Dans la męme rubrique

TRANO NIRODANA TENY MAHAMASINA

22/02/2018

Trano biriky iray no nianjera tetsy Mahamasina akaikin'ny Saint Joseph omaly tamin'ny 11 ora.

TRANO NIRODANA TENY MAHAMASINA

Hamaky ny tohiny...

Tenis Atp tany Rotterdam

19/02/2018

Lasa laharana voalohany eran-tany indray i Roger Federer taorian’ny nandreseny an’i Grigor Dimitrov (6-2, 6-2) tamin’ny famaranana ny « tournoi ATP Rotterdam » notontosaina omaly alahady 18 febroary 2018. Fandresena faha-97 azon’ny lehilahy nandritra ny nilalaovany tenisy avo lenta ity azony ity.

Tenis Atp tany Rotterdam

Hamaky ny tohiny...

BOKIM-PIANAKAVIANA

14/02/2018

Kely sisa dia ho lany ireo tahirina bokim-pianakaviana sy taratasy fanaovana kopia mari-pahaterahana eny anivon’ireo Boriborintany enina eto an-drenivohitra.

BOKIM-PIANAKAVIANA

Hamaky ny tohiny...

TRANGAM-PIARAHAMONINA

13/02/2018

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Kasoandray Sambava, ny sabotsy teo. Renim-pianakaviana iray mpivarotra trondro ao an-tampon-tanĂ na no nisy nanolana ary novonoina avy eo.

TRANGAM-PIARAHAMONINA

Hamaky ny tohiny...

SOA RADIO

10/02/2018

Nisy namaky ny trano izay hitoeran’ny Soa Radio 96.8 ny alin’ny alakamisy teo.

SOA RADIO

Hamaky ny tohiny...

AIR MADAGASCAR

09/02/2018

Fiaramanidina dimy amin’ny folo eo anivon’ny orinasa Air Madagascar amin’izao no afaka miasa ara-dalàna, araka ny fanambaran’ny tale jeneraliny omaly. Simba avokoa ireo dimy ambiny ireo, antony tsy hahavitan’ny Airmad ny asa tokony hotanterahiny toy ny mahazatra isan’andro. Hidirana fatiantoka tanteraka araka izany ity orinasa iray ity.

AIR MADAGASCAR

Hamaky ny tohiny...

ANTETEZANA AFOVOANY

08/02/2018

Notokanana omaly ny “Centre Ilaiko” etsy Antetezana Afovoany, Boriborintany I. Toerana fandraisana ireo olona manana fitarainana noho ny herisetra na ny tsy fananan’asa izy io hiarahan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana Croix rouge Malagasy ary ny Croix rouge Danoise. Ny kaominina no nanome ny tany, raha ny fikambanana Croix rouge roa tonta kosa no nanome sy niantoka ny fananganana ny fotodrafitrasa.

ANTETEZANA AFOVOANY

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FAHITANA FATIM-BEHIVAVY

12/02/2018

Fatina vehivavy iray tokony ho 32 taona no hita tany Ambatolampy ny faran’ny herinandro teo, kanefa tsy fantatra izay havany.

Efa manomboka simba ny razana, indrindra eo amin’ny faritry ny vavany, izay mamoaka zavatra hafahafa. Napetraka tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly any an-toerana io razana io. 

AMPANJAKA NODIMANDRY

Nodimandry tamin’ny alarobia 7 febroary teo tao Belo Tsiribihina teo amin’ny faha-81 taonany ny mpanjakavavin’ny foko Sakalavan’i Menabe, Kamamy Georgette. Tonga tany an-toerana moa ny iraka avy eo anivon’ny fitondram-panjakana notarihin'ny Talen'ny kabinetran'ny Filoha, Eric Randrasana ny sabotsy teo nitondra ny teny fampiononana ho an’ny foko iray manontolo sy ny fianakavian’ny mpanjaka. Ity mpanjakavavy ity, raha ny fanazavana, no mpitana ny fomban-drazana Sakalavan’i Menabe fony fahavelony. Ny zoma 16 febroary izao no hanatontosana ny fombafomba rehetra amin’ny fanafenana ny masina. 

FAKANA AN-KERINY

Avo lenta loatra ny sehatra misy ny fakàna an-keriny ny teratany karàna eto Madagasikara. Raha tsy fepetra avo lenta no raisina entina manohitra izany dia ho sasa-poana ny famongorana azy. Ireo fianakaviana izay tsy manaiky fiaraha-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana mihitsy no mahatonga ny fakàna an-keriny mbola mirongatra hatramin’izao, hoy i Seth Andriamarohasina, mpikamban’ny CNIDH.

ZAZA VERY KA HITA INDRAY

Very teo amin'ny manodidina ny EKAR katolika Faravohitra ny tovolahy kely roa antsoina hoe Fifaliana sy Iedena. Avy nianatra katesizy izy mirahalahy kely omaly maraina no niandry ny zokiny teo ivelany ka nisy ramatoa voalaza fa nitondra azy. Hita teny amin'ny manodidina ny La city Ivandry izy ireo tokony ho tamin' ny 5 ora sy sasany hariva teo. Nisy zandary roalahy nampandre ny rainy raha nahita ny filazana nisy tamin' ny tambajotran-tserasera facebook.

ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Efa manomboka misy vokany amin’izay ny fanadihadian’ny zandary momba ny fakàna an-keriny ary nanamora izany ny fametrahana ilay komity iraisan’ny zandary, polisy ary fitsarana. Na izany aza dia olana hatrany ny tsy faneken’ny karàna izay mivondrona eo anivon’ny Cfoim ka mahasarotra ny fanadihadiana, hoy ny talen’ny sampana fanadihadiana, ny Jeneraly Mosesy.

FAKANA AN-KERINY SY MPANAO POLITIKA

Tsy misy hidiran’ny mpanao politika mihitsy, indrindra fa ny mpanohitra, ny fakàna an-keriny. Vola an-tapitrisa Euros no lalaovina ary tsy maintsy olona manana kaonty any ivelany no atidoha mikotrika izany. Ny mpitandro ny filaminana no mila omena fitaovana bebe kokoa ary koa ny olona eny anivon’ny fokontany dia mila entanina mba hanome tanana amin’ny angom-baovao, raha araka ny fijerin’ny solombavambahoaka Brunelle Razafitsiandraofa.

TRAKTA AO ANTSIRABE

Misy trakta miely ao Antsirabe ary manainga ny olona mba hitokona ho  fisintonana ny lakolosy fanairana. Tao anatin’izany trakta izany ihany no nahitana fa tsy firaharahian’ny tompon’andraiki-pahefana ny hetahetan’ny olona na dia efa nampitaina mivantana tamin’ny antanatohatra rehetra aza izany, no anton’ilay fikasana hitokona. Ny mponin’i Mahazoarivo Antsirabe no tena nentanin’ilay trakta niely.

MPITANDRO FILAMINANA
Tsy mandray ny andraikiny mihitsy ny mpitandro ny filaminana fa dia mandany ny volan’ny vahoaka fotsiny. Tokony halalahana ny fahazoana mitondra basy ho an’ny olon-tsotra, amin’izay ny rehetra no misahana ny fiarovan-tenany fa tsy hiantehitra amin’ny mpitandro ny filaminana hatrany, ireo farany izay efa tsy mahavita ny asany intsony. Fanehoan-kevitri’i Paolo Raholinarivo, mpanolotsain’ny Praiministra izany.

FITANTANAM-BOLA BARANAHINY
Lany henatra tanteraka ny fanjakana noho ny fibaribarin’ny endriky ny baranahiny amin’ny fitantanam-bola eto amintsika. Namoahana baiko ny mpiasam-panjakana izay miasa eo anivon’ny minisiteran’ny fitantanam-bolam-panjakana ny mba tsy hamoaka ny tsiambaratelon’ny asa izay kirakirain’izy ireo ary raha misy ny mifanohitra amin’izany dia hitranga ny fanenjehana ny tompon’andraikitra. Anisan’ny fahavalon’ity fitondrana ity ny atao hoe mangarahara.

DISO TSIPELIN’NY PREZIDANSA


Feno tsipelina diso ny fampitam-baovaon’ny prezidansa omaly. Hatramin’ny anaran’ny departemanta nandefa izany aza dia diso koa.
Raha tokony ho « direction de la communication » dia lasa « direCON de la communication ». Endriky ny tsy fahamatorana eo anivon’ny fitondrana izany satria ny serasera dia entina hanatsarana ny sarin’ny mpitondra ary toe-javatra kely toy izao dia manome endrika ratsy sy tsy fahamatorana amin’ny asa ao Iavoloha. Tsy voalohany izao tranga izao fa efa matetika.

BC ANOSY
Tazonina ao amin’ny polisin’ny BC Anosy ireo olona fito izay niray tsikombakomba tamin’ny halatra vatoaratra tao anatin’ny baoritra 615. Nogiazana ihany koa ny kamiao roa nampiasaina nitaterana ireo entana halatra ireo.
Tao amin’ny fitoeran’entan’ny orinasa mpamokatra izany no nivoahan’ny entana ary amin’ny alina no atao ny halatra sy ny fitaterana azy. Mety mbola hitombo ny isan’ny olona tafiditra amin’ity raharaha halatra ity.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana