Dans la mme rubrique

Ministeran’ny tontolo iainana Manao antsoavo iarovana ny Mikea

30/10/2020

Ny Mikea dia foko zanatany amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara ary neken’ny Firenena Mikambana antsoina hoe « Peuple Autochtone », hoy ny fampahafantarana fohy avy amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy fandrosoana maharitra.

Ministeran’ny tontolo iainana Manao antsoavo iarovana ny Mikea

Hamaky ny tohiny...

Analakely Nihotsaka ilay tranobe, olona 5 no naratra

30/10/2020

Nitrangana fihotsahana tao amin’ny tranobe iray fampiasan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina tetsy amin’ny Arcade Analakely omaly alakamisy 29 oktobra 2020,

Analakely Nihotsaka ilay tranobe, olona 5 no naratra

Hamaky ny tohiny...

Asa fanarenana JIRAMA Fantson-drano tranainy 5,2 km no efa voasolo

30/10/2020

Anisan’ny paikady hanalefahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ny fanoloana ireo fantsona tranainy sy manary rano.

Asa fanarenana JIRAMA Fantson-drano tranainy 5,2 km no efa voasolo

Hamaky ny tohiny...

Fisolokiana etsy sy eroa Izay taitaitra dia roboka, ny mailo tsy tratra

30/10/2020

Olona maro no nitaraina tany Toamasina fa hoe voasoloky.Manodidina ny 85 tapitrisa ariary raha natambatambatra ny vola efa lasan’ilay mpisoloky ;

Fisolokiana etsy sy eroa Izay taitaitra dia roboka, ny mailo tsy tratra

Hamaky ny tohiny...

Derasolo monina eny Morarano Tsy hita hatramin’izao ilay olona nandona azy

30/10/2020

Lehilahy lehibe manodidina ny 60 taona eo ho eo antsoina hoe : Derasolo no voadonan’ny moto ny Alarobia hariva teo ka naterin’ilay nandona azy teny amin’ny hôpitaly.

Derasolo monina eny Morarano Tsy hita hatramin’izao ilay olona nandona azy

Hamaky ny tohiny...

67 Ha Avaratra Nirehitra tampoka ilay fiara

28/10/2020

Fiara iray BMW X5 no nirehitra tampoka omaly atoandro teny amin’ny 67 ha avaratra raha iny avy nodiovina nosasana tsara iny.

67 Ha Avaratra Nirehitra tampoka ilay fiara

Hamaky ny tohiny...

Herinaratry ny Jirama Manimba zavatra maro

28/10/2020

Mba tsy hilazana hoe manimba fiainam-bahoaka mihitsy dia aleo tsorina amin’ny hoe manimba zavatra maro ity tsy fahatomombanan’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy ity.

Herinaratry ny Jirama Manimba zavatra maro

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fanamboarana pasipaoro diplomatika Tafatsangana ny ivontoerana manokana

27/10/2017

Hiverina hamoaka pasipaoro diplomatika sy pasipaoron’ny mpiasam-panjakana vaovao indray ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny satria dia fijaliana ny an’ny mpiasam-panjakana mamita iraka any ivelany tao anatin’izay herintaona izay, raha ny fanazavana.

 Ny volana jolay 2016 no tapitra tanteraka ny pasipaoro natokana ho azy ireo na ny “Passeport de service”. Na iraky ny fanjakana aza no alehany any ivelany dia voatery mandeha amin’ny pasipaoro tsotra izy ireo ka lasa mitovy amin’ny olon-tsotra ihany rehefa hamita iraka, izany hoe milahatra rehefa haka visa, mameno ny fepetra rehetra takiana rehefa hiampita, ary ny tena goavana dia lasa mandoa ny saran’ny visa izy ireo rehefa voahiraky ny fanjakana hamita iraka any ivelany.Tafapetraka omaly alakamisy 26 oktobra teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny ivontoerana fanamboarana pasipaoro diplomatika. Ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina mivady ary ny praiministra Solonandrasana Olivier Mahafaly no nisantatra ny fanamboarana. Mpikambana maro tao amin’ny governemanta no nanotrona ny lanonana. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny raharaham-bahiny Henry Rabary-Njaka, dia hiaka farany amin’ny resaka biometrika ny teknolojia ampiasaina amin’io, ary mendrika ireo iraka miisa 1200 isan-taona. Raha ny fanzavana ara-teknika kosa dia misokajy roa  mazava tsara ity resaka pasipaoro vaovao ity, ka eo aloha ny pasipaoro diplomatika natokana ho an’ny olona ambony, toy ny filoham-pirenena sy ny ireo olom-panjakana hafa, raha tsy hilaza afa tsy ireo mpikambana eo anivon’ny goverenamanta. Eo ihany koa ny “passeport de service”, izay natokana ho an’ny olona mamita iraka miaraka amina olona ambony, izay natao manoloana ny hamehana. Ny volana jolay 2016 no tsy nisy intsony ny “Passeport de service”. Na iraky ny fanjakana aza no aleha any ivelany dia voatery mandeha amin’ny pasipaoro tsotra, ka lasa mitovy amin’ny olon-tsotra ihany rehefa hamita iraka, izany hoe milahatra rehefa haka visa, mameno ny fepetra rehetra takiana rehefa hiampita, ary ny tena goavana dia lasa mandoa ny saran’ny visa izy ireo rehefa voairaky ny fanjakana hamita iraka any ivelany. Sarotra, araka izany, ny pitsopitsony amin’ny fanamboarana ireny pasipaoro avo lenta ireny. Manamora sy natao hisorohana na hampihenana ny fahasahiranana ny nanokafana an’ity ivontoerana eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ity. Mifanaraka tsara amin’ny fenitra iraisam-pirenena izy ity, izay manamarika ny fiezahantsika hanaraka ny lenta iraisan’izao tontolo izao.


Toky R sy Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana