Dans la mme rubrique

Zinedine Zidane

01/06/2018

Nanambara tao anatin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny ivotoerana fanaovan’ny Real fanazaratena omaly tolakandro ilay mpanazatra Frantsay Zinedina Zidane fa nanapa-kevitra ny tsy hanazatra an’ity ekipa notantanany nanomboka tamin’ny 4 janoary 2016 ity intsony ny tenany amin’ny taom-pilalaovana ho avy izao.

Zinedine Zidane

Hamaky ny tohiny...

Mondial 2018 any Rosia

31/05/2018

Ny anaran’ireo mpilalao 25 ao amin’ny ekipam-pirenen’i Rosia mpampiantrano ny hetsika izay ao amin’ny Vondrona A miaraka amin’i Arabie Saoudite, Egypte ary Urugay no entintsika an-gazety anio. Izy no hanokatra ny fihaonana rehetra amin’ny alakamisy 14 jona izao ka hifandona amin’i Arabie Saoudite any Moscou.

Mondial 2018 any Rosia

Hamaky ny tohiny...

Giangluigi Buffon Nisintaka tanteraka

18/05/2018

Nambarany tamin’ny fomba ofisialy fa amin’ny sabotsy 19 mey 2018 amin’ny lalao hihaonan’ny Juventus Turin amin’ny ekipan’i Verone no hilalaovan’ilay mpiandry harato Italiana malaza, Giangluigi Buffon 40 taona (176 sélections ), farany ao amin’ity Italiana nilalaovany nandritra ny 17 taona ity.

Giangluigi Buffon Nisintaka tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Mangotraka ny ady ao Gaza Palestinianina 52 maty, 2000 naratra

15/05/2018

Nifanandrify indrindra tamin’ny fitokanana ny masoivohon’i Etazonia any Jerosalema omaly izay efa niteraka resabe am-bolana maro no raikitra ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny Palestinianina sy ny miaramila Israelianina.

Mangotraka ny ady ao Gaza Palestinianina 52 maty, 2000 naratra

Hamaky ny tohiny...

Neymar Jr Maniry hilalao hiaraka amin’i Cristiano Ronaldo

11/05/2018

Tamin’ny zoma 4 mey lasa teo no nitodi-doha niverina tao Paris ilay kintan’ny kitra Breziliana Neymar ary efa niatrika fanazarantena tao amin’ny « centre Ooredoo » niaraka tamin’ny ekipan’ny PSG hilalaovany ankehitriny.

Neymar Jr Maniry hilalao hiaraka amin’i Cristiano Ronaldo

Hamaky ny tohiny...

Korea Avaratra Hampitsahatra tanteraka ny fikarohana ara-nokleary

30/04/2018

Nanaiky ny hanakatona tanteraka ny toeram-pikarohana sy fanamboarana baomba nokleary i Korea Avaratra raha araka ny nambaran-dry zareo Koreanina Tatsimo omaly.

Korea Avaratra Hampitsahatra tanteraka ny fikarohana ara-nokleary

Hamaky ny tohiny...

Filoha Frantsay Mitsidika an’i Etazonia

24/04/2018

Filoha Frantsay Mitsidika an’i Etazonia

Hamaky ny tohiny...


Vaovao avy any ivelany

Samsung Galaxy S9 3,6 tapitrisa ariary no vidiny

13/03/2018

Hivoaka eny amin’ny tsena any Frantsa ny zoma 16 martsa izao ny finday avo lenta vaovao noforonin’ny orinasa Koreana tatsimo Samsung, tsy inona izany fa ny Samsung galaxy S9.

Tsy dia mifanalavitra amin’ny Samsung galaxy S8 raha ny endriny , 6,8 pouces ny ecran izay Super AMOLED HD.Faran’izay matanjaka amin’izao fotoana ny “processeur” satria mampiasa ny “Exynos 9810 maison octo-core” ary 6Go ny RAM. Maodely afaka mitahiry singa hatramin’ny 64Go ity Samsung galaxy S9 hivoaka amin’ny 16 martsa ity ary 959 euros na 3,6 tapitrisa ariary no vidiny. 

 

Hubert Givenchy

Nodimandry teo amin’ny faha 91 taonany

Nodimandry ny alin’ny sabotsy 10 martsa teo amin’ny faha 91 taonany i Hubert Givenchy, mpanjaitra sy mpamorona lamaody ary nametrana ny anarany teo amin’ny sehatry ny lamaody tany Frantsa ssy manerana izao tontolo izo mihitsy.Omaly no nambara tamin’ny fomba ofisialy io fahalasanany io.Ny taona 1952 naseho sehatra voalohany ny asa tanany, ny taona 1995 moa izy no nandao orinasa natsangany ary nanohy ny asany ireo mpandimby azy.Niaiky ny fahaizan’ity mpanjaitra ity ny mpankafy lamaody ary tsy vitsy ireo mpilalao sarimihetsika sy olo-malaza efa nampiakanjoany tao anatin’ny 40 taona.Anisan’ny nahay nampiseho ny haingo sy fianjaika mampalaza an’i Paris sy ny mponina ao aminy i Hubert Givenchy.

Famonoana mpitsikilo Rosiana tany Angletera

Ho avy ny valy bontana avy amin’ny Anglisy

Hanao fanambarana ato ho ato ny praiminisitra Anglisy Theresa May momba ny fanapoizinana ka nahafaty ilay mpitsikilo fahiny teratany Rosiana Sergueï Skripal sy ny zanany vavy, herinandro lasa izay  tany amin’ny faritra atsimo andrefan’i Angletera.Efa mandeha be ny resaka fa miahiahy ny fanjakana Rosiana ho tao ambadik’ity fanapoizinana ity ny Angliisy ary hisy ny valin-kafatra tsy ho ela izay ho ambarann’ny praiminisitra Theresa May.Mety hanamaloka ny fifandraisan’ny firennena roa tonta ity raharaha ity.Efa namory ny tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana Anglisy omaly Ramatoa praiminisitra mba handinika sy hamakafaka ny tena atidoha nikotrika izao famonoana izao.Anisan’ny sazy na valy bontana mety hahazo an’I Rosia ohatra ny fandroahana diplaomaty miasa any Angletera sy ny fanagiazana ny kaontim-bolan’ireo manampahefana sy mpanefoefo sasany. 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana