Dans la mme rubrique

Famoriam-bahoaka eny Analakely Alefa handoto ny hetsika ireo “gros bras”

20/04/2018

Mafampana ny toe-draharaha, ary miandry izay hiseho rahampitso eny anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely, hisian’ny famoriam-bahoakan’ny depiote mpanohitra ny rehetra. Malaza fa kotrehina hokorontanina izany, ary efa mandeha ny fanangonana vatan-dehilahy na “gros bras” handrava sy handoto ny hetsika.

Famoriam-bahoaka eny Analakely Alefa handoto ny hetsika ireo “gros bras”

Hamaky ny tohiny...

Guy Maxime Ralaiseheno “Aoka tsy ho sakanana ny hetsiky ny depiote”

20/04/2018

Aza sakantsakanana amin’ny famoriam-bahoaka hanaovany tatitra mikasika ny zava-misy eto amin’ny firenena ny solombavambahoaka na iza izy na iza hoy Rahaiseheno Guy Maxime, mpanao pôlitika, omaly. Hiantohan’ny lalampanorenana sy ny lalana mifehy ny olom-boafidy, indrindra ny lalana mifehy ny antoko mantsy ny fanaovan’ny solombavambahoaka izany hoy izy.

Guy Maxime Ralaiseheno “Aoka tsy ho sakanana ny hetsiky ny depiote”

Hamaky ny tohiny...

Antoko politika ABA Miainga amin’ny fianakaviana ny fampandrosoana

20/04/2018

Omaly no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny foibeny Antsahabe ny fitsanganan’ny Antoko politika ABA (Antokom-Bahoaka Malagasy).

Antoko politika ABA Miainga amin’ny fianakaviana ny fampandrosoana

Hamaky ny tohiny...

Depiote mpanohitra Nihaona tamin’ny Amerikanina sy Frantsay

20/04/2018

Mandeha ny rahom-bava avy amin’ny fitondram-panjakana momba ny hanakanana ny famoriam-bahoaka hataon’ny depiote TIM, MAPAR, MMM, aryny tsy miankina hanao tatitra amin’ny vahoaka eny anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely rahampitso sabotsy.

Depiote mpanohitra Nihaona tamin’ny Amerikanina sy Frantsay

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana sy Rajoelina Hany mbola misongadina

20/04/2018

Ny filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana, izay efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena sy ny filoha nasionalin’ny vondrona politika MAPAR, Andry Rajoelina, hatreto no hita hany mbola misongadina amin’ny fihetsiketsehana maneho ny fahavononany hiatrika fifidianana na dia mbola tsy nanambara ny filatsahany aza moa itsy farany.

Ravalomanana sy Rajoelina Hany mbola misongadina

Hamaky ny tohiny...

Miaramila misotro ronono Tsy maintsy hanohana kandida

20/04/2018

Efa 10 taona mahery izao no nitakian’ireo miaramila misotro ronono ny zo tokony nisitrahany nanomboka ny tetezamita no nankaty, raha ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny fikambanan’izy ireo, Jean Solo Randrianasimanana.

Miaramila misotro ronono Tsy maintsy hanohana kandida

Hamaky ny tohiny...

Mpanao politika Malagasy Donton’ny fitiavan-tseza

20/04/2018

Tsy azo iadian-kevitra, fa ny mpanao politika no tena mpamotika ity firenentsika ity. Ny vahoaka etsy andaniny, toa nohabadoina sy nampahantraina hatrany, ka tsy mahalala izay tokony hataony intsony.

Mpanao politika Malagasy Donton’ny fitiavan-tseza

Hamaky ny tohiny...


Politique

TIM sy MAPAR Roso ny dia, tsa mipody intsony !

16/04/2018

Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny hamboletra sy ny kajikajy tamin’ny fampandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana ny solombavambahoaka avy amin’ny TIM, MAPAR, MMM, ary ny tsy miankina raha havoitra ny fandaharana manokana tamin’ny fahitalavitra ny alahady lasa teo.

Marihina, fa somary nikorontana ihany ny fandefasana azy io satria tapaka ny fandehanan’ny haino aman-jery Malagasy tamin’ny CANALSAT noho ny ambaran’ny CANAL+ ny fisian’ny olana ara-teknika nitranga teo anivon’ireo mpandraharaha mpamatsy miara-miasa aminy avy any Paris. Maro kosa no nihevitra, fa kajikajy maloto no tao ambadika. Rehefa dinihina, dia efa manana ahiahy amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sahady izy ireo, ary nampahatsiahivin’ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa (TIM) ny fifanarahana momba ilay “pacte de responsabilité” soson-kevitr’io andrim-panjakana io ny volana jolay 2015, saingy aiza izany izao? Izahay matoa nandà ary tafaraka tahaka izao, dia nahatsapa fa nolalaovina fotsiny taorian’ny fitsipahana ny filoha, hoy ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa.  Kajikajy maloto no betsaka, ary karazan’ny filam-boatsiary sy famerezan-jo ilay hoe “bulletin N°2”, ka tsy ekenay hatramin’ny farany io na inona na inona hiseho eto amin’ny teny sy ny fanjakana, ary tsy misy olona azo ahilika eto, indrindra raha fifidianana hatao ho an’ny Malagasy ary fitsarana natao ara-politika, izay azo hiandian-kevitra, hoy hatrany izy. Manoloana ny fiarahan’ny TIM sy MAPAR, dia nisy ny taona 2009, hoy izy, ka hifanekena izany ary afaka mifamela, izay notsiahiviny fa isan’ny may ny tranony. Tadiavina ny fitoniana sy ny fampihavanam-pierenena, ary fampihavanana efa vita izao, hoy kosa ny depiote Tinoka Roberto (MAPAR). Raha handeha ny fifidianana, dia mety ho fifaninana masina amin’izay satria isan’ny goavana eto amin’ny firenena izany TIM sy MAPAR izany, raha ny nambarany. Mety hisy fitoniana kokoa raha ny iray amin’ireo no lany, raha ny fanehoan-keviny. Tsy nisalasala ity depiote ity nilaza, fa miala dia mikisaka amin’ny sisiny no tena fahendrena ho an-dRajaonarimampianina, fa tsy manao zavatra mamoafady. 87 ny fanitsiana ary 27 ny nampidirina, ka tsy marina ny filazana fa 47 ny fanintsiana noraisina, raha ny fanazavan’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, mpisolovava no sady mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena moa. Izay netinety tamin’ny mpitondra ihany no nampidiriny. Raha hendry ianao dia mba henoy ihany, hoy hafatra nataony miantefa amin’ny filoham-pirenena. Mazava ny làlana hatreto, fa tsy hanaiky lembenanana amin’ny tsy rariny sy ny fampiharana bontolo  io lalàna hiteraka savorovoro io ireo depiote TIM sy MAPAR. Ny 21 aprily izao, dia hisy ny tatitra sy famoriam-bahoaka hataon’izy ireo eny anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely, izay nambara fa tsy hihemotra na hinon-kidona na inon-kitranga.


Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana