Dans la mme rubrique

Minisitry ny fahasalamana “Andao hamafisina ny fepetra”

23/10/2020

Azo lazaina ho mety ny paikady notarihin’ny filohan’ny repoblika sy ny praiminisitra, hoy ny minisitry ny fahasalamana, ny Pr Hanitrala Jean Louis Rakotovao.

Minisitry ny fahasalamana “Andao hamafisina ny fepetra”

Hamaky ny tohiny...

Fanasan-tanana amin’ny savony Misoroka aretina am-polony

21/10/2020

Misoroka aretina am-polony ny fanasan-tanana amin’ny savony. Anisan’izany ny aretim-pivalalana, ny aretin’ny taovam-pisefoana, ny aretina coronavirus izay tena malaza tokoa amin’izao….

Fanasan-tanana amin’ny savony Misoroka aretina am-polony

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana Tsy re intsony ny Gélule CVO+

15/10/2020

Tamin’ny 2 oktobra lasa teo no nitokanana ny ozinina mpamokatra fanafody Pharmalagasy eny Tanjombato. Hamokatra karazana fanafody 13 isa ao anatin’ny telo taona ny fanambin’ny fitondram-panjakana, fa ny gélule CVO+ no nisantarana izany.

Fitsaboana Tsy re intsony ny Gélule CVO+

Hamaky ny tohiny...

Morafenobe Mandravarava sy mamono ny tazomoka

14/10/2020

Mirongatra izay tsy izy ny aretina tazomoka manerana ny Distrikan’i Morafenobe efa ho tao anatin’ny telo herinandro, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

Morafenobe Mandravarava sy mamono ny tazomoka

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana ara-panananahana Mila beazina ny ray aman-dreny sy ny zaza

14/10/2020

Matetika no fanolanana vehivavy na ankizivavy kely foana no voaresaka, fa nefa tena misy eto amintsika sy manomboka mahazo vahana ihany koa ny fanolanana zazalahikely tao anatin'ny taona vitsivitsy.

Fahasalamana ara-panananahana Mila beazina ny ray aman-dreny sy ny zaza

Hamaky ny tohiny...

Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka Nahazo fitaovam-pitsaboana mitentina 300.000 dolara

09/10/2020

Miezaka hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manatsara sy mampiroborobo ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza eto amintsika. Anisan’ny

Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka Nahazo fitaovam-pitsaboana mitentina 300.000 dolara

Hamaky ny tohiny...

EPP sy CEG manara-penitra Nohadihadiana arak’asa ireo te ho Tale 50 isa

09/10/2020

Notanterahana tetsy amin’ny CEG Analamahitsy ny tafatafa na ny « entretien d’embauche » na fanadihadiana arak’asa ho an’ireo talen-tsekoly sy mpampianatra isan’ambaratongany hiasa eny anivon’ny EPP sy CEG

EPP sy CEG manara-penitra Nohadihadiana arak’asa ireo te ho Tale 50 isa

Hamaky ny tohiny...


Fahasalamana

Tanjombato Nifandroritan’ny BMH sy ny fokonolona ny razana

27/10/2017

Nisehoana savoritaka indray teny Tanjombato omaly. Nisy olona maty efa nandrasana iray andro tao am-bohitra indray no nifandrotehan’ny BMH sy ny fokonolona teny an-toerana.

 Voalaza fa matin’ny pesta io olona io, ka izay no nampirohotra ny BMH haka ny razana. Raha ny fepetra tsy maintsy arahina momba ny olona matin’ny pesta eto amintsika dia tsy azon’ny fianakaviana andrasana sy hatrehina. Tsy nanaiky lembenana ny fokonolona ka niambina ny razana. Efa in-telo miantoana no nahitana tahaka izany teo anivon’ny hopitaly Befelatanana. Efa nisy olona roa maty tao amin’ity hopitaly ity herinandro maromaro, izay voalaza fa matin’ny pesta saingy nifandrotehan’ny fianakaviana sy ny BMH ihany koa ny razana. Vao ny alorobia lasa teo ihany koa, nisy vehivavy iray nambara fa matin’ny pesta tao an-toerana, saingy nentin’ny fianakaviana nitsoaka ny razana satria nambaran’izy ireo fa aretina homamiadana no nampidirana ity vehivavy ity tao amin’ny hopitaly. Efa nisy ihany koa ny sahotaka toy izao teny amin’ny fokontanin’Anosibe Mandrangobato. Zary miteraka tsy fitovian-kevitra mihitsy ity resaka pesta ity satria efa maro ny tranga maneho tsy fifankahazoana. Efa nisy teto amintsika aza moa ny resaka nandeha momba ny tsy fahamarinan’ny fitiliana amin’ny hoe olona tsy voan’ny pesta no nambara fa voa ary ny tsy voa no voalaza fa voa rehefa nalefa ny fitiliana teny amin’ny “Institut Pasteur”. Nisy ny olona nijoro vavolombelona fa raha natao ny TDR hitiliana ny pesta ny olona nifanerasera miisa 6 dia nanondro fa « positif » ny dimy ary « négatif » ny iray. Rehefa nalefa teny amin’ny Institut Pasteur nohamarinina anefa dia nivoaka fa « négatif » indray ny TDR an’ireo olona 5, izany hoe tsy voan’ny pesta izy ireo. Ilay iray nambara fa « négatif » na tsy voan’ny pesta no « positif », izany hoe tena voa. Ny toe-javatra tahaka izany no miteraka tsy fifampatokisana intsony. Vao mainka niteraka tsy fifankahazoan-kevitra ihany koa ny momba ilay hoe ho azon’ny fianakaviana atao ny mandevina ireo razana matin’ny pesta, saingy misy fepetra tsy maintsy harahina, saingy tsy nisy indray izany taty aoriana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana