Dans la męme rubrique

Zinedine Zidane

01/06/2018

Nanambara tao anatin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny ivotoerana fanaovan’ny Real fanazaratena omaly tolakandro ilay mpanazatra Frantsay Zinedina Zidane fa nanapa-kevitra ny tsy hanazatra an’ity ekipa notantanany nanomboka tamin’ny 4 janoary 2016 ity intsony ny tenany amin’ny taom-pilalaovana ho avy izao.

Zinedine Zidane

Hamaky ny tohiny...

Mondial 2018 any Rosia

31/05/2018

Ny anaran’ireo mpilalao 25 ao amin’ny ekipam-pirenen’i Rosia mpampiantrano ny hetsika izay ao amin’ny Vondrona A miaraka amin’i Arabie Saoudite, Egypte ary Urugay no entintsika an-gazety anio. Izy no hanokatra ny fihaonana rehetra amin’ny alakamisy 14 jona izao ka hifandona amin’i Arabie Saoudite any Moscou.

Mondial 2018 any Rosia

Hamaky ny tohiny...

Giangluigi Buffon Nisintaka tanteraka

18/05/2018

Nambarany tamin’ny fomba ofisialy fa amin’ny sabotsy 19 mey 2018 amin’ny lalao hihaonan’ny Juventus Turin amin’ny ekipan’i Verone no hilalaovan’ilay mpiandry harato Italiana malaza, Giangluigi Buffon 40 taona (176 sélections ), farany ao amin’ity Italiana nilalaovany nandritra ny 17 taona ity.

Giangluigi Buffon Nisintaka tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Mangotraka ny ady ao Gaza Palestinianina 52 maty, 2000 naratra

15/05/2018

Nifanandrify indrindra tamin’ny fitokanana ny masoivohon’i Etazonia any Jerosalema omaly izay efa niteraka resabe am-bolana maro no raikitra ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny Palestinianina sy ny miaramila Israelianina.

Mangotraka ny ady ao Gaza Palestinianina 52 maty, 2000 naratra

Hamaky ny tohiny...

Neymar Jr Maniry hilalao hiaraka amin’i Cristiano Ronaldo

11/05/2018

Tamin’ny zoma 4 mey lasa teo no nitodi-doha niverina tao Paris ilay kintan’ny kitra Breziliana Neymar ary efa niatrika fanazarantena tao amin’ny « centre Ooredoo » niaraka tamin’ny ekipan’ny PSG hilalaovany ankehitriny.

Neymar Jr Maniry hilalao hiaraka amin’i Cristiano Ronaldo

Hamaky ny tohiny...

Korea Avaratra Hampitsahatra tanteraka ny fikarohana ara-nokleary

30/04/2018

Nanaiky ny hanakatona tanteraka ny toeram-pikarohana sy fanamboarana baomba nokleary i Korea Avaratra raha araka ny nambaran-dry zareo Koreanina Tatsimo omaly.

Korea Avaratra Hampitsahatra tanteraka ny fikarohana ara-nokleary

Hamaky ny tohiny...

Filoha Frantsay Mitsidika an’i Etazonia

24/04/2018

Filoha Frantsay Mitsidika an’i Etazonia

Hamaky ny tohiny...


Vaovao avy any ivelany

SYLVESTER STALLONE Nisy nitory ho mpanolana

26/12/2017

Vehivavy iray no nametraka fitoriana amin’ny fitsarana any Santa Monica,

Californie-Etazonia mitaraina fa nanolana azy i Sylvester Stallone fantatra tamin’ny solon’anarana Rocky na Rambo, amin’ny sarimihetsika. Tany amin’ny taona 1990 no nambaran’ilay ramatoa mpitory ho nitrangan’io fanolanana io. Nanamafy ny fisian’io fitoriana io ny lietnà Saul Rodriguez, mpiaro an’i Sylvester Stallone, saingy nilaza fa rediredin’olona te halaza an-gazety fotsiny ny an’io ramatoa io.

 

CHINE

Nahavita fiaramanidina goavambe

 

Fiaramanidina miantsona ambony rano na karazan’irony “hydravion” irony izy ity, ary "Kunlong" no nataon-dry zareo Sinoa anarany. Mirefy 38 metatra ny halavany, afaka misidina mandritra ny 12 ora eny amin’ny habakabaka ary mahazaka olona 50. Natao indrindra hamonjena voina an-dranomasina ary koa hamonoana afo raha misy doro tanety ity fiaramanidina ity, ary izy no lehibe indrindra amin’ireo “hydravion” misy hatreto.

 

BILL GATES

Valo lahy no mifehy ny harena manerantany

 

Bill Gates, Armancio Ortega, Warren Buffet, Carlos Slim, Jeff Bezos, Mark Zuckerberg, Larry Ellison ary Michael Bloomberg ireo valo lahy mpanankarena indrindra manerantany. Mampiasa olona 1,2 tapitrisa ny orinasan’izy ireo ary tombanana eo amin’ny 3,6 miliara dolara ny haren’izy ireo, izany hoe mihoatra ny fananan’ny 50%-n’ny olona manerantany, araka ny tatitra nataon’ny Oxfam. Teratany amerikanina ny 6 amin’izy ireo, Espaniola ny iray ary Meksikanina ny iray.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana