Dans la męme rubrique

Jean Eric Rakotoarisoa “Tsy azo ahemotra ny fifidianana”

25/09/2018

Tsy maintsy hajaina ny daty napetraky ny lalàmpanorenana, hoy ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) omaly,

Jean Eric Rakotoarisoa “Tsy azo ahemotra ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Volom-boasary milaza ho mpandresy sahady Mahafaly ny mpivoy adim-poko, hoy ny Fitoniana Tour

25/09/2018

Vonona hiatrika fifidianana izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Fitoniana Tour tamin’ny alalan’ny filohany, Sambahita.

Volom-boasary milaza ho mpandresy sahady Mahafaly ny mpivoy adim-poko, hoy ny Fitoniana Tour

Hamaky ny tohiny...

Diso amin’ny lisi-pifidianana Noho ny olana ara-pitaovana ?

25/09/2018

Nandritra ny atrikasa nanaovana tombana tamin`ireo ezaka efa vita mahakasika ny fikarakarana fifidianana dia nilaza ny OIF fa vita soa aman-tsara ny fanisana sy fanaraha-maso na “audit” fa ara-dalàna izany.

Diso amin’ny lisi-pifidianana Noho ny olana ara-pitaovana ?

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana OHT Manohana an`i Mahafaly Olivier

25/09/2018

Hanohana ny kandidĂ  Solonandrasana Mahafaly Olivier, izay mitondra ny laharana 22, ny fikambanana Olon`ny Hasin`ny Tany (OHT) mandritra ny safidim-bahoaka ny 07 novambra ho avy izao.

Fikambanana OHT Manohana an`i Mahafaly Olivier

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana OHT Hanampy tosika an`I Mahafaly Olivier

25/09/2018

Hanohana ny kandidĂ  Mahafaly Olivier, izay mitondra ny laharana 22, ny fikambanana Olon`ny Hasin`ny Tany (OHT) mandritra ny safidim-bahoaka ny 07 Novambra ho avy izao..

Fikambanana OHT Hanampy tosika an`I Mahafaly Olivier

Hamaky ny tohiny...

Tetezamitan-dRajoelina Tena namotika firenena

25/09/2018

Misy amin’izao fotoana ny totoafon-tserasera ezahana atao mba hampisongadinana indray ireo olona namotika ny firenena, noho ny fanonganam-panjakana natao teto ka nitarika ny fijoroan’ny fitondrana tetezamita (2009-2013).

Tetezamitan-dRajoelina Tena namotika firenena

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana ho filoha Manetsika ny Malagasy maneran-tany

25/09/2018

Manetsika ny mpomba azy sy ireo mpanohana azy na ny eto an-toerana na ny any ivelany ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana.

Ravalomanana ho filoha Manetsika ny Malagasy maneran-tany

Hamaky ny tohiny...


Politique

Georget Alexandre Tsara raha tsy kandida intsony ny filoha am-perinasa

16/04/2018

Nitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny filohan`ny Antoko Maitso, Atoa Alexandre Georget. Nambaran`ny filohany fa ``tsy mandeha amin`izay laonina ny raharaham-pirenena ary hita mivandrandra ny kolikoly sy ny jadona.``

  Mibaribary hoy ny tenany ny propagandy alohan`ny fotoana ataon`ny Fitondrana amin`izato fitokanana etsy sy eroa kanefa ny raharaham-pirenena tsy mandeha ary endriky ny jadona izany. Manaraka izany miezaka manilika izay ho kandidà manafitohana ny Fitondrana. Ny jadona mantsy dia tsy avela miteny ny rehetra na maneho hevitra. Manao fihetsika manitsakitsaka lalam-panorenana ny mpitondra ary izao vao fantatra fa inona tokoa ny antony tsy nananganana ny andrimpanjakana Fitsarana Avo na ``Haute Cour de Justice`` hoy ny fanazavana hatrany. Marihana fa ny HCJ ihany no  misahana ny fitsarana ny mpitondra fanjakana. Momba ny kolikoly misy eto amin`ny firenena dia nalainy ohatra tamin`izany ny fomba nandaniana ilay lalàm-pifidianana tetsy amin`ny Antenimieram-pirenena. Mametram-panontania tokoa hoy ny tenany hoe maninona no any amin`ny Hotel Paon d`Or no dinihana izany lalàna mifehy ny fifidianana izany ary maninona no tonga teny an-toerana ny Praiministra sy ny ministra sasantsany? Izany dia mariky ny kolikoly avo lenta izany ho Atoa Alexandre Georget.Tsy tokony hangina intsony raha toa ka olom-pirenena. Mbola mitsipaka marindrano ny fanovan`ny mpitondra ny lalàmpanorenana ny antoko Maitso. Momba ny fifidianana dia teboka roa no tsindriny tamin`izany. ``N`aiza n`aiza maneran-tany dia ny Fanjakana no mitarika ny olona hifidy kanefa mifanohitra amin`izany ankehitriny satria tsy alainy indray ny zon’ ny olom-pirenena mba tsy andehanana hifidy satria ferana 700 isaky ny birao-pifidianana izany. Ny antoko maitso kosa dia mahatoky ny HCC sy ny Bianco satria ireo sisa no arofanina ho an`Madagasikara ary izy ireo no sisa no afaka manafoana iny lalam-pifidianana mamenatra iny``. Nohamafisiny fa tsara kokoa raha tsy mirotsaka intsony ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ary tokony manao tatitra sy jery todika  fotsiny izy.  Momba ny fifidianana filoham-pirenena hatrany dia nambarany fa hanana kandidà tokona miaraka amin`ny ARMADA ny antoko Maitso. Mandray anjara mavitrika saingy tsy mpomba kosa ny hevitra fidinana eny an-dalambe ho fakana fahefana.


 

Marigny A. 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana