Dans la mme rubrique

Fifidianana teto Madagasikara Eny anivon`ny birao fandatsaham-bato no olana hatrizay

20/09/2018

Mpikambana 257 avy amin`ny rantsamangaika eo amin`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) isam-paritra no manaraka ny fiofanana ho an`ny mpampiofana etsy amin`ny Carlton Anosy.

Fifidianana teto Madagasikara Eny anivon`ny birao fandatsaham-bato no olana hatrizay

Hamaky ny tohiny...

Kandida hiantehitra amin’ny hala-bato Hahita raharaha amin’ny sehatra iraisam-pirenena

20/09/2018

Samy manana ny paikadiny ny kandida filoham-pirenena. Mikofokofoka mafy mihitsy saingy iray ihany no hipetraka eo amin’ny toerana faratampony.

Kandida hiantehitra amin’ny hala-bato Hahita raharaha amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Boky mikasika an-dRajoelina Mifangaro amin’ny bokin-jaza

20/09/2018

Saika ireo bokin-tsariitatra sy tantara an-tsary avokoa no manodidina ilay boky hitantaran’ny filohan’ny tetezamita teo aloha,

Boky mikasika an-dRajoelina Mifangaro amin’ny bokin-jaza

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Za’Gasy Ho fantatra rahampitso zoma izay kandidà hotohanany

20/09/2018

« Rodoben’ny Zay Gasy Sahy Mandroso » no hoentin’ny fikambanana Za’Gasy tarihin-dRatiarison Jean Navandahy manamarika ny tsingerin-taona faha-2 niorenany ny zoma 22 septambra izao.

Fikambanana Za’Gasy Ho fantatra rahampitso zoma izay kandidà hotohanany

Hamaky ny tohiny...

Kandida Hery Rajaonarimampianina Tafapetraka ny Foiben-toerany eny Andraharo

20/09/2018

Tafapetraka omaly alarobia 19 septambra ny birao vaovao dia ny « QG » na Foiben-toeran’ny Kandida laharana faha-12 Hery Rajaonarimampianina eny Andraharo.

Kandida Hery Rajaonarimampianina Tafapetraka ny Foiben-toerany eny Andraharo

Hamaky ny tohiny...

Kandida filoha 36 Omen’ny fanjakana mpiambina manokana

20/09/2018

Hisy ny fanetsehana mpitandro filaminana hitandro sy hiaro ny ain’ireo kandida miisa 36 mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena raha ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly, ka afaka mangataka izany izy ireo.

Kandida filoha 36 Omen’ny fanjakana mpiambina manokana

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Hitantana ho amin’ny ho avy mamiratra

20/09/2018

Samy milaza azy ho zavatra ny kandida rehetra amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena eo.

Marc Ravalomanana Hitantana ho amin’ny ho avy mamiratra

Hamaky ny tohiny...


Politique

Filaminana na fikorontanan’ny firenena Any amin’ny parlemanta ny baolina

09/03/2018

Hiditra amin’ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana faharoa haharitra 12 andro indray ny parlemanta manomboka rahampitso 10 martsa 2018. Volavolan-dalàna 12 no hodinihina, ka anisan’ny goavana amin’izany ny tolo-dalàna fehizoro momba ny fifidianana.

Betsaka ny andininy miteraka adihevitra. Tsy fantatra ihany koa na ireo efa naparitaky ny fiadidian’ny primatiora tokoa no ho tonga any amin’ny parlemanta. Nisy volavolan-dalàna hafa niparitaka sy efa tonga tany amin’ny haino aman-jery sasany mantsy, ka nisongadina tamin’izany ny fiverenan’ny filoha amin’ny toerany, raha tsy lany hiatrika ny fihodinana faharoa. Miteraka adihevitra ny resaka raharaham-pitsarana sy ara-ketra, izay mason-tsivana hahafaha-mirotsaka. Tsikaritra ho misy ny hevitra ambadika hamotehina olona manokana, toa an’i Marc Ravalomanana, izay henjehina ara-pitsarana noho ny raharaha 7 febroary 2009 sy hamoronana dosie ho tsy nahaloa hetra. Hatreto aloha mbola madio ny “casier judiciaire” na ny taratasy firaketana ara-tsazy ho azy, saingy mora amin’ny fanjakana ny mikitika izany. Maro ireo zavatra mila jerena, toy ny fampihavanam-pirenena, ny tondrozotra nenti-nandamina ny krizy efa navadika ho lalàna, izay mety hisy fifanipahana amin’ity lalàm-pifidianana ity. Eo ihany koa ilay fandrarana ny kandida tsy miankina fa tsy maintsy atolotry ny antoko. Tsy maintsy manangona soniana olom-boafidy (mpanolotsaina monisipaly, ben’ny tanàna, solombavambahoaka, loholona,…) hankato miisa 150, vao  afaka manao kandida filoha ireo tsy manana antoko. Soniana olom-boafidy 10 ao amin’ilay distrika kosa raha hirotsaka ho solombavambahoaka. Maro ny adihevitra mikasika ireny rehetra ireny, izay mety ho fanarian-jo ankitsirano ny olom-pirenena. Fandaminana no katsahina, kanefa ahiana hiteraka korontana eto amin’ny firenena ny tsirambina na fanekena be fahatany, izay voasoratra. Any amin’ny parlemanta izany izao ny baolina hampilamina na hampikorontana ny firenena hatreto satria tsy hisy hanaiky verezin-jo izany eto !

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana