Dans la mme rubrique

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

18/01/2019

Mafana ny adihevitra any anatin’ny zandarimariam-pirenena momba ny firafitry ny governemanta vaovao raha ny feo re.

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

18/01/2019

Manoloana ny famindram-pahefana anio eo amin`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha vaovao, Andry Rajoelina, nilaza ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao fa tsy tombontsoa ambonin`ny firenena ny fambolena korontana.

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

Hamaky ny tohiny...

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

18/01/2019

“Mitentina 70 tapitrisa dolara no azon’i Madagasikara tao anatin`ny tetikasa “credit carbone” tamin`ny taon-dasa”, hoy ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia ary ny ala, Randriatefiarison Guillaume

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

Hamaky ny tohiny...

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

18/01/2019

Vokatry ny tsy fitandremana noho ny baikon’ny mpiampiasa azy ireo dia nipoaka sy nirehitra ny sambo “Nosy Mangabe” izay miantsona miandry entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny alarobia 16 janoary teo tokony ho tamin’ny 11ora atoandro.

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

Hamaky ny tohiny...

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

18/01/2019

Mbola manakoako sy mitohy hatrany ankehitriny ny fanjakazakana sy fanaparam-pahefana ataon'ilay teratany karana malaza ho mpanefoefo ao Toamasina ao.

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

Hamaky ny tohiny...

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

16/01/2019

Na dia 7 volana monja aza ny fotoam-piasana izay nitantanan`ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Norovololona Harimisa, dia nisy ny ezaka vitan`ny minisitera tao anatin`ny fotoana fohy.

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

16/01/2019

Malagasy 3 no tratra nitondra volamena milanja 25,5 kilao tany Maorisy ny 10 janoary lasa teo, saika ho any Mumbai (Inde) ny roa raha toa ka nilaza ny ho any Dubai ny iray.

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Zaza tsy ampy lanja Mihoatra ny 14 % ireo vao teraka manerana ny Nosy

30/11/2017

Mbola mihoatra ny 14 % amin’izao ireo zaza vao teraka tsy ampy lanja manerana ny Nosy, hoy ny dokotera Ranjanoro Elodie, angady nananana ilay tetikasa « bebe kangourou ».

 Maro ny antony mahatonga izany toy ny harerahan’ny reny diso tafahoatra mandritra ny fotoana hitondrana vohoka, ny tebitebin-tsaina… Antony nanosika ity dokotera irayity hanitatra ireo ivontoerana bebe kangourou manerana ireo tobim-pitsaboana misy  eto amintsika izay vatsian’ny Orange Solidarité fitaovana. Anisan’ny nahazo tombontsoa indray omaly ny hopitalin’ny reny sy ny zaza etsy Ambohimiandra niaraka tamin’ny CHU Andohatapenaka izay samy notokanana omaly avokoa. Anjaran’ny ao amin’ny hopitaly Sabotsy Namehana indray anio alakamisy izay hahazo  io ivontoerana iray io ihany koa.  Tanjona  ny hampianarana ireo renim-pianakaviana rehetra ny fomba famindrana hafanana amin’ilay zaza menavava tsy ampy lanja, mandrapahafeno izay lanja ilaina aminy. Lohalaharana amin’izany ireo latsaky ny 2 kg sy 500, izay azon’ny rainy atao ihany koa ny mamindra hafanana aminy rehefa tena reraka ilay reny miaraka amin’ireo iraitampo aminy saingy tsy maintsy olona salama tsara kosa. Nomarihin’ny dokotera Ranjanoro Elodie, angady nananana ny tetikasa bebe kangourou moa fa hahavitana manangana ivontoerana iray mahazaka renim-pianakaviana miisa dimy ny vidina couveuse iray eto amin’izao. Notsipihiny ihany koa fa manana fiainam-piaraha-monina mivelatra kokoa ireo ankizy hatao bebe kangourou raha oharina amin’ireo natao tany anaty couveuse. Manohana hatrany ny tetikasa tahaka izao ny Orange Solidarité izay efa nanomboka taminny taona 2011.

Pati


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana