Dans la męme rubrique

VEHIVAVY MPANGALATRA

20/04/2018

Nidoboka am-ponja eny Antanimora ireo vehivavy roa izay mpangalatra anaty toeram-pivarotana etsy Analakely. Ny roa dia mpihavana ihany ary mivelona amin’ny fangaronana ny paoketran’ny mpividy. Efa im-betsaka sarona izy ireo saingy mamindra fo ny olona ka afaka hatrany. Tamin’ity indray mitoraka dia ny mpivarotra mihitsy no nisambotra ary nanatitra azy roa vavy teny amiin’ny polisy.

VEHIVAVY MPANGALATRA

Hamaky ny tohiny...

HETSIKY NY SOLOMBAVAMBAHOAKA

17/04/2018

Hivory momba ny hetsika hataon’ny solombavam-bahoaka mpanohitra ny OMC anio. Nilaza izy ireo omaly fa tsy mbola nahazo taratasy fahazoan-dàlana avy amin’ireo olona hanao fihetsiketsehana hatramin’ny omaly.

HETSIKY NY SOLOMBAVAMBAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

MINISITRY NY ANGOVO

10/04/2018

Fanazavana faran’izay tsy misy dikany no nentin’ny minisitry ny angovo omaly mahakasika ny fiakaran’solika ho fitopolo ariary, izany hoe 4000 Ariary ny lasantsy ary 3.350 ariary gazoala.

MINISITRY NY ANGOVO

Hamaky ny tohiny...

Kolontsaina

10/04/2018

Ny 29 aprily izao no fotoana miaraka amin-dry zalahy ao amin’ny tarika Mahaleo sy ireo andriambavilanitry ny feo manga malagasy hivetso ny hiran’ireto zokibe ireto.

Kolontsaina

Hamaky ny tohiny...

VAHILAVA SOAVINA

10/04/2018

Fianakaviana 88 isa ao amin’ny Fokontany Vahilava, ao anatin’ny Kaominina Soavina Atsimondrano no mitaraina amin’izao fotoana izao, fa nanomboka tamin’ny 28 martsa dia nesorina an-tery tamin’ny toerana nonenany na efa 30 ka hatramin’ny 50 taona aza no nipetrahana teo.

VAHILAVA SOAVINA

Hamaky ny tohiny...

Basikety

10/04/2018

Nosokafan’ny minisitra Andriamosarisoa Jean Anicet ofisialy tamin’ny alahady 8 aprily teo tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny Top 8 lahy sy vavy amin’ny basket fiadiana ny Amboaran’ny Filoha 2018.

Basikety

Hamaky ny tohiny...

DEPIOTE TODY ARNAUD

05/04/2018

Voaporofo fa nisy fizarana vola sy kolikoly tamin’ny fandaniana ny lalàm-pifidianana teny amin’ny antenimieram-pirenena, hoy ny depioten’i Soanierana Ivongo Tody Arnaud.

DEPIOTE TODY ARNAUD

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

Be vaovao mirija Politika

16/04/2018

Tsy mitombina ny maha vaomiera mahaleontena misahana ny fifidianana ny CENI, hoy ny depiote, Hanitra Razafimanantsoa, raha mijery ilay lalĂ na mifehy ny fifidianana nolaniana teo satria ny governemanta daholo no hita ho manendry ny ataony rehetra. Tokony ny CENI anefa no hanome soson-kevitra dia mamoaka didim-panjakana fotsiny ny governemanta.

 

 


Ho avy hanotrona ireo depiote miisa 13 eto Antananarivo izay manohitra ny fandaniana io lalàm-pifidianana io koa izahay avy any amin’ny faritra, hoy ny depiote, Tody Arnaud, ary hiara-dia amin’ny vahoaka na inon-kidona na inon-kihatra. Ho avy izahay 73 mianadahy, hoy izy.

Nangataka tany mirefy 100m2 teny Alarobia aho mba hiasan’ny fikambananay izahay, hoy ny depiote Naivo Raholdinina, saingy tsy hita hatramin’ny dosie. Ny vahiny anefa omena tany mirefy 3000 ha mandritry ny 30 taona.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana