Dans la mme rubrique

Groupe Vidy Varotra Hanitatra ny orinasany any Afrika

20/04/2018

Nankalazaina teny amin’ny hotely Carlton Anosy tamin’ny fomba manetriketrika, izay nafanain’I Bodo sy Rija Ramanantoanina, ny Tambour Gasy ary ny tarika mpanao soradia Dih’vin ny alarobia 18 aprily lasa teo ny faha 15 taonan’ny gazety Vidy Varotra; orinasa Malagasy, manao loha laharana ny foto-kevi-dehibe 4, dia ny asa fanaovan-gazety sy ny haino aman-jery, ny fanabeazana, ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana ary ny fisokafana amin’ny any ivelany ny “Groupe Vidy Varotra”.

Groupe Vidy Varotra Hanitatra ny orinasany any Afrika

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasa amin’ny FAO Tombony ho an’ny tontolo ambanivohitra

20/04/2018

Omaly no natao tetsy amin’ny Hotel Carlton ny hetsika fampahafantarana sy fanaovan-tsonia ny tahirin-kevitra CPP (Cadre de Programation de Pays) momba ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny FAO (sampan-draharahan’ny firenena mikambana momba ny sakafo) manomboka ny taona 2018 hatramin’ny 2021.

Fiaraha-miasa amin’ny FAO Tombony ho an’ny tontolo ambanivohitra

Hamaky ny tohiny...

Salon HR TROPHY Hanampy ny tanora mba hanana asa mendrika

20/04/2018

Nosokafana tamim-pomba ôfisialy omaly etsy amin’ny garan’i Soarano hifarana anio zoma 20 Aprily ilay Salon HR Trophy andiany karakarain’ny World Trade Center sy ny “syndicat autonome des inspecteurs de travail” .

Salon HR TROPHY Hanampy ny tanora mba hanana asa mendrika

Hamaky ny tohiny...

Kaontenera 1000 mihitsoka ao Toamasina Efa mamoaka fofona ireo vary lo

20/04/2018

Nitsidika an’i Toamasina ny alarobia tapak’andro maraina ny praiminisitra niaraka tamin’ireo minisitry ny vola sy teti-bola, ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana, ny minisitry ny fitaterana, notronin’ireo mpandraharaha sy ny mpitatitra ary ny ekipan’ny lehiben’ny faritra atsinanana.

Kaontenera 1000 mihitsoka ao Toamasina Efa mamoaka fofona ireo vary lo

Hamaky ny tohiny...

Fanajariana ny tany eny Ampitatafika Antoky ny fampandrosoana ny kaominina

20/04/2018

Nankatoavin`ny Fanjakana Malagasy, araka ny didim-panjakana nivoaka teo anivon`ny Filan-kevitry ny ministra ny alarobia 18 Aprily lasa teo, ny drafitra hanajarian`ny Tany na Plan d`Urbanisme de Détail (PUDé) ho an`ny lemaka ao amin`ny Kaominina Ampitatafika.

Fanajariana ny tany eny Ampitatafika Antoky ny fampandrosoana ny kaominina

Hamaky ny tohiny...

Ministeran’ny asa vaventy Fividianana fiara “4x4” miisa 25 ve no tena laharampahamehana

20/04/2018

Nanolotra fiara miisa 25 ho an'ny Ministeran'ny Asa Vaventy ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly maraina teny.

Ministeran’ny asa vaventy Fividianana fiara “4x4” miisa 25 ve no tena laharampahamehana

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy ny Katolika Vaky tanteraka ny ady?

19/04/2018

Tsapa ho tratry ny antsojain’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny fiangonana katolika, raha dinihina ny zava-niseho tato ho ato, izay toa manamafy ny efa nisy tany aloha. Mahatsapa ho tsy mahazo rirany amin’ity fiangonan-dehibe ity angamba ny fanjakana, ka toa miseho ny endrika antsojay na filam-baniny samihafa mivantana na ankolaka.

Fanjakana sy ny Katolika Vaky tanteraka ny ady?

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Faha 5 taonan’ny Trass Hampiara-peo i Fanja Andriamanantena sy Rija Ramanantoanina

12/01/2018

Ao anatin’ny fankalazana ny faha 5 taonan’ny toeram-pisakafoana sy filanonana Trass etsy Tsiadana dia seho miavaka iarahana amin’i Fanja Andriamanantena sy Rija Ramanantoanina no hanombohana izany anio manomboka amin’ny 9 ora alina.

Hatomboka am-pamendrehana, hoy ny mpikarakara ny fankalazana ary aleo ireo efa andrarezina toy ireto mpanatalenta 2 ireto no hanao vakilay amin’izany. Hanotrona azy ireo moa ireo andrarezina amin’ny fitendrena toa an-dry Sammy Andriamanoro, Roger Zafera ary Nali Rabarison. Toerana iray izay azo lazaina ho efa lasa zary ambohipihaonan’ny mpanao gazety isaky ny misy hetsika sy fankalazana ity asa masina ity tato ho ato ny eny Tsiadana.

J. Mirija


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana