Fampianarana
SECES Antananarivo Mpikambana 3 mpamadika tolona nesorina
12/01/2018
Manamafy ny fitakiana efa tapaka ny 21 desambra 2017 teo ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra na ny SECES, Sampana Antananarivo, izay nanao fivoriambe tao amin’ny Amphi 10,
Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra sy ny Siansa Maha olona omaly. Voalohany amin’ny ampahany, mialoha ny faran’ny taona 2017 ny tambin-karama ho an’ireo “retraités cherceheurs” izay tokony ho efa naloa nanomboka ny volana janoary 2016, fitazonana ho 125 ora “ny obligations de services” isan-taona ho an’ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra, tahaka ny efa nisy nanomboka ny taona 2005 no ho mankaty, indrindra ny fandoavana ny ora fanampiny 2015-2016 mialoha ny faran’ny taona 2017, izay tsy nisy tanteraky ny fanjakana. Nisy ny fihaonan’ny SECES Sampana Antananarivo tamin’ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny fampianarana ambony ny 8 janoary teo, ary nisongadina tao ny fitohizan’ny fifampidinihana, izay tsy nisy vokany azo tsapain-tanana sady tsy mamaly ny fitakiana voalaza etsy ambony. Tapaka nandritra ny fivoriambe omaly fa hamafisina amin’ny alalan’ny fanohizana ny fampiatoana ny asa fampianarana sy fikarohana ny fitakiana. Mety hiafara amin’ny tsy famoahana ny voka-panadinana na ilay antsoina hoe “gel des résultats” izany, raha tsy misy valiny azo tsapain-tanana sy mahafa-po. Nandritra ny fivoriana ihany koa dia nisy ny fampiatoana olona vitsivitsy tsy ho mpikambana ao anatin’ny SECES, ka tamin’ny alalan’ny latsa-bato miafina no nanaovana azy. Nivoaka taorian’izay ny fanapahana manala an’Atoa Dimby Ralambomanana, Rivoarison Randrianasolo, Bruno Randrianomanana, tsy ho anisan’ny mpikamban’ny SECES intsony mandra-pisian’ny fanapahan-kevitra mifandraika amin’izany. Fihetsika tsy mendrika sy famadihana ny sendika tamin’ny endriny mivantana sy ankolaka, famerimberenana fahadisoana tsy fampiseho masoandro ary tsy fanajana sata sy fitsipika anatiny izay mamotika ny fiandrianan’ny mpampianatra mpikaroka no antony. Mpifidy 159 tamin’ireo 173 no nandany ny fanalana azy ireo tamin’ny alalan’ny latsa-bato miafina. Noraisina izao fanapahan-kevitra izao mba ho fitandroana toy ny anakandriamaso ny firaisankina sy ny fiandrianan’ny SECES, hoy ny fanambarana nosoniavin’ny filohan’ny SECES Sampana Antananarivo Pr Ravelonirina Sammy Grégoire. Nambarany moa fa mba ho fitsinjovana ireo mpianatra dia tsy mampaninona ny mampanao fanadinana. Hita ho tena nafana ny adihevitra teny Ankatso omaly.
Toky R