Dans la mme rubrique

Miverina indray ny taloha !

18/01/2019

Hanana fahefana feno manomboka anio ireo mpitondra nanana ny tantarany tsy dia tsara tamin’ny firenena tany amin’ny 10 taona lasa.

Miverina indray ny taloha !

Hamaky ny tohiny...

Mila fisokafana !

17/01/2019

« Izao tontolo izao dia masoko sy sofiko avokoa », hoy ny Ombalahibemaso na ny mpanjaka Andrianampoinimerina.

Mila fisokafana !

Hamaky ny tohiny...

Aleo handeha hotazanina e !

16/01/2019

Maro izay fampanantenana natao izay. Tsy vitsy izay fampanofinofisana nakana ny fon’ny vahoaka izay.

Aleo handeha hotazanina e !

Hamaky ny tohiny...

Na samy resy na samy handresy !

15/01/2019

“Tsy resy akory ny resy raha noresen’ny mpampandresy fa ny tena mpandresy dia izay mahay resy raha toa ka tena resy”, hoy ilay mpandinika raharaham-pirenena iray izay.

Na samy resy na samy handresy !

Hamaky ny tohiny...

An-tsisin-tosy …

14/01/2019

Miteraka adihevitra goavana ho an’ny mpanara-baovao sy any anaty tambajotram-pifandraisana ara-tsosialy amin’izao ny momba ilay fianianan’ny filoha tsy hisy fotoam-pivavahana, tsy hisy fampiasana baiboly.

An-tsisin-tosy …

Hamaky ny tohiny...

Miandry fahagagana

12/01/2019

fito andro katroka sisa dia handray ny fahefany amin’ny fomba manetriketrika ny filoham-pirenena vaovao.

Miandry fahagagana

Hamaky ny tohiny...

Alahelom-bahoaka no ilafihana !

11/01/2019

Fa inona ihany no tiana hahatongavana eto amin’ity firenena ity e ? Efa nanaiky sy nilefitra ny kandida an-kilany tamin’ny fifidianana, ary efa nitsodrano ilay ambara fa lany na azo iadian-kevitra aza ny fahalaniana.

Alahelom-bahoaka no ilafihana !

Hamaky ny tohiny...


Edito

Tsy mba manan-kambo !

30/11/2017

Vitavita ho azy indray ity resaka fidiran’ny mpitsoa-ponenana sy vahiny tsy fanta-pototra tonga eto Madagasikara ity. Efa mandeha ihany ny famonoana afo ataon’ny mpitondra fanjakana na iraky ny fanjakana vitsivitsy milaza fa olona manao fivahinianana masina sy mitsidika moske eto amintsika ireny.


Na inona na inona fanazavana hoentina, dia tsy azo lavina ny fisian’ny zavatra kimaizimaizina eto amin’ny firenena. Tamin’ny fomba ahoana no nahatongavan’ireny teto ? Ara-dalàna ve sa tsia ? Inona no tambin’izany, ka mampangina sy tsy mapiloa-bava ny fanjakana ? Voahitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena sy ny maha izy azy antsika, ka samy manao izay saim-patany izao forongom-bahiny isan-karazany izao. Tsy sanatria fanilihana ireo vahiny tonga eto fa rehefa tsy ara-dalàna sy tsy ankasitrahan’ny Malagasy, dia mila roahina fa tsy hanaovana kopisoroka tahaka izao. Raha misy Malagasy an-jatony ve no mankany amina firenena iray, ka mizarazara manao andiany tsifolofolo mitondra ny entany any amina firenena iray any Eoropa, tsy efa voasambotra sy tratry ny roaka alika ? Raha any Pakistan na Afghanistan mety tsy vitan’ny voasambotra sy gadraina fa mety hotifirina. Eto amintsika kosa andihizan’ny olona sy hanjakazakany ary tompony mangataka atiny satria hatramin’ny tanin’ny razamben’ny Malagasy aza sahiny no maka azy. Aiza izay mba hambom-po manoloana izany ?  Vitavita ho azy ny zava-drehetra satria ny mpitondra mihitsy no lohalaharana amin’ny famarotana tanindrazana sy famoretana ny Malagasy mba hanjakan’ny vahiny mpamatsy azy. Tsy atao mahagaga raha sokajian’ny olona hoe “Firenen’ny moramora” ny firenentsika e !

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana