Dans la mme rubrique

Fifidianana Depiote Toamasina I Tsara toerana ny kandidan’ny TIMK25

22/05/2019

Mitohy ny fitsidiham-paritra sy fampielezan-kevitra ataon’i Marc Ravalomanana, ka toerana maro no nandehanany ny fiandohan’ny herinandro teo, toa an’i Tsiroanomandidy, Mahavelona, Mahasolo, Ankadinondry Sakay, …

Fifidianana Depiote Toamasina I Tsara toerana ny kandidan’ny TIMK25

Hamaky ny tohiny...

Tiako i Madagasikara Hitory an-dRajoelina…

22/05/2019

Miandry izay ho fihetsiky ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny Antoko Tiako I Madagasikara manoloana ny propagandy ankolaka ataon’ny filoha manohana ny kandidan’ny IRD.

Tiako i Madagasikara Hitory an-dRajoelina…

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Nandika lalàna fanindroany…

22/05/2019

Mazava ny zava-misy fa tsy mahatoky tena i Andry Rajoelina sy ny kandida depioten’ny IRD ka manomboka manararao-pahefana sy mitady ny hevitra rehetra hibatana ny fandresena.

Andry Rajoelina Nandika lalàna fanindroany…

Hamaky ny tohiny...

Filoha sy Praiminisitra Anaty ady mangatsiaka ?

22/05/2019

Ireo toerana hitany fa tena malemy na mety ho resy ny kandidany no hanaovan’i Andry Rajoelina propagandy an-kolaka, toy ny tao Tsiroanomandidy sokajiana ho tokotanin’ny TIM.

Filoha sy Praiminisitra Anaty ady mangatsiaka ?

Hamaky ny tohiny...

Fandikan-dalàna anaty fifidianana Miandry ny CENI sy HCC hihetsika

22/05/2019

Ny 17 mey teo no nanamarika ireo komity mpanara-maso ny sata mifehy ireo kandida ho depiote nampanao sonia ilay antsoina hoe “Toky nomena”

Fandikan-dalàna anaty fifidianana Miandry ny CENI sy HCC hihetsika

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana solombavambahoaka Nanome 474 tapitrisa ariary ny CENI i Japon

21/05/2019

474 tapitrisa ariary ny tetibola natokan’ny fanjakana Japoney amin’ny tetikasa iray hanampiana ara-pitaovana ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) mba ho fanampiana azy amin’ny fikarakarana ny fifidianana.

Fifidianana solombavambahoaka Nanome 474 tapitrisa ariary ny CENI i Japon

Hamaky ny tohiny...

Firafitry ny Antenimieram-pirenena Ireo endrika 4 mety hitranga

21/05/2019

Mbola baraingo ny mety ho endriky ny Antenimieram-pirenena aorian`ny fifidianana.

Firafitry ny Antenimieram-pirenena Ireo endrika 4 mety hitranga

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tsy mahavaha olana ny mpitondra Tsy afaka hiandry 2018 isika, hoy ny CRAM

25/10/2017

Raha niroso tamin’ny « Loabary nasionaly ho fanorenana ifotony sy ho fanarenana an’i Madagasikara» isika Malagasy dia azo natao tsara ny nisoroka ny pesta izay misy isan-taona, mba efa lasa biometrika ny lisi-pifidianana,…

 hoy ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar). Efa ho telo taona izao ny CRAM no niantso ny rehetra kanefa mety any amin’ny Repoblika fahadimy vao ho tanteraka. Tapa-kevitra izahay handroso vahaolana amin’ny ampahany satria efa an-jatony ny mpiray tanindrazana matin’ny pesta amin’izao ary tsy afaka hiandry ny fampielezan-kevitra amin’ny 2018, hoy ny CRAM. Tsy manana vina mazava ny mpitondra hiadiana aminy. Raha nahatratra 75 ny mpiray tanindrazana matin’ny pesta tamin’ny taona 2015,  tsy hita mazava ny fepetra noraisin’ny fanjakana tao anatin’ny roa taona. Tsy maintsy hitondrana fanatsarana  ny fitsipika mifehy ny fahadiovana (Code d’hygiène): hatsangana ny « guichet unique » isaky ny Firaisana manerana an’i Madagasikara,... Mila apetraka ny satan’ny tontolo iainana, ka hatomboka amin’ny Repoblika fahadimy, fa singanina manokana ny « hetra manokana momba ny etona maloto (carbone) ». Hisy sokajiny telo izy io dia ny hetra ho an’ny orinasa lehibe, ny hetra ho an’ny « engins », fiarabe mpitatitra entana sy olona, ny hetra ho an’ny fiara sy ny moto.  Apetraka ny fifaninanana « Fokontany maha te honina » amin’ny alalan’ny fambolena « mangrove » na ala honko, voninkazo sy hazo fihinam-boa,... Miainga amin’ny vina mazava ny fandraisan’andraikitra, ka tsy rehefa mby an-koditra hatrany ny olana goavana vao mody mikoropaka sy manao seho ivelany etsy sy eroa ny mpitondra mba hanairana an’izao tontolo izao mba «hisian’ny fanampiana ara-bola sy ara-pitaovana avy any ivelany ». Hanao lisitry ny mpifidy biometrika aza dia mbola misy sahy milaza fa mila famatsiana avy any ivelany izany. Mila manana vina mazava ny fitondram-panjakana amin’ny 2018 fa tsy sanatria mety « hitampim-bava» ny olom-pirenena mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana izay Filoham-pirenena, amin’ny andron’ny fifidianana sy mandritra ny fanisam-bato.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana