Politique
Razafitrimo Arisoa Lala Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara any amin’ny ONU
12/01/2018
Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny firenena mikambana (ONU) any New York – Etazonia araka ny didy navoakan’ny filankevitry ny minisitra omaly Ramatoa Razafitrimo Arisoa Lala.
Izy no minisitry ny raharaham-bahiny voalohany ho an’ny fitondrana Rajaonarimampianina (2014-2015) fantatry ny maro tamin’ilay fehezanteny hoe “ na hitomany eo aza ianareo dia tsy hiteny aho”. Izay no valin-teniny ny volana aogositra 2014 raha nanontanian’ny mpanao gazety ny heviny momba ilay fehin-kevitry ny SADC mahakasika ny fodian’ireo sesitany politika ny tenany. Nisaorana izy avy eo ary nosoloina an’i Atallah Béatrice. Tsikaritra anefa fa hita teo akaikin’ny filoham-pirenena izy nanomboka ny septambra 2017 ka anisan’ireo delegasionina niatrika ny fivoriambe faha-72 an’ny firenena mikambana tany New York ny septambra 2017. Fantatra fa anisan’ireo olona tena atokisan’i Hery Rajaonarimampianina Ramatoa Razafitrimo Arisoa Lala. Fa voatendry ho talen’ny kabinetra sivilin’ny filoham-pirenena ihany koa Atoa Randrasana Eric Jean Noel hisolo toerana an-dRamatoa Razafindrakoto Herisoa. Mpikambana teo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa Jirama Randrasana Eric, mpahay toekarena, olona novolavolain’ny oniversiten’Antananarivo ary anisan’ireo nanovo fianarana teo anivon’ny INSCAE tahaka ny ankamaroan’ireo teknisianina sy manampahefana ao anatin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, mialoha izao nidirany ny lapa izao.
RTT