Dans la mme rubrique

Jean Eric Rakotoarisoa “Tsy azo ahemotra ny fifidianana”

25/09/2018

Tsy maintsy hajaina ny daty napetraky ny lalàmpanorenana, hoy ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) omaly,

Jean Eric Rakotoarisoa “Tsy azo ahemotra ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Volom-boasary milaza ho mpandresy sahady Mahafaly ny mpivoy adim-poko, hoy ny Fitoniana Tour

25/09/2018

Vonona hiatrika fifidianana izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Fitoniana Tour tamin’ny alalan’ny filohany, Sambahita.

Volom-boasary milaza ho mpandresy sahady Mahafaly ny mpivoy adim-poko, hoy ny Fitoniana Tour

Hamaky ny tohiny...

Diso amin’ny lisi-pifidianana Noho ny olana ara-pitaovana ?

25/09/2018

Nandritra ny atrikasa nanaovana tombana tamin`ireo ezaka efa vita mahakasika ny fikarakarana fifidianana dia nilaza ny OIF fa vita soa aman-tsara ny fanisana sy fanaraha-maso na “audit” fa ara-dalàna izany.

Diso amin’ny lisi-pifidianana Noho ny olana ara-pitaovana ?

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana OHT Manohana an`i Mahafaly Olivier

25/09/2018

Hanohana ny kandidà Solonandrasana Mahafaly Olivier, izay mitondra ny laharana 22, ny fikambanana Olon`ny Hasin`ny Tany (OHT) mandritra ny safidim-bahoaka ny 07 novambra ho avy izao.

Fikambanana OHT Manohana an`i Mahafaly Olivier

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana OHT Hanampy tosika an`I Mahafaly Olivier

25/09/2018

Hanohana ny kandidà Mahafaly Olivier, izay mitondra ny laharana 22, ny fikambanana Olon`ny Hasin`ny Tany (OHT) mandritra ny safidim-bahoaka ny 07 Novambra ho avy izao..

Fikambanana OHT Hanampy tosika an`I Mahafaly Olivier

Hamaky ny tohiny...

Tetezamitan-dRajoelina Tena namotika firenena

25/09/2018

Misy amin’izao fotoana ny totoafon-tserasera ezahana atao mba hampisongadinana indray ireo olona namotika ny firenena, noho ny fanonganam-panjakana natao teto ka nitarika ny fijoroan’ny fitondrana tetezamita (2009-2013).

Tetezamitan-dRajoelina Tena namotika firenena

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana ho filoha Manetsika ny Malagasy maneran-tany

25/09/2018

Manetsika ny mpomba azy sy ireo mpanohana azy na ny eto an-toerana na ny any ivelany ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana.

Ravalomanana ho filoha Manetsika ny Malagasy maneran-tany

Hamaky ny tohiny...


Politique

TIM tany New York Nidinika tamin’ny ONU

28/09/2017

Tsy eto an-toerana ihany no mihetsiketsika ny antoko Tiako I Madagasikara fa na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa aza.

  Nanana solontena tany New York nandritra ny fivoriamben’ny firenena mikambana Atoa Marc Ravalomanana sy ny TIM, dia Rolland Ravatomanga, minisitry ny rano teo aloha sy Jean Pierre Rakotoarivony masoivohon’i Madagasikara tany Etiopia teo aloha ary Guy Rivo Randrianariso, solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teny amin’ny boriborintany faha-5 Antananarivo. Nihaona tamin’Andriamatoa Graham Maitland, talen’ny raharaha politika ho an’ny faritr’i Afrika ao amin’ny firenena mikambana nandritra ny ora iray sy sasany ireto delegasionin’ny TIM ireto ny talata lasa teo. Omaly indray dia naharitra adim-pamataranandro iray no nihaonan’izy ireo sy nifampidinihana tamin’i Tayé-Brook Zerihoun, solontenan’ny sekretera jeneraly lefitry ny firenena mikambana momba ny raharaha politika. Diplaomasia sy politika no anton-dresaka tamin’ireo fihaonanana ireo ka anisan’ny nodinihana ny momba ny fanovana ny lalàmpanorenana eto Madagasikara sy ny zava-misy amin’ny ankapobeny eo amin’ny raharaha politika sy ny fiainam-pirenena. Teboka lehibe 4 no voaresaka nandritra ireo fihaonana. Ny voalohany dia ahiana hitarika korontana ny fanovana lalàmpanorenana ka tokony hahamailo ny fianakaviambe iaisam-pirenena fa tsy hihinana amam-bolony izay ambaran’ny mpitondra Malagasy fotsiny. Faharoa dia efa goavana loatra ny tsy filaminana sy ny fahantrana manerana ny nosy. Ny fahatelo dia momba ny kolikoly izay mahazo vahana amin’ny sehatr’asa sy ny rafitra rehetra eto Madagaskara. Ny fahefatra dia ny fijalian’ny vahoaka noho ny fanaovana bodongerina amin’ny tany ipetrahany. Azo ambara  fa mafy ary matanjaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Marc Ravalomanana sy ny ekipany ary tsy azo hamaivanina mihitsy. Fa ny tena zava-dehibe dia ny fananan’izy ireo finiavana hikaroka hatrany ny vahaolana rehetra amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy fifampiraharahana mba hanomanana ho avy mendrika kokoa ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy ka anton’izao dia tany New York izao. Miomana ny hitondra firenena indray ny Tiako i Madagasikara ka tsy miandry propagandy vao  mihetsika fa efa hatramin’ny 2009.Soa lavo hahay hamindra ary maro ny fomba fiasa sy ny paikady tsy maintsy navaozina, natsaraina mba hahafahana manatratra io tanjona io. Vonona ny mpiara-miasa eto an-toerana, vonona ihany koa ny any ivelany. Datim-pifidianana sisa andrasana .


RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana