Dans la mme rubrique

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

17/05/2019

Ny fanaovana fampihavanam-pirenena, hoy ny filohan’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy, Maka Alphonse, dia tsy midika fa tsy tokony hisy ny tsimatimanota.

Komitin’ny Fampihavanana Malagasy “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny fitsarana !”

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

17/05/2019

Firenena tsy afa-miala amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy i Madagasikara, raha ny fandravonana ny famelabelaran-kevitra narahana adihevitra notontosain’ny rafitra alemanina FES tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Tsy afa-misaraka amin’ny fitantanam-bola ara-demokratika”

Hamaky ny tohiny...

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

17/05/2019

Tany Frantsa no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny vinanasan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina na ny IEM.

Fitiavan-tanindrazan-dRajoelina Mampametra-panontaniana

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

16/05/2019

Avy nitety an’i Madagasikara : Atsimo Andrefana, Morondava, Belo Tsiribihina, Toliara, Fianarantsoa, Ambatondrazaka,… i Marc Ravalomanana.

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

16/05/2019

Toe-javatra maneho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny fanendrena amina toerana ambony an’i Boudi Serdos Olivier ho kandida mpisolo toerana an’Atoa Jocelyne Rahelihanta,

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

Hamaky ny tohiny...

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

14/05/2019

Manao sotasota sy antsojay ireo kandidam-panjakana. Zavatra misy ary hitanay izany satria nahatety faritra maro izahay, toa an’i Toliara, Menabe, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM Olga Ramalason.

Olga Ramalason “Misotasota ireo kandidam-panjakana”

Hamaky ny tohiny...

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

14/05/2019

Ankoatra ny fanateram-boninkazo notontosain’izy ireo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely mba ho fahatsiarovana ireo maherifon’ny taona 1972 dia nanokana fotoana hitafana tamin’ny

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana Ketrehana mafy ny hisamborana azy

02/01/2018

Nanamafy omaly alatsinainy nandritra ny lanonana noho ny asaramanitry ny taom-baovao niarahany tamin’ireo fianakaviany, mpiara-miasa akaiky aminy, tapaka sy namana tsy mahafoy azy teny Faravohitra i Marc Ravalomanana fa kandida filoham-pirenena ary tsy hampihemotra azy mihitsy ny fandrahonana atao aminy.Ajoro ihany koa ny Komity manohana an’i Marc Ravalomanana (KMMR) ary vonona ny tenany hiara-kiasa amin’ny fikambanana na antoko politika manana vina mitovy aminy sy tena vonona amin’ny fanarenana ny firenena.

Mijoro ho kandidan’ny Malagasy, kandidan’ny Fampihavanana i Marc Ravalomanana.Ny fifampiresahana ihany no ahitana vahaolana, hoy izy ary ambony noho ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ny fifanarahana politika . Tsy maintsy miasa miaraka isika ho amin’ny fanarenana ny firenena , hoy izy, tsy maintsy miray hina satria ny mitabe tsy lanin’ny mamba.Misy antony matoa mamerimberina i Marc Ravalomanana hoe : « tsy hihemotra manoloana ny fandrahonana »… Re tokoa mantsy fa misy efa miketrika sy mikaroka ny fomba hisamborana azy indray any ambadimbadika any, ka tafiditra ao anatin’ny paikady amin’izany ny fikitikitihana ny raharaha 7 febroary 2009; mazava ho azy fa tsy maintsy ny manana fahefana izany hoe  ny fitondram-panjakana no hanao izany fa tsy olon-kafa tsy akory. Fantatra fa tena tsy nahafaly ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny HVM sy ny fitondram-panjakana ao ny fanambarana matetika ataon’ity filoha teo aloha ity izay mahitsy sy mazava tsara ary feno fahasahiana milaza ny tsy mety eo amin’ny fitantanana ny firenena. Tsy mijanona amin’ny fanakianana na fanairana fotsiny anefa i Marc Ravalomanana fa mikaroka ary manana vahaolana ka izay no anton’ilay filatsahan-kofidiana. Tsy afaka ny hitazam-potsiny ny fanapotehana an’i Madagasikara aho, hoy izy ary ny andro iainako sisa rehetra dia atokako hanasoavana ny fireneko sy ny mpiray tanindrazana amiko.Efa tsinjon’ny mpitondra ankehitriny fa matanjaka amin’ny lafiny rehetra i Marc Ravalomanana ka hany sisa hery dia ny fandrahonana na ny fanagadrana azy. Tsy vao omaly anefa no nanao politika ity filoha teo aloha ity, ary maro no mahita fa hijabaka ny fitondrana HVM raha mikitikitika an’i Marc Ravalomanana eo satria ity farany dia efa niomana.

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana