Dans la mme rubrique

Firenena mikambana Nodimandry i Kofi Annan

20/08/2018

Misaona ny firenena mikambana satria nodimandry teo amin’ny faha 80 taonany i Kofi Annan, Sekretera Jeneralin’ny Firenena mikambana (Onu) teo aloha ny sabotsy 18 Aogositra lasa teo tany Bern (Suisse).

Firenena mikambana Nodimandry i Kofi Annan

Hamaky ny tohiny...

Zinedine Zidane

01/06/2018

Nanambara tao anatin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny ivotoerana fanaovan’ny Real fanazaratena omaly tolakandro ilay mpanazatra Frantsay Zinedina Zidane fa nanapa-kevitra ny tsy hanazatra an’ity ekipa notantanany nanomboka tamin’ny 4 janoary 2016 ity intsony ny tenany amin’ny taom-pilalaovana ho avy izao.

Zinedine Zidane

Hamaky ny tohiny...

Mondial 2018 any Rosia

31/05/2018

Ny anaran’ireo mpilalao 25 ao amin’ny ekipam-pirenen’i Rosia mpampiantrano ny hetsika izay ao amin’ny Vondrona A miaraka amin’i Arabie Saoudite, Egypte ary Urugay no entintsika an-gazety anio. Izy no hanokatra ny fihaonana rehetra amin’ny alakamisy 14 jona izao ka hifandona amin’i Arabie Saoudite any Moscou.

Mondial 2018 any Rosia

Hamaky ny tohiny...

Giangluigi Buffon Nisintaka tanteraka

18/05/2018

Nambarany tamin’ny fomba ofisialy fa amin’ny sabotsy 19 mey 2018 amin’ny lalao hihaonan’ny Juventus Turin amin’ny ekipan’i Verone no hilalaovan’ilay mpiandry harato Italiana malaza, Giangluigi Buffon 40 taona (176 sélections ), farany ao amin’ity Italiana nilalaovany nandritra ny 17 taona ity.

Giangluigi Buffon Nisintaka tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Mangotraka ny ady ao Gaza Palestinianina 52 maty, 2000 naratra

15/05/2018

Nifanandrify indrindra tamin’ny fitokanana ny masoivohon’i Etazonia any Jerosalema omaly izay efa niteraka resabe am-bolana maro no raikitra ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny Palestinianina sy ny miaramila Israelianina.

Mangotraka ny ady ao Gaza Palestinianina 52 maty, 2000 naratra

Hamaky ny tohiny...

Neymar Jr Maniry hilalao hiaraka amin’i Cristiano Ronaldo

11/05/2018

Tamin’ny zoma 4 mey lasa teo no nitodi-doha niverina tao Paris ilay kintan’ny kitra Breziliana Neymar ary efa niatrika fanazarantena tao amin’ny « centre Ooredoo » niaraka tamin’ny ekipan’ny PSG hilalaovany ankehitriny.

Neymar Jr Maniry hilalao hiaraka amin’i Cristiano Ronaldo

Hamaky ny tohiny...

Korea Avaratra Hampitsahatra tanteraka ny fikarohana ara-nokleary

30/04/2018

Nanaiky ny hanakatona tanteraka ny toeram-pikarohana sy fanamboarana baomba nokleary i Korea Avaratra raha araka ny nambaran-dry zareo Koreanina Tatsimo omaly.

Korea Avaratra Hampitsahatra tanteraka ny fikarohana ara-nokleary

Hamaky ny tohiny...


Vaovao avy any ivelany

Salon de l’Automobile any Genève Manintona olona ny Pal-V

09/03/2018

 

Ity no tena hoe Fiara manidina. Aranty ao amin’ny salon de l’Automobile any Genève izay nanomboka omaly ny Pal-V. Fiarakodia misy kodiarana 3, afaka mandeha amin’ny arabe ary afaka manidina ihany koa.Vahaolana amin’ny fitohanan’ny fiara an-tanàn-dehibe izy ity raha araky ny filazan’ny mpamorona azy. Mahatody 1300 km ny Pal-V raha mandeha amin’ny arabe ary mahavita manidina amina halavirana 500 km kosa.1,5 miliara ariary novidin’ity Fiara manidina hafa kely ity.

 

Rex Tillerson

Mila mailo amin’ny Sinoa ny Afrikanina

Firenena 4 aty Afrika no tsidihan’ny sekreteram-panjakana Amerikanina Rex Tillerson ka nanombohany izany omaly ny tao Addis Abeba renivohitr’i Etiopia izay misy ny foiben’ny vondrona Afrikana.Aoka ho mailo sy hitandrina momba ny fiaraha-miasa amin’ny Sinoa ny Afrikanina, hoy i Rex Tillerson satria fetsy ratsy izy ireo. Tsy mamorona asa betsaka eo amin’ny toerana izay hiasany akory ny Sinoa, hoy izy, tsy manofana tsara ireo olona eo an-toerana mba hahafahan’izy ireo mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ilay faritra sy ny firenena. Tsy hanakana ny fahatongavan’ny mpampiasa vola Sinoa aty Afrika ny Amerikanina saingy miantso ny Afrikanina kosa mba handinika lalina tsara ireny fampiasam-bola sy tetikasa ataon’ny Sinoa ireny.

Taratasy nosoratan’i Albert Einstein

Nisy nividy 318 tapitrisa ariary

Nisy sahy nividy 103.700 dolara na 318 tapitrisa ariary mahery tao amina lavanty iray tany Jerosalema ny taratasy nosoratan’ilay manampahaizana momba ny fizika Albert Einstein. Ny taona 1928 no fantatra fa nosoratan’i Einstein ary nalefany ho ana mpiara-miasa iray aminy izay nipetraka tany Berlin io taratasy io. Resaka manodidina ny antsoina hoe “théorie de la gravitation” no voarakitra ao anatin’ity taratasy ity. Nampalaza an’i Albert Einstein izay nibata ny loka Nobel amin’ny Fizika ny  taona 1921 moa ny “théorie de la relativité” izay nanazavany fa singa tsy azo sarahana ny fotoana sy ny tontolo . 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana