Dans la mme rubrique

Vatsim-pianarana Britanika Miantso ireo Malagasy te handalina ny “Leadership”

25/09/2018

2 taona taorian’ny nitsanganan’ilay fandaharam-pamatsiam-pianarana Britanika “Chevening scholarship”, izany hoe, ny taona 1985 no nanomboka nisitraka ny vatsim-pianarana momba izany koa i Madagasikara.

Vatsim-pianarana Britanika Miantso ireo Malagasy te handalina ny “Leadership”

Hamaky ny tohiny...

Sehatra angovo Antony voalohany mahatonga ny fiovaovan’ny toetr’andro

25/09/2018

Sehatra tsy azo ihodivirana ankehitriny ny sehatra angovo satria mifandray tanteraka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy.

Sehatra angovo Antony voalohany mahatonga ny fiovaovan’ny toetr’andro

Hamaky ny tohiny...

Farihin’Andraikiba Nahafaty olona ny fanaovana “Selfie”

25/09/2018

Namono olona indray ny farihin’Andraikiba. Tovolahy roalahy antsoina hoe Ranja sy Nanja indray no niara-maty an-drano tao Andraikiba omaly alatsinainy 24 septambra 2018 tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro.

Farihin’Andraikiba Nahafaty olona ny fanaovana “Selfie”

Hamaky ny tohiny...

Fahafatesana diplaomaty Amerikanina Hanadihady ny FBI

24/09/2018

Lehilahy diplaomaty amerikanina miasa ao amin’ny ambasady Amerikanina eo Ambohibao Antananarivo no hita faty tao amin’ny trano fonenany eny Ambohibao ihany ny sabotsy 22 septambra 2018 tokony ho tamin’ny 1 ora maraina.

Fahafatesana diplaomaty Amerikanina Hanadihady ny FBI

Hamaky ny tohiny...

Fiovaovan’ny toetr’andro Mila miomana hanatsarana ny vokatra

24/09/2018

Tombanana eo amin’ny 2 hatramin’ny 3 taonina isaky ny hektara eo ny voka-bary eto Madagasikara ary rehefa tsara ny vokatra dia mety mahatratra hatrany amin’ny 5 taonina isaky ny hektara mihitsy.

Fiovaovan’ny toetr’andro Mila miomana hanatsarana ny vokatra

Hamaky ny tohiny...

Andry Herizo Rakotozafy Nodimandry omaly

20/09/2018

Nodimandry omaly alarobia 19 septambra i Andry Herizo Rakotozafy, mpiara-miasa akaiky amin’ny praiminisitra Ntsay Christian, avy eo voatendry ho talen’ny kabinetra ny fiandohan’ny volana jona.

Andry Herizo Rakotozafy Nodimandry omaly

Hamaky ny tohiny...

Voasambotra tamin’ny raharaha praiminisitra Vonon-kiaro azy ny Me Olala

20/09/2018

Rehefa nahare ny vaovao nilaza aho, hoy ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Olala,

Voasambotra tamin’ny raharaha praiminisitra Vonon-kiaro azy ny Me Olala

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Kaominin’i Mahitsy RN 4 Mitombo ihany ny olana

16/04/2018

Raha mbola tsy mitsahatra akory ny disadisa eo amin’ny vahoaka sy ireo mpitantana ny kaominin’ambanivohitr’i Mahitsy RN 4 tamin’ny saika hamarotan’ireo mpanolotsain’ny tanàna niray tsikombakomba amin’ny ben’ny tanàna am-perinasa ny ampahana tany miditra ao amin’ny tsenan’ity kaominina ity,

 

ary mbola tsy mikatona akory ny resaka saika hamarotan’izy ireo indray ny ampahana kianja filalaovam-baolina eny an-toerana izay notoherin’ny vahoaka hatramin’ny farany ka fantatra ankehitriny fa ny lapan’ity kaominina ity mihitsy no tsy maintsy harodana teo noho ny fifanarahana tamin’ny orinasa mpaninjara solika  lehibe iray eto amintsika ka tsy maintsy hananganan’i o orinasa io tobin-tsolika eo amin’ity toerana ity noho ny efa nandraisana « avance »2 miliara, dia mitombo ihany ny olana hoan’ny mpitantana an’ity kaominina ity. Fa taorianan’ny namoahan’ny ben’ny tanàna am-perinasa didy kaominaly nandrodanana ny Trano Mavo malaza ao Mahitsy hatrizay izay an’Itompokolahy Rasolomalala  tamin’ny taon-dasa 2017 nefa mbola miandry valina fampakarana fitsarana ambony dia netsehan’ireo mpandova  toa an-dRandrianasolo Justin sy Ranarivelo Mamy izay tsy nanaiky ny hivarotana an’ity lova ny raharaha ka izay no nilazana fa mampitombo indray ny olana misy eo anivon’ity kaominina ity izay malaza ho manana ben’ny tanàna tafiditra amin’ny raharaha tsy mazava maromaro ihany ary malaza ihany koa amin’ny fifanolanana amin’ny mponina ao aminy izay mitady hanasoa ny tanàna.

Rabri


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana