Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tetibolan’ny fifidianana Efa am-pelatanan’ny CENI ny antsasany

09/02/2018

Ny tetiandrom-pifidianana tsy mety mivoaka, ny fe-potoana nomena nanamarinana ny anaran’ireo mpifidy tao anaty lisitra tery dia tery. Hatreto koa dia tsy fantatra mazava hoe ohatrinona marina ny tetibola efa eo am-pelatanan’ny vaomiera mahaleontena misahana ny fifidianana hiatrehana izany marina.

Efa tamin’ny jolay 2017 no fantatra fa 40 miliara ariary no natokan’ny fitondram-panjakana hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity. Ampy io, hoy ny filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana, tamin’izay fotoana izay. Ilay antsoina hoe “Basket found” ao anatin’ny tetikasa Sacem kosa dia natao hiatrehana ny hatramin’ny herintaona, hoy ity filoha ity, omaly, nanazava tamin’ny antso an-tariby. Efa ny antsasak’io no eo an-tanana amin’izao fotoana izao raha mbola miandry ny tetibolam-panjakana kosa ny mikasika ny fanampian’ny fanjakana. Raha tsiahivina dia nampanantena 300.000 euros na 1 176 000 000 ariary ny frantsay raha 12 tapitrisa dolara na 38 340 000 000 ariary  kosa ny PNUD. Tsy nilaza tarehimarika mazava kosa anefa ny filohan’ny CENI fa dia hoe efa tonga ny antsasany. Tsy ho ory ara-bola tahaka ny teo aloha intsony isika, hoy ny filohan’ny CENI, fa ny eo amin’ny fanatanterahana izao no mametraka olana.


J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana