Dans la mme rubrique

Governemanta sy loholona Miharihary ny ady mangatsiaka

21/08/2019

Adiny fito sy fahefany teo ny fihaonana teny amin’ny Lapan’Anosikely nisian’ny fampahafantaran’ny praiminisitra Ntsay Christian ny politika ankapoben’ny fanjakana na ny PGE tamin’ny antenimierandoholona omaly.

Governemanta sy loholona Miharihary ny ady mangatsiaka

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana - CENI Haverina amin’ny laoniny ny anaran’ireo tsy tao anaty lisitra

21/08/2019

Efa eo am-pijerena ireo anaran’ny olona tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana ny eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni.

Fifidianana - CENI Haverina amin’ny laoniny ny anaran’ireo tsy tao anaty lisitra

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran`ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Tokony ho matotra amin`izay..

21/08/2019

Nantsoina haneho ny safidiny amin’izay ho ben’ny tanàna hitondra ny kaominina ny vahoaka.

Minisiteran`ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Tokony ho matotra amin`izay..

Hamaky ny tohiny...

Imbiky Herilaza “Manan-danja ny fametrahana ben`ny tanàna eto Antananarivo”

21/08/2019

“Tsy hitsara ireo zavatra efa lasa fa tokony hipetraka sy hitodika amin`ny tsaratsara kokoa isika. Mendrika zavatra tsara ny tanànan`Antananarivo amin`ny maha renivohitra azy”, hoy i Imbiki Herilaza, mpahay lalàna,

Imbiky Herilaza “Manan-danja ny fametrahana ben`ny tanàna eto Antananarivo”

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Nolanian’ny depiote TIM ho lehiben’ny mpanohitra

21/08/2019

I Marc Ravalomanana no nofidian’ireo depiote miisa 16 lany tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara ho lehiben’ny mpanohitra, araka ny fifidianana notontosaina teny amin’ny foiben’ny TIM eny Ankadivato ny 19 aogositra teo.

Marc Ravalomanana Nolanian’ny depiote TIM ho lehiben’ny mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an`Antananarivo Miainga avy amin`ny tsirairay

21/08/2019

Amin`ny ankapobeny, ny fampandrosoana dia tsy maintsy miankina amin’ny mpitondra sy ny entina. Itsy voalohany dia miandraikitra ny fanatsarana ny lafiny toekarena sy ny sosialy. Ao anatin`izany, ny fampandrosoana entin`ny mpandraharaha.

Fampandrosoana an`Antananarivo Miainga avy amin`ny tsirairay

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

21/08/2019

Lahadinika teny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza omaly ny volavolan-dalàna mifehy ny fanoherana. Tsy mbola nisy ny zavatra tena tapaka.

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fivoriana teny amin’ny antenimierandoholona Nokorontanin’ny parlemantera HVM

25/10/2017

Araka ny fanazavan’ny loholona avy eo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara, Fernand Jeannot

, tetsy amin’ny lapa maitson’Anosy omaly dia nahazo fiantsoana fivoriana ny loholona rehetra ny alatsinainy teo fa misy zava-dehibe hotapahina teny an-toerana. Rehefa tonga teny anefa  dia lasa fivorian’ny vondrona parlemantera HVM sy ny GPP indray no tao fa nalefa nody ny antoko hafa. Midika tsy fahamatorana sy manambara fa tsy milamina ny ao amin’ny Senat ny zava-misy toy ny omaly, hoy izy. Raha nanontaniana ny heviny moa ny filoha Honoré Rakotomanana dia nilaza fa tsy nisy ny fiovana hatreto manoloana ny fanontaniana tamin’ny fifidianana ho filoha lefitry ny antemierandoholona hisolotena an’i Mahajanga. Nanazava kosa ny loholona HVM, Kolo Roger fa ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny hisian’ny filaminana hatrany no anton’ny fivoriana omaly. Misafotofoto tanteraka, araka izany, ny zava-misy eo anivon’ity antenimiera ity tao anatin’ny 2 andro monja nandraisan’ny filohan’ny antoko HVM, Rivo Rakotovao ny toerana maha loholona azy.

J. Mirija


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana