Dans la mme rubrique

Aoka izay lava !

20/09/2018

Lakolosy izay efa nampanenoina teto izay hidradradradrana fa manjaka eto Madagasikara ny tsy rariny sy ny fahasahiranana amin’ny lafiny rehetra.

Aoka izay lava !

Hamaky ny tohiny...

Vary sy tsiparifary

19/09/2018

Miroso tsimoramora mankany amin’ny fifidianana izay ho filoham-pireneny hatrany Ramalagasy.

Vary sy tsiparifary

Hamaky ny tohiny...

Ratsy fiainga

18/09/2018

Hiatrika fotoana goavana hanova ny tantaram-pirenena ny Malagasy ato ho ato.

Ratsy fiainga

Hamaky ny tohiny...

Tsy milamina

17/09/2018

Miha mandroso lalina any amin’ny fifidianana ihany isika amin’izao. Samy mametrapetraka ny paikadiny ny kandida tsirairay avy,

Tsy milamina

Hamaky ny tohiny...

Seho ivelany, seho ivelany…!!

15/09/2018

Mihetsiketsika daholo amin’izao fotoana ireo malaza ho hery velona sangany rehetra amin’ny fifidianana efa akaiky.

Seho ivelany, seho ivelany…!!

Hamaky ny tohiny...

Miandry izay higadonany

14/09/2018

Efa tongotra mby an-dakana ny fanatanterahana ny fifidianana na somary mizara roa aza ny hevitra ho an’ny mpanao politika.

Miandry izay higadonany

Hamaky ny tohiny...

Mandratra ny marina

13/09/2018

Tsy marina kosa ary ve fa misy ary maro amin’ny mpanao politika, mpitondra fanjakana ary kandida no mihevitra ny Malagasy ho dondrona ?

Mandratra ny marina

Hamaky ny tohiny...


Edito

Mohaka sy resim-bavy !

09/03/2018

Ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy omaly izao no malaza. Miezaka mametraka ny tanjony amin’ny fampiroboroboana ny miralenta ny vehivavy, ary fotoan-dehibe tena hanehoana izany io andro iray natokana ho azy ireo.


 Adihevitra goavana no aterak’io resaka miralenta io, rehefa halalinina ho an’ny eto Madagasikara satria mifamatotra amina lafin-javatra maro, toy ny tantara, fomba amam-panao, kolontsaina,… Raha eo amin’ny resaka fitantanana ny firenena dia mbola vitsy an’isa ny vehivavy. Ho an’ny fanjakana foibe kosa dia manjakazaka tanteraka ny vehivavy, ary mampametra-panontaniana hoe : tena mohaka sy mety entin’ny vehivavy amin’ny sangany tokoa ve ny mpitondra ambony lehilahy eto fa toa tsy afa-manoatra ? Malaza ho mahery sy matanjaka ary tsy azo atao na inona na inona eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny vadin’ny filoha. Izy mihitsy ankehitriny no toa mitondra ny baolina, ary io mihetsiketsika fatratra io. Nalaza ireny ny kolikoly avo lenta lenta nataona vehivavy tandapa iray. Nisy ny fahatrarana volabe 30 000 000 Euros nentina Malagasy tany ampitan-dranomasina, dia mbola vehivavy akaiky ny filoha ihany. Mandeha ny ampamoaka mombana kolikoly 70 000 Euros, dia vehivavy no voatonona. Tena mafy sy mahery ny vehivavy manodidina ny filoha ary tsy azo kitikitihina mihitsy. Fanta-daza sy tena kinga amina afera ny sasany, ka raha izany fahaiza-manao izany angamba no ampiharina amin’ny fampandrosoana mety handroso ihany isika. Mba rahoviana re ireny no mba ho lasa tena fitaratra amin’ny zavatra tsara sy mendrika fa tsy dia amin’ny resaka afera maloto tahaka izao hatrany e ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana