Dans la mme rubrique

Fiarovana sy fanaraha-maso ny omby Raikitra ny “Puce électronique »

17/05/2019

Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly alakamisy 16 mey 2019 tao Tsiroanomandidy Faritra Bongolava ny fametrahana ireo "puce electronique" ho an’ny omby, ka ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina no nisantatra izany tany an-toerana.

Fiarovana sy fanaraha-maso ny omby Raikitra ny “Puce électronique »

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny trondro vaventy amin’ny kolikoly « Tsy vita dimy taona »

17/05/2019

Ny sehatry ny asam-panjakana no tena hanjakan’ny kolikoly sy ny risoriso eto amintsika, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Harisolofo Rakotondrabe Andriamihanta.

Ady amin’ny trondro vaventy amin’ny kolikoly « Tsy vita dimy taona »

Hamaky ny tohiny...

Tontolo politika eto Madagasikara Miha ratsy hatrany

17/05/2019

Ahoana ny fomba hitokisan`ny olona ny mpanao politika raha miharihary ny zavatra hitany ?

Tontolo politika eto Madagasikara Miha ratsy hatrany

Hamaky ny tohiny...

Sehatra fizahantany Tsy ampy fahaiza-manao ny Malagasy

17/05/2019

Atrikasa nandritra ny 3 andro hanamafisana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany no notanterahina tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina. Nifarana omaly alakamisy 16 mey ny hetsika ary mpandray anjara 70 teo no nandalo tao, nahitana ireo avy any amin’ny faritra. Lohahevitra 2 no novelabelarina sy nifampizarana omaly.

Sehatra fizahantany Tsy ampy fahaiza-manao ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Teknolojia vaovao Tsy maintsy hirosoana

17/05/2019

Saika nitodika tamin’ny fandrosoan’ny teknolojia ny tatitra momba ny fandrosoana maneran-tany navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena. Maro ny firenena matahotra ankehitriny amin’ny fampiasana ny robot amin’ny fiantraikany amin’ny tontolon’ny asa.

Teknolojia vaovao Tsy maintsy hirosoana

Hamaky ny tohiny...

Alasora Toaka gasy 260 litatra no saron’ny mpitandro ny filaminana

17/05/2019

Toaka gasy 260 litatra no saron’ny polisin’ny CSP Alasora teny amin’ny By pass ny alarobia 15 mey, tokony ho tamin’ny 9 ora alina.

Alasora Toaka gasy 260 litatra no saron’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Mpifankatia nifamono Tovovavy voatsindron’antsy tao amin’ny “chambre”

17/05/2019

Tovovavy iray no hita nitsirara torana tsy nahatsiaro tena, nihoson-dra tao amin’ny Maeva Hotel, efitra 101 ao Mahajanga omaly hariva tokony ho tamin’ny 7 ora.

Mpifankatia nifamono Tovovavy voatsindron’antsy tao amin’ny “chambre”

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Vidim-bary eny an-tsena Amin’ny novambra vao hilamina

03/10/2017

Manodidina ny 2000 ariary amin’izao fotoana izao ny kilaon’ny vary eny an-tsena.

  Raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana dia tsy mifanaraka ny tolotra sy ny tinady eo amin’izay resaka fandraharahana ara-bary eto amintsika izay ka mahatonga ny fiakarana. Efa tsy ampy antsika intsony ilay vary hafarana amin’ny kaontenera izay tsy mahatonga afa-tsy 200 hatramin’ny 1000 taonina satria efa mitombo isa ny Malagasy. Mila eo amin’ny 100.000 taonina isan-taona eo mihitsy isika, raha ny fanazavana, ary izay no hanaovana antsoavo amin’ireo mpandraharaha hoe mila mitahiry maro satria rehefa betsaka ny miditra avy any dia mihena ny vidiny. Sambo mihitsy hoy ny minisitry ny varotra sy fanjifana, vao ampy satria manodidina ny 30.000 taonina ka hatramin’ny 120.000 taonina any no tanjona. Dia aiza ho aiza moa izany ny mikasika ny famokarana anatiny manoloana izany fanambaran’ny minisitera izany ? Marihina fa amin’ny faran’ny volana novambra izao, raha tafapetraka io paikady io, no miverina amin’ny laoniny ny vidim-bary, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana