Dans la mme rubrique

Zinedine Zidane

01/06/2018

Nanambara tao anatin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny ivotoerana fanaovan’ny Real fanazaratena omaly tolakandro ilay mpanazatra Frantsay Zinedina Zidane fa nanapa-kevitra ny tsy hanazatra an’ity ekipa notantanany nanomboka tamin’ny 4 janoary 2016 ity intsony ny tenany amin’ny taom-pilalaovana ho avy izao.

Zinedine Zidane

Hamaky ny tohiny...

Mondial 2018 any Rosia

31/05/2018

Ny anaran’ireo mpilalao 25 ao amin’ny ekipam-pirenen’i Rosia mpampiantrano ny hetsika izay ao amin’ny Vondrona A miaraka amin’i Arabie Saoudite, Egypte ary Urugay no entintsika an-gazety anio. Izy no hanokatra ny fihaonana rehetra amin’ny alakamisy 14 jona izao ka hifandona amin’i Arabie Saoudite any Moscou.

Mondial 2018 any Rosia

Hamaky ny tohiny...

Giangluigi Buffon Nisintaka tanteraka

18/05/2018

Nambarany tamin’ny fomba ofisialy fa amin’ny sabotsy 19 mey 2018 amin’ny lalao hihaonan’ny Juventus Turin amin’ny ekipan’i Verone no hilalaovan’ilay mpiandry harato Italiana malaza, Giangluigi Buffon 40 taona (176 sélections ), farany ao amin’ity Italiana nilalaovany nandritra ny 17 taona ity.

Giangluigi Buffon Nisintaka tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Mangotraka ny ady ao Gaza Palestinianina 52 maty, 2000 naratra

15/05/2018

Nifanandrify indrindra tamin’ny fitokanana ny masoivohon’i Etazonia any Jerosalema omaly izay efa niteraka resabe am-bolana maro no raikitra ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny Palestinianina sy ny miaramila Israelianina.

Mangotraka ny ady ao Gaza Palestinianina 52 maty, 2000 naratra

Hamaky ny tohiny...

Neymar Jr Maniry hilalao hiaraka amin’i Cristiano Ronaldo

11/05/2018

Tamin’ny zoma 4 mey lasa teo no nitodi-doha niverina tao Paris ilay kintan’ny kitra Breziliana Neymar ary efa niatrika fanazarantena tao amin’ny « centre Ooredoo » niaraka tamin’ny ekipan’ny PSG hilalaovany ankehitriny.

Neymar Jr Maniry hilalao hiaraka amin’i Cristiano Ronaldo

Hamaky ny tohiny...

Korea Avaratra Hampitsahatra tanteraka ny fikarohana ara-nokleary

30/04/2018

Nanaiky ny hanakatona tanteraka ny toeram-pikarohana sy fanamboarana baomba nokleary i Korea Avaratra raha araka ny nambaran-dry zareo Koreanina Tatsimo omaly.

Korea Avaratra Hampitsahatra tanteraka ny fikarohana ara-nokleary

Hamaky ny tohiny...

Filoha Frantsay Mitsidika an’i Etazonia

24/04/2018

Filoha Frantsay Mitsidika an’i Etazonia

Hamaky ny tohiny...


Vaovao avy any ivelany

Korea avaratra Nankalaza ny faha 70 taonan’ny tafika

09/02/2018

Nankalaza ny faha-70 taona niorenan’ny tafika ry zareo Koreanina tavaratra omaly alakamisy 8 febroary. Nisy ny filatroan’ireo miaramila tao Pyongyang izay nahataitra ny mpanara-baovao ihany satria 1 andro alohan’ny lanonana fanokafana ny lalao olimpika any Pyeongchang any Korea Atsimo, izay toa fampisehoana hery amin’ny Amerikanina.

 Tamin’ny taona lasa ry zareo no efa niteny fa amin’ny 8 febroary 2018 ny hankalaza ity tsingerintaona ity fa tsy amin’ny 25 aprily toy ny mahazatra. Nanambara ihany koa ny tompon’andraikitra ambony iray ao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Koreanina Tavaratra Cho Yong-Sam fa tsy hisy ny fihaonana sy fifampiresahana amin’ireo tompon’andraikitr’i Etazonia mandritra ny lalao olimpika. Anio zoma 9 febroary ny lanonana fanokafana ny lalao olampika amin’ny andro mangatsika. (

Syria

Mitohy ny daroka baomba

Sivily miisa 18 farafahakeliny no maty nandritra ny fandarohana baomba ny toerana misy ireo mpihoko any atsinanan’i Damas izay nataon’ny tafika ana habakabaka Syrianina omaly alakamisy ka ankizy ny 2 tamin’ireo, ary nandratrana olona am-polony maro. 4 andro izay ny tafika ana habakabaka Syrianina no nanao ny fanafihana ka sivily miisa 167 no maty ary tanàna 6 misy ireo mpihoko no efa ravaravan’ny daroka baomba. Ny tanànan’i Jisrine izao dia sivily 8 no maty. Ny fandarohana tamin’ny talata no tena mavesatra indrindra satria dia sivily 80 no maty tao anatin’ny 1 andro, hoy ny mpanara-maso ny zon’olombelona Syrianina

 Tra-pahavoazana noho ny ady tany Alzeria

 Hahazo vola fisotroan-dronono

Nivoaka nandritra ny fivorian’ny filankevitra momba ny lalàmpanorenana any Frantsa ny alakamisy teo ny lalàna fa mahazo fisotroan-dronono ireo olona tra-pahavoazana nandritra ny ady tany Alzeria na frantsay na olona amin’ny firenena hafa mipetraka any frantsa. Talohan’ity fanapahan-kevitra ity dia ireo olona mizaka ny zom-pirenena frantsay voakasiky ny ady tany Alzeria ihany no mahazo fisotroan-dronono. Noraisina moa ny fanapahan-kevitra mba hitovian’ny zo ary mitovy ny olona rehetra eo anatrehan’ny lalàna.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana