Dans la mme rubrique

Tononkalo ho an’i Jean

25/05/2018

Miala Rajean Fikafika maloto, tsipy bilao Mahazatra, tampisaka, tena fanao Na ho ianao na ny forongonao Ka ny anay tsotra ihany : « Miala Ra Jean »

Tononkalo ho an’i Jean

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Samy mahay mody fanina !

23/05/2018

Eny ary koa ! Ianareo moa izany sady mahay mody jamba no mahay mody marenina. Izahay koa anie ry Jean mahay mody fanina e ! Samy mahay mody fanina isika raha izay no tadiavinareo.

Taratasin’i Jean Samy mahay mody fanina !

Hamaky ny tohiny...

Mahereza eee !

22/05/2018

Miarahaba e ! Ahoana ihany ny momba anareo ity ry Jean a ? Efa mba mahare ny tabataban’ny olona ihany ve sa tena mbola any amin’ny planeta tsy fantatr’anarana ?

Mahereza eee !

Hamaky ny tohiny...

Miziriziry

19/05/2018

Fa inona kay ilay tena mampiziriziry ? Efa tsy misy mpitia intsony anefa mbola mikiry. Fa inona loatra re no tena mahafatifaty ? Na ny fahefana hananana aza efa miha lo sy lany daty.

Miziriziry

Hamaky ny tohiny...

Mifampihazohazo

16/05/2018

Miarahaba Jean aa ! Inona no mba malaza any aminao any ee ? Kkkk.. !!

Mifampihazohazo

Hamaky ny tohiny...

Teren’ny zava-misy

11/05/2018

Hono hoy aho ry dada sy neny fa maninona no tsy mianatra ? Tsy misy tonga intsony anie ireo mpampianatra ! -Tsy sitrapony anaka fa teren'ny zava-misy izy ireo, Kely karama sy sakafo ka mba manandram-peo.

Teren’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Mivalavala

08/05/2018

Salama Jean aa ! Ahoana ihany ianareo ity ee ! ilaozy mivalavala eo ihany ary fa aza miala koa. Isan’andro efa manondrana foana mbola tsy tonga saina ihany.

Mivalavala

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Tsy vita intsony izany !

13/04/2018

Dia ahoana rangahy ity ? Inona indray ity vaovao aelinao ity le ! Koa raha izany voalazanao izany anie izany no fehezina dia midika hoe tsy vita intsony izany ny fampandrosoana ry Jean ee ! Ka efa tsy ho vita 1 andro sy ao anatin’ny fotoana fohy dia rahoviana ary ?

 Asa aloha izay sary ao an-dohanao rehefa miresaka  fampandrosoana sy fandrosoana. Tsy miteraka fampandrosoana angaha moa, ohatra, ny fitadiavana vahaolana tsy hiakaran’ny vidin-tsolika sy ny saran-dalana ? Sa ilay fampihemorana ihany no vitanareo vetivety ? Inona izany ry Jean no ilingilinginareo eo amin’io toerana io rehefa tsy hampandroso a a ? Ny fampandrosoana anie asa mitohy ee ! Vita ny eo dia miditra indray ny manaraka fa tsy izany araka ny hieritreretanao azy izany. Ianao ity mantsy izany ry Jean dia tsy mahay afa-tsy ny manilika hadisoana amin’ny hafa sy miala bala foana aa ! Dia tokony ho gaga ve ianareo rehefa avy eo raha tsy averinay eo amin’io toerana io intsony ?

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana