Dans la mme rubrique

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

23/10/2020

Mitaky ny hanomezana azy ireo ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy ny hahazoan`izy ireo fisotron-dronono ny solombavambahoakan`i Madagasikara.

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

Hamaky ny tohiny...

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

23/10/2020

Ny fokonolona amiko no fototra iaingan’ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Marie Michel Robivelo, izay mamita “doctorat” momba izany.

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

23/10/2020

Mitentina 1,8 miliara ariary ny tetibola ilaina amin` ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin`ny 11 desambra izao. Raha ireo tetiandro voaray hatrany dia ny 29 oktobra izao no mivoaka ny lisitra farany ireo kandidà izay miisa 14 hatreto.

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

23/10/2020

Araka ny voafaritra ao anatin` ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha- 75 dia miroso amin`ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin`ny taona 2021 ny antenimiera roa tonta.

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

22/10/2020

Misy fiantraikany lehibe teo amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy iny Coronavirus iny, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

22/10/2020

Naneho ny heviny ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao teo anatrehan’ny Filazan’ny Minisitry ny vola fa nalefa any Atsimo ny vola hiasan’io Andrim-panjakana io.

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

22/10/2020

Efa zary fomba fanaon` ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza no manao takalon` aina ny raharaham-pirenena. Anisan` ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana 4x4 notakiany hatry ny ela ankoatra ny karama sy ny tambiny omena azy tsirairay, izay efa midangana be.

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanonganana ny governemanta Sonia 34 no efa voaangon’ireo depiote

27/10/2017

Misavorovoro indray ny eny anivon’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Mampiaka-peo ireo depiote, indrindra ireo mpomba ny fitondrana Rajaonarimampianina.

 

Malahelo ihany koa noho  ny fihetsika asehon’ny praiminisitra  Mahafaly Solonandrasana Olivier eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Izy natao handamina ny raharaha indray, hoy izy ireo,  no manakorontana ny zava-misy eto amintsika. Porofon’izany ny fametrahany fihetseham-po eo amin’ny fanaovana politika ka nanendreny an’ireo olona tsy nametraka sy nanohana ny filoha Rajaonarimampianina teo amin’ny fitondrana akory eo anivon’ny loholona sy ny governemanta tarihiny. Ao amin’ity farany aza dia ahitana minisitra tena tsy mandray andraikitra mihitsy eo amin’ny zava-misy iainana ankehitriny. Azo ambara, hoy ireto depiote ireto, fa tena manipy hoditr’akondro tsotra izao ny filoham-pirenena ny praiminisitra. Nanapa-kevitra noho izany ireo solombavambahoakan’i Madagasikara fa hametraka ny « motion de censure » na fitsipaham-pitokisana ny governemanta ka efa nahangona sonia 34 isa izy ireo omaly alakamisy 25 oktobra 2017 ary lohalaharana ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka. Mialoha ny tena hametrahana an’izany anefa dia mbola hangataka hihaona amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izy ireo. Raha toa ka lanin’ny 2/3 n’ny solombavambahoaka eny amin’ny antenimierampirenena ity fitsipaham-pitokisana ity dia tsy maintsy mametra-pialana ny governemanta ary miverina indray ny fanendrena praiminisitra sy minisitra araka ny voatondron’ny lalàmpanorenana sy ireo lalàna manankery eto amin’ny firenena.

Légende :Loharaharana amin’ny fanaovana motion de censure eny Tsimbazaza ny depiote Nicolas Randrianasolo


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana