Dans la mme rubrique

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

25/06/2019

Tapitra ny alahady 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy. Andrasana kosa ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho solony taorian’ny sivana nataon’ny CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) izay naharay antontan-taratasina kandida miisa 64 nanaovana sivana ka nahazoana anarana 10, ary 3 no voatazona farany hisafidianan’ny filoha.

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

25/06/2019

Ao anaty fanomanana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan`ny fahaleovantena isika amin`izao.

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

25/06/2019

Higadona eto Antananarivo anio talata 25 jona ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame, izay vahiny manokana sy manan-kaja amin’ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanàna teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanàna teknolojika

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Printsy vavy Anglisy Anne Elisabeth Nitsidika an’Ambositra sy Soatanana

25/10/2017

Nisy ny lamesa lehibe notanterahina teny amin’ny Katedraly Saint Laurent Ambohimanoro omaly talata 24 oktobra, nenti-nanamarika ny faha-200 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Madagasikara sy ny fanjakana Anglisy.

 

 Niatrika izany ny Printsy vavy Anglisy Anne Elisabeth sy ny vadiny, Sir Tim Lauvrence sy ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady. Nitarika io fotoam-pivavahana lehibe io ny Mgr Samoela Jaona Ranarivelo. Nambarany fa ny fiombonana sy ny firahalahiana, dia tsy eo amin’ny vahoaka Britanika sy ny Malagasy ihany fa eo amin’ny vahoaka rehetra tokony hisitraka ny fandriampahalemana sy ny fanambinana. Nivoitra tamin’ny lahateniny koa ny ratran’ny tantara rehetra nolalovana tany aloha, toy ny fanandevozana, izay tokony hakana lesona. Kihon-dalana lehibe eo amin’ny tantara ny faha-200 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny tany roa tonta, hoy izy. Manana adidy lehibe hanarenana ny ratran’ny lasa ny tsirairay, mba hahafahana manorina hoavy mamiratra, araka ny sitrapon’andriamanitra, hoy hatrany ity Raiamandreny am-panahy ity.  Ankoatra izay, nitsidika ny fokontanin’i Soatanana sy Faliarivo ny Andriambavy Anne Elisabeth, niaraka tamin'ny vadin'ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina. Ireo fokontany ireo no anisan’ny hiasan’ny ONG Ny Tanintsika sy Feedback Madagascar, miaraka amin'ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana manatanteraka tetikasa fitantanana sy fiarovana ny ala tapia sy ny fanohanana ny seha-pamokarana landy any amin'ny faritra Amoron'i Mania. Vehivavy maherin'ny 40 no nahazo fampiofanana amin'ny fanenomana landy tao Soatanana. Ankoatra izay, misy ihany koa ireo vondron'ny mpianatra anglisy tonga any amin'ny faritra isan-taona tafiditra amin’ny fiaraha-miasa amin'ny Feedback Madagascar, ho an'ny hetsika ara-tsosialy any amin'ny faritra ambanivohitra.

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana