Dans la mme rubrique

Fikirakirana ny vatosoa Betsaka ny mpandraharaha no tsy manara-dalàna

13/10/2018

Zava-dehibe eto amin’ny firenena ny foara be momba ny vatosoa sy ny firavaka ( Madagascar Gem and Jewellery fair -1ère edition ) izay hotanterahina eny amin’ny Munning Business Center Ivato ny 23 hatramin’ny 27 oktobra ho avy izao.

Fikirakirana ny vatosoa Betsaka ny mpandraharaha no tsy manara-dalàna

Hamaky ny tohiny...

Fifandraisan’i Madagasikara sy Japon Hampiroborobo hatrany ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana

12/10/2018

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alarobia 10 oktobra farany teo tetsy amin’ny masoivohon’i Japon eto Madagasikara teny Ivandry ny fametrahana ny rantsan’ny orinasa japoney Tokyo Sangyo any Toamasina.

Fifandraisan’i Madagasikara sy Japon Hampiroborobo hatrany ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana

Hamaky ny tohiny...

Satroboninahitry ny mpanjaka very Tsy mbola misy mangirana ny fikarohana

12/10/2018

Herinandro maro izay no lasa, nilazan’ny minisitry ny kolontsaina, Johasy Eleonore,

Satroboninahitry ny mpanjaka very Tsy mbola misy mangirana ny fikarohana

Hamaky ny tohiny...

Famotsiam-bola Andrasana ny fandaniana ny lalàna

11/10/2018

I Madagasikara dia efa ela no nanasonia ny fifanarahana mahakasika ny fanenjehana famotsiam-bola.

Famotsiam-bola Andrasana ny fandaniana ny lalàna

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an’i Madagasikara Tsy maintsy arahina finoana

11/10/2018

Omaly alarobia 10 oktobra no nampahafantarina tetsy Mandrimena Tanjombato ny fampandrosoana ara-toekarena tanterahina amin’ny lafiny finoana sy vavaka ataon’ny fikambanana Mpitory teny Mpitandrina Mpanompo (3M).

Fampandrosoana an’i Madagasikara Tsy maintsy arahina finoana

Hamaky ny tohiny...

Fiara tsara sy matanjaka Tsy zakan’ny Malagasy intsony ny fanafarana

10/10/2018

Nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Telozoro Andrefan’Ambohijanahary omaly talata 09 oktobra ny hetsika meeting VW Mada Andiany faha-5 izay hatao ny sabotsy 13 oktobra ho avy izao manomboka amin’ny 08 ora sy sasany maraina etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Fiara tsara sy matanjaka Tsy zakan’ny Malagasy intsony ny fanafarana

Hamaky ny tohiny...

Fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina Manahy ny hisian’ny kolikoly ny mpiara-miombon’antoka

04/10/2018

Mitotaly 639 tapitrisa dolara ny vola atontona amin’ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ka ny 411 tapitrisa dolara dia vola nampindramina amin’ny Japoney ary aloha ao anatin’ny 40 taona fa ny ambiny kosa dia ny fanjakana no handray an-tanana azy.

Fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina Manahy ny hisian’ny kolikoly ny mpiara-miombon’antoka

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Antenimieram-pirenena Ahoana marina ny fomba fiasany ?

05/04/2018

Betsaka ireo trangan-javatra niainana teo amin’ny Lapan’i Tsimbazaza,

indrindra  ny fandinihana sy fandaniana ireo volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana tato anatin’ny iray volana sy tapany. Mitohy hatrany ny asa ao amin’ny Antenimieram-pirenena amin’izao fotoam-pivoriany izao. Ny asany no hezahina ampahafantarina eto.

Ny Antenimieram-pirenena dia voafaritry ny lalàmpanorenana. Tsara foana no miainga amin`ny fampitahana amin`izany rehefa resaka andrimpanjakana toy itony. Mizara telo lehibe ny asan’ny Antenimieram-pirenena ary tsy maintsy voafaritra amin`izay lalam-panorenana izay foana. Voalohany, ny fandaniana ny lalàna, manara- maso ny asan`ny mpanatanteraka na governemanta ary ny manombatombana ny asa nataon`ny fanjakana ao anatin`ny famoahana ny olana mianjady eto amin`ny firenena. Tokony hifantoka amin`ireo zavatra telo ireo ny hery rehetra rehetra entina manatanteraka ny asa.


Fandaniana lalàna sy ny dingana arahina

Misy ny dingana tsy maintsy arahina dia ny fametrahana volavolana rijan-teny na “depot de projet de texte”. Ho an`ny mpahay lalàna, indrindra izay mikirakira ny “direction de la legislation” dia ny “depot” izany dia miantomboka amin`ny fandinihana ilay “projet de texte”. Rehefa vita izay dia miditra ao anatin`ny fivoariana iray atao hoe “conference des presidents” izay mandray an`ilay “projet de texte” ary ao anatin`izany no volavolaina ny andro sy ny fotoana handinihana azy na “ordre du jour”. Rehefa vita izay dia entina eo anivon`ny fivoriambe hotapahina. Raha tapaky ny rehetra ny fandaharam-potoana dia mandeha ny asam-baomiera sy ny fivoriambe itambarana. Indraindray rehefa tonga amina raharaha heverina fa manahirana dia azo tsinjaraina ihany koa ny fandraisam-pitenenana. Rehefa vita daholo ny fandaniana rehetra mandritra ny « conference des présidents » dia tsy maintsy miditra amin`izay amin`ilay atao hoe asam-baomiera na « travaux de commission » .

Asam-baomiera

Ny asam-baomiera dia tsy azo idiran`ny olona hafa raha tsy izay olona ilaina. Ahitana ny mpikambana rehetra ao amin`ny birao maharitra sy ireo filoham-baomiera satria miisa 31 ny vaomiera na “commission”. Eo ihany koa ny filohan`ny vondrona parlemantera, ny solontenan`ny governemanta, ny mpikambana ato amin`ny Antenimieram-pirenena toy ny depiote na koa ny sekretera jeneralin`ny antenimieram-pirenena ary ny mpikambana ao anatin`ireo vaomiera ireo. Eo ihany koa ny vaomiera hafa ka afaka manatrika ihany koa raha solombavambahoaka fa tsy manapa-kevitra raha misy fanitsiana tokony hatao. Mahakasika an`ireo volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana dia vaomiera 2 no nandinika azy dia ny vaomieran`ny lalàna, ny vaomieran`ny atitany sy ny manampahefana. Ny mpikambana ao anatin`ny governemanta koa dia tsy maintsy manatrika ny asam-baomiera noho ity farany nanolotra an`ilay voloavola. Ny asam-baomiera dia tsy maintsy hatrehin`ireo teknisianina eo anivon`ny Antenimieram-pirenena izay mandray an-tsoratra sy manampy ny filoham-baomiera. Marihina fa ny vaomiera dia masi-mandidy amin`izay manatrika fivoriam-baomiera. Vita ny asam-baomiera dia izay tapaka tao no entina ao anatin`ny fivoriambe itambarana ka ity farany no tompon`ny teny farany. Raha fehezina, ny fandaniana lalàna dia asam-baomiera ary avy eo dia hitambarana”. Mahakasika izany indrindra, ny “Commission plénière” dia  tsy tokony hatrehin`ny olona fa ny depiote ihany. Ny “Assemblee pleniaire” kosadia azon`ny rehetra hotronina.


Volavolana rijan-teny

Na ny governemanta na ny depiote na koa ireo senatora, mitovy foana ny dingana arahina rehefa mametraka “projet de texte”. Ity farany dia tsy maintsy mandalo dingana roa hahafahana manohy azy. Voalohany, tsy maintsy mandalo eo anivon`ny governemanta hanaovana « contrôle de recevabilite resolu », izany hoe jerena raha tontolon`ny lalàna na tontolon`ny fitsipika. Raha ity farany ity mantsy dia an`ny “executive” na mpanatanteraka fa ny lalàna indray no an`ny depiote sy ny senatora. Ny governemanta no mandefa taratasy milaza fa ity zavatra ity dia andraikiny na tsia. Afaka mampihatra ny fandinihana ilay “texte” izay. Faharoa dia tsy maintsy jerena raha misy “impact budgetaire” ka miankina amin`ny vaomieran`ny vola sy ny tetibola. Izany no atao hoe “Recevabilité finançière”. Ny “Projet de loi” na volavolan-dalàna kosa tsy tratran`izany satria ny asan`ny fahefana mpanatanteraka (governemanta) dia mifanaraka foana amin`ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ataony ary tsy mivaona mihitsy.  Matetika misy depiote sorena satria misy ireo “projet de texte” natolony no tsy nodinihana nefa ny an`ny governemanta dia mandeha foana.


Lapa ho an`ny rehetra

Ny antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona dia misokatra ho an`ny rehetra raha toa ka haka vaovao izay ilainy ny olom-pirenena. Raisina amin’ny lafiny roa anefa ilay vaovao. Ny voalohany dia ny solombavambahoaka izay samy manana ny fijery sy ny firehana politikany. Ny faharoa dia ireo teknisianina izay tsy momba ny atsy na ny aroa. Araka izany, mitodika eny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena ny mason’ny vahoaka malagasy. Mitaky asa mivaingana ny mpiray tanindrazana avy amin`ny solombavambahoaka izay nametrahan’ny olom-pirenena tsirairay ny fitokisany tamin’ny alalan’ny fifidianana mba hisolovava azy ary hitady vahaolana amin’ny fampandrosoana ny disitrika niaviany avy ary hitondrana vahaolana mahomby ho an’ny tombontsoa ambonin’ny vahoaka malagasy raha mandalo fotoan-tsarotra ny firenena na voakitikitika ny fiandrianam-pirenena sy ny firaisam-pirenena.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana