Dans la męme rubrique

Fanisana ankapobeny ny mponina sy ny toeram-ponenana Misy ny tombony amin’ny fampandrosoana

25/05/2018

Omaly alakamisy 24 mey no nampahafantarina tetsy amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny tetipivoarana ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fanisana ankapobeny fahatelo ny mponina sy ny toeram-ponenana (RGPH3) manerana an’i Madagasikara.

Fanisana ankapobeny ny mponina sy ny toeram-ponenana Misy ny tombony amin’ny fampandrosoana

Hamaky ny tohiny...

Sisin-dranomasina Atsimo Andrefana Aripaky ny Sinoa ny hazan-dranomasina

25/05/2018

Sahiran-tsaina ary velon-taraina ireo mpanjono madinika any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny nosy,

Sisin-dranomasina Atsimo Andrefana Aripaky ny Sinoa ny hazan-dranomasina

Hamaky ny tohiny...

Hetsika faran`ny herinandro

25/05/2018

Manan-danja eran`izao tontolo izao efa hatramin`ny ela ny fankalazana ny fetin`ny reny ka rariny loatra raha mitobaka ny hetsika etsy sy eroa

Hetsika faran`ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina teny Tsiazotafo Olona 4 maty tototry ny tany

24/05/2018

Olona 4 no indray maty tetsy Tsiazotafo ampitan’ny tranomabrotra Venic omaly tolakandro vokatry ny firodanan’ny trano iray an-dalam-pananganana.

Loza mahatsiravina teny Tsiazotafo Olona 4 maty tototry ny tany

Hamaky ny tohiny...

Depioten’ny fanovana “Rajao no ho tsarain’ny HCJ voalohany !”

24/05/2018

Malaza indray ankehitriny fa hovonjivonjena ny fananganana ny Fitsarana ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice), rafi-pitsarana afaka mitsara ny filoha, izay tokony ho natsangana herintaona taorian’ny fianianany.

Depioten’ny fanovana “Rajao no ho tsarain’ny HCJ voalohany !”

Hamaky ny tohiny...

Banky foiben’i Madagasikara Mitokona ny mpiasa, mikatona ny “caisse” rehetra

24/05/2018

Niroso amin’ny fitokonana nanomboka omaly alarobia ny mpiasan’ny banky foiben’i Madagasikara (BCM). Efa ela loatra ny fitakianay kanefa tsy noraharahiana izahay, hoy ny solontenan’izy ireo raha nanontaniana.

Banky foiben’i Madagasikara Mitokona ny mpiasa, mikatona ny “caisse” rehetra

Hamaky ny tohiny...

Vondron’ny mpiasan’ny JIRAMA “Efa mandeha ny famarotana tsikelikely ny orinasa”

24/05/2018

Omaly no nanao fanambarana tetsy amin’ny hotely Ny Railovy tetsy Andohanan’Analakely ireo vondron’ny mpiasan’ny JIRAMA.

Vondron’ny mpiasan’ny JIRAMA “Efa mandeha ny famarotana tsikelikely ny orinasa”

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Mpitandro ny filaminana sy mpanao gazety Handrafitra fifanarahana arak`asa

13/04/2018

Niditra tamin`ny fihaonana fahatelo ny mpanao gazety sy ny mpitandro ny filaminana mahakasika ny fandrafetana ilay fifanarahana arak`asa (protocole d`accord) eo amin`ny roa tonta.

 

 Rafitra iray entina hiarovana ny asa fanaovan-gazety amin`ny fanatanterahana ny asa no tanjona. Tsy arovana be fahatany kosa ny mpanao gazety, hoy ny solontenan`ny OJM fa misy fifanajana ao anatin`izay asa izay. Ny lalàna mipetraka no mampafantatra ny tokony hatao na ny mpanao gazety na ireo mpitandro ny filaminana mba tsy hiterahan`ny korontana rehefa samy eo amin`ny fanatanterahana ny asany. Nampiavaka an`ity andiany ity ny fisian`ny mpiantsehara vaovao. Nasaina manokana ny minisiteran`ny fitsarana satria misy anjara asany amin`io fandrafetana fifanarahana arak`asa io. Nandritra an`ilay atrikasa dia samy naneho ny heviny mahakasika izay marimaritra iraisana ka anisan`ny mpandray anjara ireo solontenan`ireo fianakaviamben`ny mpitandro ny filaminana. Aorian’ity fihaonana ity, handray izay hevitra hafonja na koa fanamarihana ireo mpikarakara ka miasa indray ny komity handrafitra azy io ary hiditra amin`ny andiany fahefatra izay hanamarihana ireo soso-kevitra rehetra alohan`ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana.

Fikatsahana ny fahefana fahefatra

Amin`ny asa fanaovan-gazety dia lalan-tsaina telo no tsy maintsy hizorana amin`ny fanehoana ny tranga misy eo anivon`ny fiarahamonina sy ny firenena amin`ny sehatra rehetra dia ny fampitam-baovao sy fanabeazana ary serasera. Katsahina ao an-tsaina mandrakariva ihany koa ny siansa momba ny fitsipi-pitondrantena (éthique) ary ny fitsipika sy andraikitra mifehy ny asa (déontologie). Mila mahay manavaka ny lafiny tsara sy ny ratsy, tsy mitanila ary tsy mifangaro fihetseham-po rehefa manao fanadihadiana na koa fanehoan-kevitra satria amin`izao fotoana dia tombantombana sy ny fitsarana ivelany no misy izay hiteraka zava-doza.  Matetika koa misy ireo manao fandikana vilana.  Ka raha tiana hisitraka ny fahefana fahefatra ny mpanao gazety dia mila manome zava-marina tsy mitanila ary mijoro amin’ny fahamarinana tsy misy fitongilanana. Saropady tokoa ny serasera ary ny lasa tsy fanadino satria izany serasera izany no fositra voalohany niaingan`ny fanapotehana rehetra teto amin`ny firenena.


Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana