Dans la mme rubrique

Mba mailomailo e..

11/08/2018

Samy mihazakaza mirohotra, manatitra taratasy Filatsahana ho fidiana izay ho filohan'ny Malagasy. Tsy lahy , tsy vavy, tsy antitra tsy tanora. Mba samy manam-paniriana ny ho lany moramora.

Mba mailomailo e..

Hamaky ny tohiny...

Diabe

10/08/2018

Miarahaba jean, mitsingerina androany ilay diabe indray maka iry ee..mino aho fa tadidinao tsara izany daty izany na dia mboa tsy tao anatin’ny politika mihitsy aza ianao tamin’izany fotoana.

Diabe

Hamaky ny tohiny...

Mamirapiratra

08/08/2018

Manao ahoana Jean ! Akorontanareo ambony ambany ny eto an-tanàna dia izahay koa lasa fanina.

Mamirapiratra

Hamaky ny tohiny...

Mamoafady

06/08/2018

Miarahaba Jean a, izaho efa tena saika tsy hanoratra aty aminao intsony , fa nahita kosa ny adalan’ireo mpiara-miasa aminao dia tsy mandry ny eritreritra.Oh ry Jean a, fa dia ten any fahefana ve no mahalasa adala sa adala daholo ireo olona nomenao fahefana ireo e…

Mamoafady

Hamaky ny tohiny...

Mitsikitsiky dia mikipikipy

03/08/2018

Dia ahoana ry Jean a ! Miala tsiny aho rangahy fa tsy afaka nandalo omaly a ! Tena be loatra ny natao e ! Hainao ihany fa mamelom-bady aman-janaka ny tena.

Mitsikitsiky dia mikipikipy

Hamaky ny tohiny...

Aza be resaka e

01/08/2018

Teo foana ianao hatrizay , naninona no tsy niteny? Fa izao vao mihorakoraka etsy sy eroa hoe tsy mety ireny. Raha hoe nametra-pialàna indray mety azoko leferina Fa olona voadaka, very seza vao mimpenompenona.

Aza be resaka e

Hamaky ny tohiny...

Matim-bavy !

30/07/2018

Miarahaba anao aho ry Jean a ! Izaho rangahy maka anao amin’ilay fomba fiasa a !

Matim-bavy !

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Samy hahatratra ny ho avy

26/12/2017

Faly miarahaba anao aho ry Jean amin’izao fahatraranao ny nahaterahan’ny Mpamonjy izao !

 Izahay moa izao velom-panontaniana hoe : mahatsiaro tena ho tena mila ny mpamonjy ve ianareo amin’izao fotoana ? Aleo aloha dia ampahatsiahivina ihany fa tena ilain’izao tontolo izao izany ry Jean fa tsy hoe misy Rakotomamonjy akory ao aminareo dia tsy hila an’izany a a ! Hivadika Rakotovonjena na Rakoto Milavonjy tampoka eo izay vao ho gaga. Tandremo bainina fa mitady hizotra mankany  mihitsy anie izao lalanareo izao a ! Misy fetrany ny zavatra rehetra. Izahay anie efa zatra miafy arak’ilay tononkira fa ianareo izao no tsy hay e ! Ianareo mantsy toa efa nanana ny ampy foana dia mbola vao mainka nanao izay hananana ny mihoatra indray ity koa ! Raha mba herimponareo madiodio moa no nahatonga anareo teo maninona fa ilay paosinay sy vata fitehirizan-karenay haroninay mihitsy ho aho no hisy farany. Tena marina e ! Hitombo ny taona dia vao mainka ve hiitatra io fomba ratsy fanaonareo io ? Samy ho hahatratra ny ho avy ary e !

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana