Dans la mme rubrique

Ny lohany indray no matsatso

22/05/2019

Toa mbola tsy mahatsapa ho filohan’ny Malagasy rehetra ny Filoha ankehitriny, ka sady manao propagandy ho an’ny tenany no mampandany ankolaka ireo kandidan’ny IRD.

Ny lohany indray no matsatso

Hamaky ny tohiny...

Edito Na fofony aza !

21/05/2019

Ny ahiana dia ny fisantarana 58 taom-pietrena indray ao anatin’izao fitondrana izao raha ny fizotry ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny no jerena.

Edito Na fofony aza !

Hamaky ny tohiny...

Hanome rariny ny jiolahy…

20/05/2019

Miditra amin’ny herinandro farany amin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka isika. Samy manana ny fomba heveriny fa maharesy lahatra azy, ka hisafidianany kandida iray ny olom-pirenena.

Hanome rariny ny jiolahy…

Hamaky ny tohiny...

Hitafy henatra hatrany

17/05/2019

Mihamafana ny raharaham-pifidianana solombavambahoaka eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Hitafy henatra hatrany

Hamaky ny tohiny...

Edito Tsy azo terena !

16/05/2019

Kolikoly, tsy fandriampahalemana, gaboraraka, tsimatimanota, sy izay endrika tsy fahavanonana rehetra nanjaka teto amin’ity firenena ity hatramin’izay sy tsy mety afaka aminy hatramin’izao dia tsy misy azo terena ho afaka aminy vetivety.

Edito Tsy azo terena !

Hamaky ny tohiny...

Inona no atao ?

14/05/2019

Efa ho 130 andro izao no nijoroan’ny fitondram-panjakana vaovao. Tokana ny fanontaniana mahafehy ny raharaham-pirenena. Inona no atao? Tsy mety tafainga ny IEM.

Inona no atao ?

Hamaky ny tohiny...

Tena fanjakan’i Baroa…

10/05/2019

“Ny ohatra dia miainga avy any ambony foana”, hoy ny fomba fitenintsika izay. Mila mipetraka ho filamatry ny rehetra ny mpitondra fanjakana raha te ho to teny sy hananan’ny vahoaka fitokisana.

Tena fanjakan’i Baroa…

Hamaky ny tohiny...


Edito

Edito Misy raha tokoa…

03/10/2017

Misy raha tokoa, arak’ilay fandaharana tamina fahitalavitra fahiny izay, « la terre ».

 Mbola miverimberina sy mihalohalo ao an-dohan’ireo izay nahatsiahy ihany angamba izao ilay fanontaniana napetraky ny filohana fikambanana mpitahiry fomban-drazana iray izay hoe mbola hanana ny toerany eto ve ny Malagasy raha mitady haka toerana ankehitriny ny vahiny ? Lasa saina ny mpanara-baovao ary dia mandeha any anaty tambajotra isan-karazany any ny fanontaniana hoe ndrao ary ity aretina malaza miparitaka etsy sy eroa ankehitriny ity dia nisy ninia nanaparitaka mihitsy handripahana ny malagasy ? Aretina efa tamin’ny taonjato faha 18 no mbola tonga teto tamin’ny taonjato faha 20 ary vao maika mirongatra amin’ny taonjato faha 21 aty. Isan’ny fanontaniana efa nipetraka ihany koa hoe naninona no tany amin’ny volana aogositra no fantatra fa nisy ity aretina malaza ity teto kanefa dia efa lasalasa ny volana septambra vao nisy ny fanambarana ofisialy ? Tsy hafahafa ve izany ? Dia sanatriavina tokoa anie ka ho diso ilay eritreritra hoe atsy ho atsy dia tamingana malagasy sisa tafajanona eto ary haondrana any anaty valanjavaboarin’ireo tany manan-karena any am-pitandranomasina any mba hataon’ireo firenen-kafa vakoka mampiroboroboany ny fizahantaniny. Sanatria anie izany fa ny irariana dia mba ho tonga saina ara-potoana isika.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana