Dans la mme rubrique

Marc Ravalomanana Efa voasedra ary tsy mitsoaka ady

16/08/2018

Efa niomana sy nivonona handray fitondrana ny TIM. Tsy atao kitaitaitra io fa mila paikady tsara petrapetraka. Mila rafitra mafy mahenika ny Nosy ny fahazoana fandresena, ary tsikaritra ho efa niomana ho amin’izany satria saika mihetsika avokoa ny rehetra amin’izao fotoana ary fifaninanana masina ny an’ny TIM samy TIM amin’io fifidianana io amin’ny fahazoana isam-bato betsaka indrindra hampandaniana an’i Marc Ravalomanana. Maro sy be rahateo ny fampianarana sy fiofanana natao.

Marc Ravalomanana Efa voasedra ary tsy mitsoaka ady

Hamaky ny tohiny...

Saraha Rabeharisoa Hametraka ny repoblika parlemantera

16/08/2018

Raha ny vina politikan` ny antoko PLD (Paika sy Lamina ho an`ny Daholobe) dia hametraka repoblika parlemantera eto Madagasikara satria ny fahefana dia miainga avy amin`ny vahoaka.

Saraha Rabeharisoa Hametraka ny repoblika parlemantera

Hamaky ny tohiny...

Omer Beriziky Hampisafidy rafi-panjakana roa

16/08/2018

Nahavita sy nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho filoham-pirenena ny praiministra teo aloha, Omer Beriziky, omaly teny amin`ny HCC. Tsy mbola feno ny fepetra rehetra hanatanterahana fifidianana madio, malalaka, izay heken`ny besinimaro ny vokany.

Omer Beriziky Hampisafidy rafi-panjakana roa

Hamaky ny tohiny...

Jean Jacques Ratsietison Hamaha olan’ny firenena amin’ny didim-pitondrana

16/08/2018

Kandida faha-10 tonga nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena tetsy amin’ny HCC Ambohidahy ny talata teo ny natolotry ny antoko politika Fahefa-Mividy izao no Ilain’ny Malagasy (FMI Ma), Jean Jacques Ratsietison.

Jean Jacques Ratsietison Hamaha olan’ny firenena amin’ny didim-pitondrana

Hamaky ny tohiny...

Richard Razafy Rakotofiringa Kandidà nijaikojaiko teny amin`ny HCC

16/08/2018

Hatairana ny an`ny mpanao gazety tonga teny amin`ny HCC omaly raha nahita fiara iray nitondra olona milaza fa hametraka antontan-taratasy maha kandidà azy taorianakelin’ny fahalasan`ny kandidà iray vao avy nanatitra izany.

Richard Razafy Rakotofiringa Kandidà nijaikojaiko teny amin`ny HCC

Hamaky ny tohiny...

Solo Norbert Andriamorasata Kandidan’ny hery ankavia

16/08/2018

Iray amin’ireo hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenana ny mpanao gazety zokiolona Solo Norbert Andriamorasata, izay sokajiana ho zokiny indrindra amin’ireo kandida satria efa 82 taona izy amin’izao fotoana izao.

Solo Norbert Andriamorasata Kandidan’ny hery ankavia

Hamaky ny tohiny...

Tahan`ny mpifidy Mihena isaky ny fifidianana, hoy ny CENI

14/08/2018

Mitohy hatrany ny fampiofanana entin`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) mba hanatsarana hatrany ny fanomanan`i Madagasikara ny fiatrehana fifidianana atao amin`ity taona ity.

Tahan`ny mpifidy Mihena isaky ny fifidianana, hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...


Politique

“Autobus intelligent” Hiandrasana propagandy ?

26/12/2017

Dia niesona indray aloha izany Antananarivo, raha nampanantenaina ireo “Autobus intelligent” nambara fa “hampivoatra tanteraka ny tontolon'ny fitateram-bahoaka eto Madagasikara”.

Hifarana andro vitsy ity ny taona, tsy hita popoka ilay fiara. Nanaovan’ny fanjakana serasera mafy mihitsy io fitaovam-pitaterana io tamin’ny 17 febroary 2017, nilazana fa “tsy ho ela dia hampiasaina eto Madagasikara io fiara fitateram-bahoaka raitra io, izay tetikasan'ny minisiteran'ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro iarahany amin'ny sehatra tsy miankina. Maoderina tanteraka, araka ny anarany, ny “Autobus intelligent”. Ahitana kamerà fanaraha-maso, GPS, fanisana ny isan'ny mpandeha, famerana hafainganam-pandeha, Wifi ... Mahazaka mpandeha 49 izy. Tsy mila mamoaka vola ho sarandalana isaky ny miakatra intsony ny mpanjifa fa karatra elektronika no ampiasaina”. Nanamafy izany ny filazan’ny filoham-pirerena Hery Rajaonarimampianina raha naseho azy ity fiara ity fa “tena mamaly ny filàna sy ny olan'ny mponina ity tetikasa ity ary tena fanavaozana lehibe”. Vita hatreo izany ny taksibe mpampijaly mpandeha, hoy ny maro vao nahita sy nandre ny fidiran’ity “Autobus intelligent”, fa dia “hihatsara ny kalitaon'ny tolotra ao anatin'ny fiara, hihena ny fitohanana sy lozam-pifamoivoizana, hihena ihany koa ny setroka avoakan'ny fiarakodia”. Indrisy anefa fa mbola mijanona ho fampisehoana fotsiny indray aloha iny, toy ny nataon’ny tetezamita tamin’ilay tetikasa “bus manara-penitra”. Tsy atao mahagaga izany fa nivoaka tamin’iny tetezamita iny ihany ny mpitondra am-perinasa amin’izao fotoana. Angamba hiandrasana propagandry amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 indray vao hiseho ny “Autobus intelligent” !

 

Jean D.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana