Dans la męme rubrique

Misoko miadana

30/10/2020

Misoko miadana toa tsy re tsaika akory ankehitriny ireo olana maro atrehin’ny firenena.

Misoko miadana

Hamaky ny tohiny...

Tsy hisy vahoaka hanakana

28/10/2020

Tsy hisy vahoaka hanakana ny mpitondra azy mihitsy eo na hifidy hamerina ny fitsidihana izao tontolo izao ao anatin’ny 80 andro toy ilay tantara malaza iray izay aza.

Tsy hisy vahoaka hanakana

Hamaky ny tohiny...

Miandry fiovana ifotony

26/10/2020

Ny fanazavana ny toe-java misy dia tsy maintsy hisy foana ary tonga amin’ilay fitenin’ny mpanao politika iray izay izy io hoe arakaraky ny solomaso hanaovana ny fetran’ny hita.

Miandry fiovana ifotony

Hamaky ny tohiny...

Tankina sy fotsy rora

23/10/2020

Samy maha valalanina ankehitriny ny zava-misy eto amin’ny firenena sy eo amin’izao tontolo izao.

Tankina sy fotsy rora

Hamaky ny tohiny...

Miandry mpihaino

22/10/2020

Tsikera mpahazo ny mpanohitra ny fitondrana avy amin’ireo mpiaradia amin’ny mpitondra matetika moa ny hoe tsy mba mandroso vahaolana fa mitsikera foana.

Miandry mpihaino

Hamaky ny tohiny...

Migebona…

21/10/2020

Folo volana latsaka herinandro izay no nitsanganan’ny Governemanta faharoan’ny Praiminisitra Ntsay Christian izay narafitra manokana ho taratry ny fisokafana sy ny fahaiza-manaon’ny zanaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka, na ny eto an-toerana na ny avy any ivelany,

Migebona…

Hamaky ny tohiny...

Hiazakazaka sa handeha lavitra ?

20/10/2020

Raha tiana ny hiazakazaka dia aleo mandeha irery, hoy ny olo-malaza iray izay. Raha tiana kosa ny andeha lavitra dia ilaina ny miara-dalana.

Hiazakazaka sa handeha lavitra ?

Hamaky ny tohiny...


Edito

Aiza ihany ny solitany ?

21/12/2017

Efa 42 taona izao no nandrenesana an’izany Bemolanga sy Tsimiroro izany fa toa malaza tsy hihinanana toa lovian-tsahona fotsiny.


 

 Lasa resaka miafina any ambadika any ilay menaka mavesatra trandrahina ao Tsimiroro ataon’ny orinasa Madagascar Oil ambara ho afaka manodina an’ireo foiben-jiro ao Mandroseza sy Ambohimanambola kanefa toa lasa nofy ihany fa dia mbola manafatra any ivelany. Misy tsikombakomba tamin’ireo mpitondra nifandimby teto ve ny tsy fitrandrahana an’ireo harena ankibon’ny tany ireo ? Asa lahy fa dia fanazavana ara-teknika, izay ny tena marina efa taona maro, ihany koa no nahenoana an’izany dia ny hoe : kalitao tsy mifanaraka amin’ny ilain’ny tsena ny solitany eto amintsika. Tsy manana manampahaizana amin’izany ve isika ? Roa taona lasa izay dia nisy fifanarahana teo ambany elatr’i Madagasikara Oil natao teo amin’ny oniversiten’Antananarivo sy oniversite iray any Indonezia (Gaja Mada) mba hanofanana teknisianina Malagasy amin’ny fanodinana ny menaka mavesatra ho lasantsy, feul, gazoala ary etona. Aiza izay tohiny ? Mahalasa fisainana ihany ny ataon’ny fitondrana ankehitriny. Toa ny fahazoana vola maika no ataony fa tsy misy ny ezaka lavitra fa dia ny mamarotra an’ireo harena amin’ny vahiny no mahamay azy sitrany vola mihodina hividianana mpifidy. Efa ho 4000 Ariary ny iray litatry ny lasantsy sy gazoala, miakatra miaraka amin’izany ny vidin’ny vary sy ny filana andavanandro. Toa tsy rototra ny mpitondra fa mitazam-potsiny ary mifaly misehoseho etsy sy eroa mitokana zava-bita, hono. Fa aiza ihany ny solitany izay itangosam-bola tokony hanamboaran-dalana e ? Ny lalana anefa potika andro aman’alina.

Jean D.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana