Dans la mme rubrique

Depiote Brunelle Tsy mifankahazo amin’ny mpitondra intsony ?

30/10/2020

Niteraka resa-be ny tsy fahazoan` ny depiote voafidy tao Ikongo, Brunelle Razafitsiandraofa, izay lany tamin` ny alalan` vondrona IRD, miteny sy miseho amin` ny haino aman-jerim-panjakana (RNM/TVM).

Depiote Brunelle Tsy mifankahazo amin’ny mpitondra intsony ?

Hamaky ny tohiny...

Hetsika atao any Fianarantsoa Tsy noraisin’ny prefe ny delegasionin’ny TIM

30/10/2020

Tsy noraisin’ny prefen’i Fianarantsoa omaly ireo delegasionina hampahafantatra ny tatitra ataon’ny depiote mpanohitra ny fitondrana ao amin’ny Magro Fianarantsoa rahampitso sabotsy.

Hetsika atao any Fianarantsoa Tsy noraisin’ny prefe ny delegasionin’ny TIM

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Hamerina ny fitokisan` ny olom-pirenena aminy

30/10/2020

Nanatanteraka atrikasa fampiofanana ireo filoham-baomiera maharitra sy filohan’ny vondrona parlemantera eo anivon` ny Antenimieram-pirenena mandritry ny hateloana tany Antsirabe niarahana tamin` ny Fondation Friedrich Ebert Stiftung (FES) .

Antenimieram-pirenena Hamerina ny fitokisan` ny olom-pirenena aminy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana loholona Mandeha sahady ny fampielezan-kevitra

30/10/2020

Raha mbola amin` ny 18 novambra izao no voafaritra ny daty hanombohana ny fampielezan-kevitra ho amin` ny fifidianana izay ho loholona amin`ny 11 desambra izao saingy efa misy sahady no tsy mahandry tantana.

Fifidianana loholona Mandeha sahady ny fampielezan-kevitra

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra izao”

30/10/2020

Izao no fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra sy miseho, hoy ny antoko politika Natiora, tarihin’ny filohany Mihari-Ni-Rencho.

Antoko Natiora “Fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra izao”

Hamaky ny tohiny...

Tsy ampy fahalalana ny Malagasy Vao mainka koa manabado ny mpitondra

30/10/2020

Mihevitra ny Malagasy ho bado ny mpitondra eto amintsika. Porofon’izany, ohatra, ny filazan’izy ireo zavatra izay iaraha-mahalala izao fa tsy mitombina. Manamora ny fanambakana ataon’ny mpitondra ihany koa ny fari-pahalalan’ny Malagasy.

Tsy ampy fahalalana ny Malagasy Vao mainka koa manabado ny mpitondra

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Hanao tamberin`andraikitra misimisy kokoa

30/10/2020

Nihaona tamin’ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena izay notarihin’ny Filohany Razanamahasoa Christine ny Fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo rafitra maro samihafa, omaly.

Solombavambahoaka Hanao tamberin`andraikitra misimisy kokoa

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andriamampianina Mitavozavoza loatra ny mpitondra

21/12/2017

Mampiteny ny moana ny fahantram-bahoaka eto Madagasikara na dia ambaran’ny mpitondra sy ny mpamatsy vola aza fa nidina ny tahan’ny fahantrana, izay mifanohitra tanteraka amin’ny zava-misy.

Sesilany ny fanehoan-kevitry ny mpanara-baovao amin’izao fiomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny taona 2018 izao. Nambaran’Atoa Andriamampianina, mpanara-baovao sy ny toe-draharaha politika ao Antsirabe fa tsy mbola nisy tahaka ity satria tena latsaka lalina ao anaty fahantrana ny Malagasy maro an’isa noho ny fidangan’ny vidim-piainana. Nambarany fa vokatry ny fitavozavozan’ny mpitondra no antony. Raha ny fahitany azy dia tsy fantatry ny filoham-pirenena ny fahoriam-bahoaka matoa tsy mitady vahaolana izy. Lazaina fa ny krizy tamin’ny 2009 hatrany no fototry ny olana ankehitriny, kanefa iaraha-mahita ny fidangan’ny vidin-tsolika sy ny vidim-bary, izay tsy misy hidiran’ny krizy intsony.  Raha ny fahitany azy dia mila manana paikady lehibe ny filoham-pirenena, izay “Expert comptable”, ka tsy mitombina tsy tokony hahavahany ny olana. Etsy an-daniny, olana goavana vokatry ny kajikajy ataon’ny mpitondra ny fanontana ny vola, nampitotongana ny sandam-bola, heverina fa nahatonga ny vola Malagasy lasa vola baoritra ankehitriny. Ankoatra ireo dia nambaran’ity mpandinika ity ihany koa fa fototry ny fampahoriana ny Malagasy ny fanomezana vahana ny seha-pihariana maro eto Madagasikara ny vahiny satria hatramin’ny banky sy ny fitrandrahana ny harem-pirenena dia anjakan’ny vahiny ka izay no hifehezany amin’izay tiany atao ny toekarena Malagasy, eny hatramin’ny fanafarana sy fitsinjarana ny solika aza, kanefa voalaza fa efa mamokatra solika ireo mpitrandraka, izay tsy misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny Malagasy ny vokany izay ela izay. Raha ny tolo-keviny dia tsara ho an’ny filoham-pirenena ankehitriny no tsy milatsaka hofidiana intsony satria mbola hiteraka fahapotehana goavana ho an’ny firenena izany.

Caius R.


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana