Politique
Hetsiky ny depiote tany Toamasina Nirefotra ny grenady
16/04/2018
Hentitra ny baiko azon’ireo mpitandro ny filaminana teto Toamasina ny sabotsy teo, fa tsy azo tanterahina ny tatitra saika nataon’ireo depiote mpanohitra ny fitondrana noho ny tsy fisian’ny fangatahana ara-dalàna amin’ny famoriam-bahoaka, sy noho ny hetsika mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka.Saingy tamin’ny 03 ora tolakandro dia tonga hatrany ireto depiote mpanohitra nahitana An-dRamatoa sy Andriamatoa isany Irma
Naharimamy (Mahanoro), Tody Arnaud (Soanierana Ivongo), Famindra Justin (Toamasina I), Roilahy Jonah (Toamasina II), ary depiote Mamy (Vavatenina), niaraka tamin’ireo mpiara-dia azy ireo hiatrika ilay tatitra momba ny lalam-pifidianana sy ny raharaha politika misy ankehitriny. Naharitra 10 minitra teo ny fifandresen-dahatra teo amin’ireto depiote sy ireo mpitandro ny filaminana mba hirosoan’izy ireo hiazo ny kianja mitafo “Dojo” Soavita nomen’ny ben’ny tanàna tamin’ny alalan’i Jean Maurice lefiny faharoa hanaovan’izy ireo ity hetsika ity. Nivaha noho izany ny barazy voalohany ka velon-kira sy velom-bolo hamonjy ny “Dojo”Soavita ireto depiote sy ireo mpanara-dia azy, saingy efa nisy ampahana mpitandro ny filaminana hafa indray niandry azy ireo teo am-pidirana ny kianja mitafo . Raha mbola nifandresy lahatra tamin’ireo mpitandro ny filaminana ireto depiote ireto sy ireo mpanara-dia azy ireo, nirefotra in-droa ny grenady mankarenin-tsofina izay nanaparitaka ny olona. Niezaka hatrany nandresy lahatra ireto mpitandro ny filaminana ireo depiote, izay tonga tamin’ny hoe “na ianareo hiaraka aminay dia telo volana hivaha izao olanareo izao, na ianareo hiaro ny fanjakana Hvm ka hitohy dimy taona manaraka indray ny zavatra hanjo anareo toy izao”. Taorian’izay dia nitanjozotra nihazo ny moron-dranomasina izy ireo hamonjy ny trano fisakafohanana “Bateau Ivre” izay vahaolana noraisina rehefa tsy azo ny “Dojo” Soavita , ka teny no nanaovana ny tatitra tamin’ny vahoaka izay .Nanotrona izany ny mpandritra ny DisTIM Toamasina I sy Toamasina II, efa nameno ny sisin’ny arabe manodidina ny “Bateau Ivre” ireo mpitandro ny filaminana nandritra izany, izay niteraka ny feo niely fa misy ny baiko ho fisamborana an’i Naharimamy Irma. Raha nanontaniana izany ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana dia nanamafy fa tsaho niniana naely izany ho fanasoketa azy ireo sy ireo olom-panjakana nanome baiko azy ireo nanakana ny hetsika .
Rakoutou