Dossier
4 miliara ariary very tao amin’ny “OTIV ACOA” Tompon’andraikitra ny filoham-pirenena, hoy ireo mpitantana
16/04/2018
Miandry ny rariny hatrany ireo mpitantanana sy ireo mpikambana ary ireo fianakavian’ny mpikambana miisa 50.000 tao anatin’ny taona maro niainan’izy ireo tao anatin’ny olana izay, satria efa hiditra valo taona izao no tsy nahazoan’izy ireo ny volany notehirizina teo anivon’ity Otiv Acoa ity, izay mahatratra 4 miliara ariary ny fitambaran’ny volan’izy ireo nisy nangalatra izao.
Nivoaka ny fahanginany noho izany Atoa isany Vahira Augustin sekretera mpanatanteraka, ny solontenan’ny mpikambana Sambany Simon, ary ny mpitantanana ny OTIV Robusta sampan’ny OTIV ACOA Dosy Charly Christian. “Ho anay dia tompon’andraikitra tanteraka amin’ny olana mianjady aminay ny filoham-pirenena ankehitriny, satria ny orinasany no tompo-marika tamin’ny fanjavonan’ny volan’ny mpikambana tao aminay, ka miteraka izao olana goavana ho an’ny mpikambana izao efa ho valo taona izao noho ny tsy fahazoan’izy ireo intsony ny volany”, hoy Atoa Dosy Charly Christian. Nomarihan’Atoa Vahira Augustin koa fa “niaiky ny nataony ny filoha ny taona 2013 nandritra ny fampielezan-kevitra teny amoron-dranomasin’i Toamasina, raha nampiseho ny soram-bavetinay izahay, saingy hatramin’izao dia nataony tsy fantatra izahay, ny toky natao aza adinony tanteraka”. Raha hitodiana ny tantaran’izao raharaha izao dia ny taona 2009 tamin’ny naha-minisitry ny vola sy ny fitantanam-bola ny filoha ankehitriny no nandroso soson-kevitra tamin’ny Otiv Acoa hametrahana ny “administrateur délégué” ny filoha, ka ny orinasany no nisahana izany. Ny taona 2010 anefa dia tsy fanavaozana no hitan’ny mpitantanana sy ireo mpikambana fa fanodikodinam-bola ka nahatratra 04 miliara ariary ny vola nanjavona tamin’izany. Nanomboka teo dia niakatra teny amin’ny fitsarana ny raharaha, saingy ho fanafenana ny raharaha dia nalain’ny minisitry ny fitsarana tamin’izany ny antontan-taratasin’ady, ka tsy afaka nisahana ny raharaha ireo mpitsara tao Toamasina. Hatramin’izao dia mbola tsy tonga any Toamasina io antontan-taratasin’ady io, ka tsy mety vita ny fitsarana azy mba hisitrahan’ireo mpikambana very vola ny zony. Koa manainga ny filoham-pirenena ny Otiv Acoa mba hijery akaiky ny raharaha.
Rakoutou