Dans la mme rubrique

Depiote Brunelle Tsy mifankahazo amin’ny mpitondra intsony ?

30/10/2020

Niteraka resa-be ny tsy fahazoan` ny depiote voafidy tao Ikongo, Brunelle Razafitsiandraofa, izay lany tamin` ny alalan` vondrona IRD, miteny sy miseho amin` ny haino aman-jerim-panjakana (RNM/TVM).

Depiote Brunelle Tsy mifankahazo amin’ny mpitondra intsony ?

Hamaky ny tohiny...

Hetsika atao any Fianarantsoa Tsy noraisin’ny prefe ny delegasionin’ny TIM

30/10/2020

Tsy noraisin’ny prefen’i Fianarantsoa omaly ireo delegasionina hampahafantatra ny tatitra ataon’ny depiote mpanohitra ny fitondrana ao amin’ny Magro Fianarantsoa rahampitso sabotsy.

Hetsika atao any Fianarantsoa Tsy noraisin’ny prefe ny delegasionin’ny TIM

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Hamerina ny fitokisan` ny olom-pirenena aminy

30/10/2020

Nanatanteraka atrikasa fampiofanana ireo filoham-baomiera maharitra sy filohan’ny vondrona parlemantera eo anivon` ny Antenimieram-pirenena mandritry ny hateloana tany Antsirabe niarahana tamin` ny Fondation Friedrich Ebert Stiftung (FES) .

Antenimieram-pirenena Hamerina ny fitokisan` ny olom-pirenena aminy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana loholona Mandeha sahady ny fampielezan-kevitra

30/10/2020

Raha mbola amin` ny 18 novambra izao no voafaritra ny daty hanombohana ny fampielezan-kevitra ho amin` ny fifidianana izay ho loholona amin`ny 11 desambra izao saingy efa misy sahady no tsy mahandry tantana.

Fifidianana loholona Mandeha sahady ny fampielezan-kevitra

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra izao”

30/10/2020

Izao no fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra sy miseho, hoy ny antoko politika Natiora, tarihin’ny filohany Mihari-Ni-Rencho.

Antoko Natiora “Fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra izao”

Hamaky ny tohiny...

Tsy ampy fahalalana ny Malagasy Vao mainka koa manabado ny mpitondra

30/10/2020

Mihevitra ny Malagasy ho bado ny mpitondra eto amintsika. Porofon’izany, ohatra, ny filazan’izy ireo zavatra izay iaraha-mahalala izao fa tsy mitombina. Manamora ny fanambakana ataon’ny mpitondra ihany koa ny fari-pahalalan’ny Malagasy.

Tsy ampy fahalalana ny Malagasy Vao mainka koa manabado ny mpitondra

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Hanao tamberin`andraikitra misimisy kokoa

30/10/2020

Nihaona tamin’ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena izay notarihin’ny Filohany Razanamahasoa Christine ny Fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo rafitra maro samihafa, omaly.

Solombavambahoaka Hanao tamberin`andraikitra misimisy kokoa

Hamaky ny tohiny...


Politique

Voninahitsy Jean Eugène Vao nipoitra dia nanondrana

21/12/2017

Elaela no tsy nandrenesana intsony ny feon’ny filohan’ny antoko politika RPSD Vaovao, Voninahitsy Jean Eugène. Niverina naneho ny heviny indray izy omaly ary avy hatrany dia ny mikasika ny tsy tokony hilatsahan’ny filoham-pirenena teo aloha,

Marc Ravalomanana hofidiana filoham-pirenena amin’ny taona 2018 no nasiany tsindrim-peo mafy. Efa nomelohin’ny fitsarana izy ka raha tena manao ny asany ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia tsy tokony hamela azy hilatsaka intsony. Tondroiny ho « Mpanavakavaka ka tsy mendrika ny ho filoha intsony » i Marc Ravalomanana. Dia mitamberina ao an-tsaina raha manao dia mianoatra ny mombamomba an’ity mpanao politika nitonon-tena ho Mandela gasy raha nirotsaka ho fidiana filoham-pirenena tamin’ny farany teo ity. Ilay Mandela izay lazainy fa izy amin’ny endriny rehefa gasy amin’io dia efa avy nigadra nitovy tamin’ny tenany tamin’ny 10 taona lasa mahery ihany. Ny an’ilay filohan’i Afrika Atsimo teo aloha dia noho ny resaka ady tamin’ny fanavakavaham-bolon-koditra no antony nampidirana azy tany am-ponja fa ny an’i Mandela Gasy kosa dia resaka seky tsy misy anto-bola “Chèque sans provision”. Mbola navela nirotsaka ho filoham-pirenena anefa izy taorian’izay. Efa voaporofo ve ny maha olo-meloka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ? Olona mpanavakavaka ve dia mahavatra midina eny ifotony manao fitetezam-paritra sy miara-mihinana mofo gasy sy kafe amin’ny valalabemandry ? Hadalana ary ve izany ny nametrahana ireo rafitra natao hampihavanam-pirenena, toy ny CFM amin’izao ary adala koa ve ireo vondrona iraisam-pirenena izay mampirisika ny amin’ny tokony hilatsahan’ny rehetra ? Sao dia mba diso fiditra ihany ity mpanao politika ity ka vao niverina nipoitra dia nanondrana soa aman-tsara avy hatrany ?

J. Mirija

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana