Dans la mme rubrique

Valanaretina pesta Mila mailo hatrany

09/07/2018

Tonga nanome voninahitra ny fivoriana ny fanazavana ny valin’ny hetsika rehetra natao momba ny ady amin’ny pesta sy ny fanamafisana hatrany ny ady mbola atao amin’ny valanaretina, ny praiminisitra Ntsay Christian.

Valanaretina pesta Mila mailo hatrany

Hamaky ny tohiny...

Fihinanana odin-kankana Isan- telo volana ho an’ny zaza, isaky ny roa taona ho an’ny lehibe

04/07/2018

Betsaka ireo olona tsy maharaka intsony ny fotoana tokony hihinanana odin-kankana noho ny rotorotom-piainana isan’andro.

Fihinanana odin-kankana Isan- telo volana ho an’ny zaza, isaky ny roa taona ho an’ny lehibe

Hamaky ny tohiny...

Mihamahazo vahana indray ny gripa Ny hatsiaka sy ny loto no antony

02/07/2018

Mihamahazo vahana indray ny sery sy ny gripa eto an-drenivohitra. Olona maro no lasibatra tonga manatona ireny tobim-pitsaboana maro samihafa ireny, raha ny fanadihadiana natao.

Mihamahazo vahana indray ny gripa Ny hatsiaka sy ny loto no antony

Hamaky ny tohiny...

Fako eto Antananarivo Azo avadika angovo ampiasain’ny isan-tokantrano

27/06/2018

Iaraha-mahita ny loto eto Antananarivo Renivohitra sy manerana an’i Madagasikara.

Fako eto Antananarivo Azo avadika angovo ampiasain’ny isan-tokantrano

Hamaky ny tohiny...

Fanomezan-drà Ny 15 % n’ny Malagasy no afaka manao azy

15/06/2018

Tsy dia mavitrika amin’ny fanomezan-dra amin’ny ankapobeny isika eto Madagasikara. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka vaovao Atoa Rakotomalala, mbola vao ny 15 %-n’ny Malagasy no manao izany ka ny vehivavy no betsaka.

Fanomezan-drà Ny 15 % n’ny Malagasy no afaka manao azy

Hamaky ny tohiny...

Aretina Drepanocytose Ny 10 %-n’ny Malagasy no fantatra fa voany

14/06/2018

Aretina iray mahafaty ka mila fanaraha-maso akaiky ny drépanocytose. Ny 10 %-n’ny Malagasy no fantatra fa voany ankehitriny.

Aretina Drepanocytose Ny 10 %-n’ny Malagasy no fantatra fa voany

Hamaky ny tohiny...

Olona Bobo Vokatry ny tsy fahampian’ny singa mandoko ny hoditra

13/06/2018

Anisan’ny aretina iray mahazo ny olona betsaka aty amin’ny tany Afrikanina ny bobo na mivadin-koditra, anisany isika eto Madagasikara. Raha ny fanazavan’ny dokotera Ratafika, lehibena tobim-pitsaboana tsy

Olona Bobo Vokatry ny tsy fahampian’ny singa mandoko ny hoditra

Hamaky ny tohiny...


Fahasalamana

Fampiasana menaka mandry Mety hankarary, hoy ny mpitsabo

12/02/2018

Saika misafidy ny menaka mandry avokoa ny ankamaroan’ireo olona tonga mividy menaka eny an-tsena, raha ny fanadihadiana natao. Sady mora mantsy ny vidin’izy ireny amin’ny ankapobeny satria dia 4.000 Ar ny iray litatra no mitombo ihany koa rehefa hafanaina anaty lapoaly.

 

 Mitombo 800 Ar amin’io kosa ny vidin’ny menaka tsy mandry  iray litatra raha 6.000 Ar ny menaka anaty tavoahangy efa voafantina. Ireo  mpanendy mofo sy mpivarotra hani-masaka amoron-dalana no tena mampiasa  betsaka ity menaka mandry ity raha araka ny fanadihadiana natao hatrany raha efa misy mihitsy  ny orinasa manokana mpamatsy ireo mpivarotra. Mety hankarary anefa izy ireny na dia mora sy mitombo aza, hoy i dokotera Ratafika. Any amin’ny fandevonan-kanina mihitsy no mety hisy olana ka mety hivalana ilay olona. Mikasika ny menaka mandry izay hampiasaina tsy mijanona, indrindra ho an’ireo mpanendy mofo na mpanao vary amin’anana mampiasa kitoza sy saosisy dia  nomarihin’ity dokotera ity ihany koa fa mety hiteraka aretina hafa mihitsy ny fihinanana ireny karazan-tsakafo endasina amin’ny menaka mandry efa ela nanendasana tsy mitsahatra ireny. Anisan’ireny ohatra ny goitre. Anisan’ny mety hanampy ireo karazan’aretina azo vokatry ny fampiasana  ity menaka mandry ity moa ny hafanana be loatra amin’izao ka ilana fitandremana tsara, hoy hatrany ny mpitsabo.

 

Patty

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana