Dans la męme rubrique

Dian’i Didier Ratsiraka tany Rosia Misy ifandraisany amin’ny “Iles Eparses” ?

18/07/2018

Mifoha indray ny fitakiana ny “Iles Eparses” ary tsy vao ela no nisy kandidà ho filoham-pirenena iray nametraka fitoriana mitaky ny hamerenana ireo nosy Malagasy ireo an`i Madagasikara teny amin`ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana.

Dian’i Didier Ratsiraka tany Rosia Misy ifandraisany amin’ny “Iles Eparses” ?

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Olana lehibe ho an’ny fitondrana

18/07/2018

Tsikaritra ho tena olana lehibe ho an’ny fitodrana Rajaonarimampianina i Rivo Rakotovao, filohan’ny antenimierandoholona sady Filoha nasionalin’ny HVM, sokajiana ho laharana faharoa eto amin’ny firenena.

Rivo Rakotovao Olana lehibe ho an’ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

CENI Madagascar Zava-dehibe ny famolavolana sarintany

18/07/2018

Hifarana anio ny atrikasa fampiofanana niarahan`ny sampandraharahan`ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) sy ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (PNUD) mahakasika ny fanangonam-baovao amin`ny famolavolana ny voka-pifidianana. Atoa

CENI Madagascar Zava-dehibe ny famolavolana sarintany

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filoham-pirenena Misy kandida tiana hailika mafy

17/07/2018

Nivoaka iny ny fepetra henjana takiana amin’ireo kandida filoha sy ny fampitandreman’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Jean Eric Rakotoarisoa, izay tsikaritra fa Ravalomanana no mety kendrena hofinganina amin’io.

Fifidianana filoham-pirenena Misy kandida tiana hailika mafy

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra sy mpitolona Ady sarotra aravona

17/07/2018

Efa nazava hatrany am-boalohany, raha mijery ny kabarin’ny praiminisitra vaovao, Ntsay Christian, hatramin’ny nandraisany fahefana fa tsy hamaha ny olan’ireo sendika marobe “mitolona” etsy sy eroa mihitsy akory no iraka nampanaovina azy fa ny hahatanteraka fifidianana.

Mpitondra sy mpitolona Ady sarotra aravona

Hamaky ny tohiny...

Fanimbazimbana ny HCC Sinema sy fambolena gidragidra ?

17/07/2018

Tsy rony tsy ventiny teo, dia raikitra ny karazana fanenjehana ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa sy io andrim-panjakana tantaniny io, voizin’ny gazety sy haino aman-jery mpanohana fitondrana amin’izao fotoana.

Fanimbazimbana ny HCC Sinema sy fambolena gidragidra ?

Hamaky ny tohiny...

Justice et Paix sy KMF/KNOE Hitambatra hanara-maso akaiky ny fifidianana

17/07/2018

Omaly alatsinainy 16 jolay no natao tetsy amin’ny Episcopat Antanimena ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny KMF/KNOE sy ny Komisiona Episkopaly JUSTICE ET PAIX (JEP).

Justice et Paix sy KMF/KNOE Hitambatra hanara-maso akaiky ny fifidianana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Famonoana ny Kolonely Richard Ratsimandrava Mijanona ho mistery, 43 taona aty aoriana

12/02/2018

11 febroary 1975 – 11 febroary 2018. Feno 43 taona omaly alahady ny fahatsiarovana ny namonoana ny kolonely Richard Ratsimandrava.

Raha ny voarakitry ny tantara dia rehefa nahatsiaro ho tsy nahafehy ny fitondrana izay nentiny intsony ny jeneraly Gabriel Ramanantsoa rehefa avy nitondra ny tany sy ny firenena nandritry ny 3 taona dia ity minisitry ny atitany tao anatin’ny fitondrany ity no namindrany ny fahefany ny 5 febroary 1975. Nalaza tamin’izay ny hoe “Tsy hiamboho adidy aho mon general”.  6 andro taorian’izay anefa dia voalaza fa maty nisy nitifitra teo Ambohijatovo ambony ity kolonely ity. Mbola niteraka adihevitra be koa anefa io fotoana nahafatesany io satria dia misy boky mirakitra mihitsy, toy izay nosoratan’ilay siantifika frantsay, Françoise Raison Jourde fa nifamaly tao amin’ny biraon’ny jeneraly Jules Andriamahazo, izay olon’ny frantsay tamin’ny fotoan’androny, ity kolonely ity ary efa tao no maty voatifitra izy fa sinema sisa ny teny Ambohijatovo. I Zimbo sy ny ekipany no voalaza, araka ny tantara, fa nitifitra an-dRatsimandrava saingy mbola maro ny manjavozavo momba ity raharaha ity.

Tsy tian’ny frantsay

Foto-kevitra niaingana sady nibaiko ny fomba fiasany rehetra nanomboka tao amin’ny minisiteran’ny atitany ary niriany ho notohizana tao anatin’ny fotoana maha filoha azy ny hoe miainga amin’ny eny ifotony, dia ny fokonolona, ny fampandrosoana. Mba hahafahana manatanteraka izany dia napetraka teny anivon’ny fokontany nanomboka ny taona 1972 ny antsoina hoe vaomieran’ny toekarena na ny Vatoeka. Ny fokontany ihany no nitantana ny toekareny. Tsy nisy hirika nahafahana nanodinkodim-bola loatra tamin’izany fotoana, raha ny voarakitry ny tantara hatrany, ary tsy nisy hirika nahafahan’ny frantsay nanatontosa ny paikadim-panjanahana vaovaony ihany koa. Olona novolavolain’ny frantsay mantsy ny kolonely ka noheverina fa nahafantatra ny tetikasa rehetra tian’ny frantsay hotontosaina taty amin’ireo firenena nozanahany taty afrika ary dia midika ho fitsipahan-doha ny laka-nitana ny fandavan’ny kolonely Ratsimandrava ny baikon’ny Frantsay ka nandoka ireo vahiny hampanirak’olona hamono azy. Hita ho miha adino isan-taona ankehitriny ity daty manan-tantara ity ary tsy mbola nakan’ny mpitondra nifandimby lesona ihany fa lasa resaka fotsiny sisa izany hoe fanomezana sehatra ny eny ifotony izany.


Nisy, omaly maraina, ny fametrahana fehezam-boninkazo teny Ambohijatovo nataon’ny fitondram-panjakana notarihan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Xavier Beni Rasolofonirina sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Girard Andriamahavalisoa, natrehan’ny fianakavian’Itompokolahy sy ireo olo-manankaja sivily sy miaramila maro samihafa.Samy nanamafy ireo nandaha-teny omaly fa ohatra tsara alain-tahaka amin’ny resaka fitiavan-tanindrazana ny kolonely Ratsimandrava.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana