Dans la mme rubrique

Praiminisitra Etiopiana Mitaky 150 miliara dolara ho an`i Afrika

25/03/2020

Omaly dia niantso ny G20 na ny vondron` ireo firenena 20 matanjaka indrindra maneran-tany ny praiminisitra Etiopiana, Abiy Ahmed ny mba hanohanana ny toekarena Afrikanina izay miha marefo amin` izao fihanaky ny Covid-19 izao.

Praiminisitra Etiopiana Mitaky 150 miliara dolara ho an`i Afrika

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Nogiazan’i Italia ireo fitaovam-pisefoana 1840 tokony ho an`i Grèce

25/03/2020

Nanambara ny manampahefana ao Italia fa hamehana ny COVID-19 ao aminy ka nisy fanagiazana fitaovam-pisefoana (circuits respiratoires) miisa 1840, izay tsy maintsy ampiasaina ho an` ireo marary voan` ity aretina ity.

Ady amin’ny Coronavirus Nogiazan’i Italia ireo fitaovam-pisefoana 1840 tokony ho an`i Grèce

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Naniry ny halevina araka ny fomban-drazana aty Madagasikara

25/03/2020

Malagasy voalohany, nindaosin’ny fahafatesana noho ny “coronavirus” tany Frantsa ny dokotera Razafindranazy Jean-Jacques, izay mpitsabo tao amin` ny hopitalin’i Compiègne, departemantan’i Oise, Faritra Hauts-de-France.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Naniry ny halevina araka ny fomban-drazana aty Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

CHINE Misy valan’aretina vaovao indray

25/03/2020

Raha toa ka nambaran-dry zareo Sinoa fa efa voafehy ny Coronavirus dia toa tsy mbola tafavoaka ny ala izy ireo satria fantatra fa nisy lehilahy iray matin’ny otrik’aretina iray vaovao indray antsoina hoe Hantavirus.

CHINE Misy valan’aretina vaovao indray

Hamaky ny tohiny...

Manu DiBango Matin’ny Coronavirus

25/03/2020

Mpanakanto zokiolona, mpitsoka saxophone nikoizana, nanabevoho ny tontolon` ny mozika eran-tany. Nodimandry teo amin`ny faha-86 taonany, omaly maraina, tao Parisy Frantsa i Emmanuel N'Djoké Dibango na Manu Dibango.

Manu DiBango Matin’ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Fahamaizan’ny Notre Dame de Paris Misy ambadika politika ?

16/04/2019

Hatairana ny an'ny mponina tao Parisy, renivohitra Frantsay omaly hariva raha nahita ny fiangonana Notre Dame de Paris may. Nahitana lelafo nivoaka tamin'ny tafo antsoina hoe"comble". Teo amin'ilay tilikambo (Grande Rosace) mirefy 93 metatra no nanombohan'ny afo. Sarotra ny namono sy nifehy ny afo satria somary tery ny lalana sady eo afovoan'ny tanàna mihitsy. Mahery rahateo ny rivotra ka sarotra ho an' ireo mpamonjy voina ny nifehy ny afo.

Fahamaizan’ny Notre Dame de Paris Misy ambadika politika ?

Hamaky ny tohiny...

Firenena mikambana Nodimandry i Kofi Annan

20/08/2018

Misaona ny firenena mikambana satria nodimandry teo amin’ny faha 80 taonany i Kofi Annan, Sekretera Jeneralin’ny Firenena mikambana (Onu) teo aloha ny sabotsy 18 Aogositra lasa teo tany Bern (Suisse).

Firenena mikambana Nodimandry i Kofi Annan

Hamaky ny tohiny...


Vaovao avy any ivelany

FRANTSA Voakihana mafy ny praiminisitra Edouard Philippe

21/12/2017

Avy namita iraka tany Nouvelle-Calédonie ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra Edouard Philippe.

Fiaramanidin’ny tafika frantsay no efa voamana hitondra azy ireo hiverina ao Parisy. Nandalo tao Tokyo, manao fitsirihana teknika sy solika, ny fiaramanidina mialoha ny hanohizany ny dia miazo an’i Parisy. Tsy nahandry izany ry Edouard Philippe fa nanofa fiaramanidina manokana sy tsara kokoa hitondra azy ireo nody. 350 000 euros na 1335 tapitrisa Ariary ny saram-panofana ilay fiaramanidina, izay samy Airbus A340, fa ity mihaja kokoa. Nielanelana adin’ny roa ny fahatongavan’ireo fiaramanidina tao Parisy. Tonga tsy nisy olona ilay fiaramanidin’ny Tafika. Tototry ny fanankianana izay tsy izy ingahy Edouard Philippe noho izao fandaniana mihoampampana izao.

CRISTIANO RONALDO
Hanangana hopitalin-jazakely


Ao Santiago renivohitr’i Chili no vinavian’ity kintan’ny kitra manerantany, izay efa in-dimy nahazo “ballond’or” ary vao tamin’ity 2017 ity ny farany, hisantarana ny fanorenena io hopitalin-jazakely io ary mety hiitatra any Amerika Latina izany. Amin’ny taona 2020 no hanatanterahana azy. Hifarimbona amin’i CR7 amin’ny fanatanterahana izany tetikasa izany ilay mpanefoefo teratany italiana Alessandro Proto.ROYAUME-UNI
Mitombo isa ny tovovavy mamono tena

Ireo tovovavy eo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 24 taona no tena be mamono tena any amin’ity firenena ity. Mampivarahontsana ny antontanisa mivoaka. Nahatratra 118 izy ireo, izany hoe 76%-n’ny famonoan-tena tamin’ny taon-dasa raha 67% izany tamin’ny 2006, folo taona lasa. Resaka «selfie» no antony, variana dia voadona, na manao lozam-pifamoivoizana, na latsaka anaty tevana, hantsana, rano …

 

FANATANJAHANTENA
Misongadina ny boxe any Cameroun


Raha malaza amin’ny taranja ady totohondry i Cuba sy zareo amerikana dia manomboka misongadina ihany koa izao ny sekolin’ny boxe aty Afrika, ary mitarika amin’izany ry zareo atsy Cameroun. Mamiratra ry Takam, M’Bili, Fokou, Hassan N'Dam… ity farany izao dia tompondaka erantany amin’io taranja io, ary niaro ny voninahitr’i Cameroun tamin’ny Lalao olimpika 2016.

KYOTO-JAPON
Noravan’ny lambo ny fanadinana


Hafa indray ity. Niditra an-tsekoly ny lambo na kisoa dia. Lasibatra ny tao amin’ny lisea iray any Kyoto ny alatsinainy teo. Teo ampanaovana fanadinana indrindra ny mpianatra tao no nanao fiditra ao ampianarana, nitety efitranon-tsekoly ny lambo anankiroa, nandratra mpianatra iray. Voatery notifirina tamin’ny basy elektrika ireo lambo nanakorontana ireo. Niato hatramin’ny fanadinana noho io tranga io. Matetika no ahitana lambo miakatra an-tanàna any Japon vokatry ny fanimban’ny olona ny ala izay toerana voajanahary fonenan’izy ireo.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana