Dans la mme rubrique

Fitoriana an-dRajoelina Hapetraka amin’ity herinandro ity

14/08/2018

Be dia be ireo porofo hoentinay eny anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana amin’ny alakamisy izao hahafahanay mitory ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Nirina Rajoelina, hoy ry zareo mpitarika ilay Hetsi-bahoaka ho an’ny Fanovana sy ny fanorenana Ifotony, tontosaina etsy Analakely.

Fitoriana an-dRajoelina Hapetraka amin’ity herinandro ity

Hamaky ny tohiny...

Sendikan’ny mpiasan’ny Kraoma Mangataka fihaonana maika amin’ny praiminisitra

14/08/2018

Nanao fanambarana tetsy amin’ny SEndika KRIstianina Malagasy Behoririka ny sendika solontenan’ny mpiasa avy ao amin’ny orinasa Kraoma omaly alatsinainy 13 aogositra.

Sendikan’ny mpiasan’ny Kraoma Mangataka fihaonana maika amin’ny praiminisitra

Hamaky ny tohiny...

Faminaniana samihafa Sao dia famitaham-bahoaka sy fanasana atidoha ?

13/08/2018

Nisy resaka faminaniana sy fahitana foana teo amin’ny tantaram-pirenen’i Madagasikara. Saika nisy foana ny hoe fisehoan’i jesoa kristy, fisehoan’i Masina Maria…

Faminaniana samihafa Sao dia famitaham-bahoaka sy fanasana atidoha ?

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny sendika sy ny mpiasam-panjakana Malagasy Fitsapan-kevi-bahoaka aloha no tokony hatao

11/08/2018

Tandindomin’doza ny firenena araka ny nambaran’ny fikambanan’ny sendika sy ny mpiasam-panjakana Malagasy (CSAEM) omaly tetsy amin’ny Trano Gasy Andrefan’Ambohijanahary.

Fikambanan’ny sendika sy ny mpiasam-panjakana Malagasy Fitsapan-kevi-bahoaka aloha no tokony hatao

Hamaky ny tohiny...

Paositra Malagasy Hifampizara traikefa amin’ny firenena maro

09/08/2018

Nampahafantarina omaly alarobia 8 aogositra tetsy amin’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra (MPTDN) tetsy Antaninarenina ny fisian’ny ilay vokatra vaovao fandefasam-bola sy fandraisam-bola avy any ivelany.

Paositra Malagasy Hifampizara traikefa amin’ny firenena maro

Hamaky ny tohiny...

Fivoriana ara-potoanan’ny CUA Maro ireo zavatra voadinika ho amin’ny fampandrosoana

09/08/2018

Nifarana omaly 8 aogositra ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Filankevitry ny tanànan’Antananarivo, izay natao nandritra ny 10 andro, notarihan’ny filohan’ny mpanolotsaina monisipaly kolonely Faustin Andriambahoaka.

Fivoriana ara-potoanan’ny CUA Maro ireo zavatra voadinika ho amin’ny fampandrosoana

Hamaky ny tohiny...

Asan’ny mpitondra nifanesy Ny fiadanam-bahoaka no aoka hifampitsarana

09/08/2018

Tsy azo lavina fa samy nanangana fotodrafitrasa avokoa ny fitondranana nifandimby teto. Manomboka tanisaina sy hireharehana any anaty fampielazan-kevitra izany. Tsy izay anefa no hitarafana ny fampandrosoana fa ny fivoaran’ny fiainan’ny Malagasy no maridrefy lehibe indrindra hamantarana na nandroso na nihemotra ny firenena.

Asan’ny mpitondra nifanesy Ny fiadanam-bahoaka no aoka hifampitsarana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Paolo Raholinarivo “Tsy maintsy migadra ny depiote Nicolas”

30/11/2017

Raikitra ny gidragidra eo amin’ny depiote Nicolas Randrianasolo sy i Paolo Raholinarivo, mpanolotsain’ny praiminisitra. Noho ny resaka asan-dahalo any Betroka no antony.

Novakiany bantsilana ireo afera maizina ataon’ity depiote ity, kanefa dia sahin’ny “assistant parlementaire”-ny no nilaza fa i Paolo Raholinarivo no lehiben’ny dahalo tany Betroka. Hampanaovy fitsapana ny vahoaka hoe manana fitokisana amin’io dipiote io ve taorian’ny nahatrarana vanja be dia be tany amin’ny olona akaiky azy tany Betroka, hoy i Paolo Raholinarivo. “Hangataka fanadihadiana parlemantera izahay hoe : avy aiza ny harenan’ity depiote ity ?”, hoy izy.

Afera maloto sy tsindritsindry isan-karazany

Izao vao mazava fa ny vahoaka no milaza, ary efa misy sahy mijoro vavolombelona fa avy amin’ny depiote voafidy tao Betroka ny asan-dahalo, hoy i Paolo Raholinarivo. Voalazan’ny fampitam-baovao marobe ary tsy atahorako intsony ny milaza, fa atao ao anaty vilany ilay zaraina, atao ao anaty fitaovana fanamafisam-peo ny basy vaovao atakalo rongony satria manao aferan-drongony ihany koa ireo olona ireo, hoy izy. Hangatahin’io depiote io hosoloina ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra sy ny komandan’ny kaompania Betroka. “Mitodika amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria hoe i Nicolas Randrianasolo ve no DRH, ka afaka hanome baiko amin’ny hanesorana ny Lehiben’ny zandary manao fanadihadiana momba io depiote io sy izahay endrikendrehana”, hoy i Paolo Raholinarivo. Efa maro ny mpitandro ny filaminana maty tany an-toerana. Avelao ho vita ny ankety fa ireo no tsy azony baikoana toy ny mpiasam-panjakana ao Betroka.  Sokafy ny fanadihadiana momba ahy. Firy ny omby nampangalariko, firy ny vanja,… dia ataovy koa ny azy, hoy izy. Izahay tsy hanaiky ary tsy maintsy migadra io. Tsy hijanona aho raha tsy miditra am-ponja ireo olona ireo, hoy hatrany izy. Rehefa tsy hampiharina amin’ny alalan’ny fisamborana ara-dalàna io, dia hapetraka ny dina satria hametraka fitoriana amin’ny dina ihany koa ny tenako, hoy hatrany i Paolo Raholinarivo. Mitaky hanesorana ny zo tsy azo henjehina “immunité parlemantaire” ananan’i Nicolas Randrianasolo ny tenany. Ny hoe miady an-trano ny samy mpitondra, dia miara-miasa amin’ny mpitondra fa tsy miray tsikombakomba amin’ny famonoana olona, fanondranana omby, fibodoana tanin’olona …, hoy izy. Efa maloto loatra isika ato anatin’ny fitondrana, ka hataonay lisitra amin’izay ireo olon-dratsy ao.  Ny 80%-n’ireo olona notendrena ireo dia jiolahy, mpanao afera daholo. Aza manaiky baikon’iza na iza fa izay tratra dia tratra, hoy ny hafany miantefa amin’ny filoha sy ny praiminisitra. Nambarany fa akaiky ny 2018, ka fafao ny trano.


Toky R

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana