Dans la mme rubrique

Lalatiana Rakotondrazafy Mihantsy ady amin’ny MAPAR ?

18/02/2019

Handrotsaka kandida depiote any Antsirabe, Tsiroanomandidy, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Sainte Marie, Manakara,

Lalatiana Rakotondrazafy Mihantsy ady amin’ny MAPAR ?

Hamaky ny tohiny...

Lisi-pifidianana Nanesorana anarana maherin`ny 200 000 isa…

18/02/2019

Nifarana ny zoma 15 febroary lasa teo ny fandraketana ny anarana anatin`ny lisi-pifidianana ary hatao ny sonia hamaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana eny anivon`ny rantsamangaikan`ny CENI amin`ny distrika (CED), ny 28 febroary ho avy izao.

Lisi-pifidianana Nanesorana anarana maherin`ny 200 000 isa…

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Voaporofo fa marina hatrany ny teniny

18/02/2019

Maro no efa nahatsapa fa marina ary tsy azo lavina ny tenin’i Marc Ravalomanana, mila mifampiresaka, ampanginina ny hambom-po vao afaka tena miroso amin’ny fampandrosoana.

Marc Ravalomanana Voaporofo fa marina hatrany ny teniny

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Miankina amin`ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena ny hoaviny

18/02/2019

« Zava-dehibe ny fisian`ny loholona ary ilaina ny fifandanjan’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna izay misaraka mazava tsara ao anatin`ny lalàmpanorenana », hoy ny loholona Ramparison Luc.

Antenimierandoholona Miankina amin`ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena ny hoaviny

Hamaky ny tohiny...

Fandrotsahana kandida depiote Mila mailo ny TIM sy K25

18/02/2019

Kihon-dàlana iray lehibe hahafahana mametraka ny fifandanjan-kery ara-politika eto amin’ny firenena ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy azo lavina fa ny “TIM.K25”

Fandrotsahana kandida depiote Mila mailo ny TIM sy K25

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka any amin’ny faritany Manomboka mimenomenona amin-dRajoelina

16/02/2019

Tsy voasoratra any anaty lalàna, saingy efa naman’ny nipetraka ho lamina mandeha ho azy teto amintsika ny fifandanjana ara-paritra na ny “équilibre régionale” amin’ny fitsinjaran’ny fahefana.

Vahoaka any amin’ny faritany Manomboka mimenomenona amin-dRajoelina

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

16/02/2019

Fanadiovan-tena. Mazava ny resaka fa te-ho filoham-pirenena hadio i Andry Rajoelina. Niniana tsy nolazaina avokoa anefa ireo tranga tena niteraka ny krizy politika teto amintsika, indrindra fa ny fahapotehan’ny toekarena, izay nampiaiky volana ny maro fa tena ho sarotra ny hanarina azy.

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fivorian’ny depiote Mihoampampana ny fandaniana

09/03/2018

Mifarana anio zoma ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany eny amin’ny antenimieram-pirenena. Ny fandinihana ireo volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana no tena nandrasan’ny Malagasy saingy toa mbola tsy tonga eny akory izany. Araka izany dia hitombo indray ny andro hivoriana tsy ara-potoana satria ny votoatin’ny fiantsoana dia ny resaka fifidianana kanefa tsy teo am-pelatanana ireo zavatra hodinihana.

 

Fanekena famatsiam-bola ny ankamaroan’ny lalàna nisongadina sy maika nolaniana  tao.  Hitombo hanaraka izany ihany koa ny vola laniana amin’ity fivoriana ity noho ny tsy fahamatorana. 192 000 Ar ny an’ny filohan’ny Antenimiera, 150 000Ar ny an’ny birao maharitra ary 124 000 Ar ny an’ny solombavambahoaka araka ny didim-pitondrana laharana 2014-259 izay mametra ny vola tambin-karamma omena  azy ireo amin’ny fivoriana tahaka itony. Ankoatr’izay 3 500 000 Ar ny karaman’ny depiote amin’ny fivorian’ny parlemanta. Mety ho tafakatra hatrany amin’ny 5 294 000 Ar miaraka amin’ny tambin-karama ny vola azon’ny depiote araka izany rehefa sendra fivoriana  tsy ara-potoana tahaka itony; 151 no isan’ny depiote eto Madagasikara, izany hoe efa manafosafo ny 800 tapitrisa ariary ny vola omena azy ireo. Izany no vola mivoaka kanefa dia iniana hitarina indray ity fivoriana ity. Ny fahasahiranan’ny Malagasy anefa efa iaraha-mahita fa mitombo isan’andro, ka mba inona ary no voka-tsoa azony  amin’ny fivoriana hamoahana vola be tahaka ny eny amin’ny antenimieram-pirenena ?

Tsiry

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana