavely kibay avy hatrany ireo mpiasa na koa ny sendika. Raha tsiahivina, nisy ireo polisy, inspektora sy borigady, nanao fanambarana fa hanangana sendika eo anivon`ny polisim-pirenena no tratran`ny atsonjay. Tsy nankasitrahan`ireo tompon`andraikitra misahana ny minisiteran`ny filaminana anatiny ny fanaganana sendika ka iharan’ny fanasaziana amin`ny endrika famindran-toerana (affectation). Mbola mafy noho izay ny sedrain`ny lehiben`ny sampandraharaha teo amin`ny valanjavaboary ao Tsimbazaza izay navarina ho mpikarakara zaridaina avy hatrany. Raha zohina dia tsy nisy fahadisoana tamin`ny asany avokoa no nahatonga an`ireo sazy ireo fa vokatry ny ny disadisa sendikaly, hoy hatrany ny fanazavana nentin`ny filohan`ny SMM. Nohamafisin`i Rado Rabarilala, anisan`ireo miandry didim-pitsarana ihany koa, fa tokony hositranina any ifotony mihitsy ireo zavatra misy eto amin`ny firenena.  Raha mipetraka ny fanjakana tsara tantana sy fanjakana tan-dalàna ary foana ny kolikoly dia azo antoka fa ho tanteraka ny didim-pitsarana. Mazava ankehitriny fa niniana nodikaina na tsy noraharahaina mihitsy ny lalàna tamin`ny fanasaziana an`ireo mpiasa ireo raha izao didy navoakan`ny filankevi-panjakana izao. Mbola mitohy anefa ny tolona satria hiroso amin`ny fandravana ny didy ny SSM amin`izao fotoana.


Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana