Dans la mme rubrique

Fifidianana Depiote Toamasina I Tsara toerana ny kandidan’ny TIMK25

22/05/2019

Mitohy ny fitsidiham-paritra sy fampielezan-kevitra ataon’i Marc Ravalomanana, ka toerana maro no nandehanany ny fiandohan’ny herinandro teo, toa an’i Tsiroanomandidy, Mahavelona, Mahasolo, Ankadinondry Sakay, …

Fifidianana Depiote Toamasina I Tsara toerana ny kandidan’ny TIMK25

Hamaky ny tohiny...

Tiako i Madagasikara Hitory an-dRajoelina…

22/05/2019

Miandry izay ho fihetsiky ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny Antoko Tiako I Madagasikara manoloana ny propagandy ankolaka ataon’ny filoha manohana ny kandidan’ny IRD.

Tiako i Madagasikara Hitory an-dRajoelina…

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Nandika lalàna fanindroany…

22/05/2019

Mazava ny zava-misy fa tsy mahatoky tena i Andry Rajoelina sy ny kandida depioten’ny IRD ka manomboka manararao-pahefana sy mitady ny hevitra rehetra hibatana ny fandresena.

Andry Rajoelina Nandika lalàna fanindroany…

Hamaky ny tohiny...

Filoha sy Praiminisitra Anaty ady mangatsiaka ?

22/05/2019

Ireo toerana hitany fa tena malemy na mety ho resy ny kandidany no hanaovan’i Andry Rajoelina propagandy an-kolaka, toy ny tao Tsiroanomandidy sokajiana ho tokotanin’ny TIM.

Filoha sy Praiminisitra Anaty ady mangatsiaka ?

Hamaky ny tohiny...

Fandikan-dalàna anaty fifidianana Miandry ny CENI sy HCC hihetsika

22/05/2019

Ny 17 mey teo no nanamarika ireo komity mpanara-maso ny sata mifehy ireo kandida ho depiote nampanao sonia ilay antsoina hoe “Toky nomena”

Fandikan-dalàna anaty fifidianana Miandry ny CENI sy HCC hihetsika

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana solombavambahoaka Nanome 474 tapitrisa ariary ny CENI i Japon

21/05/2019

474 tapitrisa ariary ny tetibola natokan’ny fanjakana Japoney amin’ny tetikasa iray hanampiana ara-pitaovana ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) mba ho fanampiana azy amin’ny fikarakarana ny fifidianana.

Fifidianana solombavambahoaka Nanome 474 tapitrisa ariary ny CENI i Japon

Hamaky ny tohiny...

Firafitry ny Antenimieram-pirenena Ireo endrika 4 mety hitranga

21/05/2019

Mbola baraingo ny mety ho endriky ny Antenimieram-pirenena aorian`ny fifidianana.

Firafitry ny Antenimieram-pirenena Ireo endrika 4 mety hitranga

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina Manomboka ny pi-maso

02/01/2018

Migadona ny taona 2018, ka dia nanao fanambarana mifandraika amin’izany i Andry Rajoelina, Filohan’ny tetezamita teo aloha omaly 01 janoary. Misaotra an’Andriamanitra isika nanome tonon’andro antsika ka nahatrarana izao taona vaovao 2018. Arahabaina samy tra-pamonjena sy nombam-pitahiana, ka indro tratra ity anio ity. Koa tolorako ny arahaba feno firaraiantsoa ny tokantrano rehetra tsy an-kanavaka samy tratra ny asaramanitra, hoy ny Filohan’ny tetezamita teo aloha nandritra ny firariantsoa nataony omaly noho ny fahatrarana ny taona 2018. Indro migadona ary ity taona vaovao ity 2018, handrandraina hitondra fanantenana, ary hantenaintsika ihany koa fa hitondra fahombiazana, hanehoantsika rehetra tsy ankanavaka ny firaisam-po ary indrindra ny firaisan-kiana, hoy izy.

Hitondra fahasalamana feno ho an’ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy anie ity taona ity, ary indrindra mba hahafahantsika manatanteraka ireo adidy masina rehetra miandry intsika  amin’izany taona vaovao izany. Ny faniriako dia ny mba hirotsaka eo anivon’ny tokantrano tsirairay avy anie ny fahasoavan’Andriamanitra, hoy hatrany ny Filohan’ny tetezamita teo aloha. Iny izany ny resaka sy fanambarana voalohany nataon’i Andry Rajoelina, izay tsy dia re feo na zara raha mipoitra tao anatin’ny fotoana maharitra. Izy rahateo tsy dia mipetraka firy sy miara-miaina amin’ny Malagasy eto eto an-tanindrazana. Vao miresaka ny taona 2018, dia ny tontolon’ny fifidianana avy hatrany no tonga ao an-tsain’ny isam-batan’olona, raha ny tontolo politika no asian-teny. Firarian-tsoa toa ny firarian-tsoa rehetra ve ny an’ny filohan’ny Tetezamita sa kosa efa fanehoana fa efa eto ny tenany sy vonona hiatrika ny raharaham-pirenena ho an’ny taona 2018 ? Tsy hay aloha izay ho tohiny fa dia miandry ny rehetra hoe hiditra lalina amin’izay ve ny tenany sa nanao pi-maso fotsiny, dia handeha sy hangina tanteraka any amin’izay misy azy any ihany ? Nitory ny firaisan-kiana sy ny firaisam-po ho an’ny rehetra tsy ankanavaka ihany koa ny tenany, ka dia tsy hay aloha na mba vonona hanolo-tànana ho an’ny Malagasy mpiray tanindrazana amin’ny tena amin’izay na kosa mbola hanabe voho ny an’ny vahiny satria iaraha-mahalala, fa mampiasa volabe amin’ny alalan’ny fananganana orinasa any ivelany ny tenany. Tsy atao am-bava fotsiny ilay hoe: “ny fitiavana no lehibe indrindra”, fa mila aseho amin’ny fihetsika sy ny fomba fiaina izany. Raha atao bango tokana dia te haneho sy hanaporofo fa tia sy maniry ny Malagasy hanana fiainana tsara kokoa i Andry Rajoelina, saingy zava-dehibe tokony hataony voalohany dia ny fiheken-keloka sy ny fifonana amin’ny vahoaka Malagasy satria tsy afa-bela sy tompon’andraikitra amin’izao fahantrana lalina izao izy.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana