Dans la mme rubrique

Foloalindahy Malagasy Tsy hanaiky fanakorontanana

13/12/2018

Mangina tanteraka hatreto ny foloalindahy, hafa ny tamin’ny taona 2009. Amin`ny ankapobeny, sarotraho azy ireo aloha no hirona any amina loko politika, indrindra amin`izao ankatoky ny fifidianana izao.

Foloalindahy Malagasy Tsy hanaiky fanakorontanana

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran`ny fitsarana Mpitsara 10 hiakatra CODIS anio

12/12/2018

Naaton`ny minisiteran`ny fitsarana ny fifaninanana hidirana ho mpianatra mpirakidraharaha sy mpitsara amin`ny taom-piofanana 2018-2019.

Minisiteran`ny fitsarana Mpitsara 10 hiakatra CODIS anio

Hamaky ny tohiny...

Maitre Olala “Tokony hanaiky valim-pifidianana izy roalahy.”

12/12/2018

Azo lazaina ho ain-dehibe hiatrehana ny ho avin’I Madagasikara ny adihevitra nifanatrehan’ireo kandida ho filoham-pirenena roalahy tao amin’ny TVM.

Maitre Olala “Tokony hanaiky valim-pifidianana izy roalahy.”

Hamaky ny tohiny...

Gazety Tia Tanindrazana 400 Ariary manomboka anio

12/12/2018

400 ariary manomboka anio alarobia 12 desambra no hanjifanao ny gazety Tia Tanindrazana. Fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisina manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny taratasy fampiasa amin’ny fanontana gazety eo amin’ny tsena iraisam-pirenena io.

Gazety Tia Tanindrazana 400 Ariary manomboka anio

Hamaky ny tohiny...

Famonoana polisy tany Fenoarivo Atsinanana Olona 21 no nampidirina am-ponja

12/12/2018

Raha 18 ireo olona nampidirina am-ponja vonjimaika rehefa nandalo ny fampanoavana tao Toamasina ny alatsinainy lasa teo mikasika ny raharaha nahafatesana polisy miiisa 3 tany Fenoarivo Atsinanana izay niharana ny fitsaram-bahoaka dia tafiakatra 21 izy ireo amin`izao fotoana izao .

Famonoana polisy tany Fenoarivo Atsinanana Olona 21 no nampidirina am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Gazety boky Trandraka 04 Mampibaribary ny tsy fanajana ny zon`olombelona

12/12/2018

Mandrafitra ny gazety boky Trandraka laharana fahefatra ny lahatsoratra miisa 9 nosoratan`ireo mpanao gazety18 avy amin`ny faritra manerana an`i Madagasikara.

Gazety boky Trandraka 04 Mampibaribary ny tsy fanajana ny zon`olombelona

Hamaky ny tohiny...

Gazety boky Trandraka 04 Mampibaribary ny tsy fanajana ny zon`olombelona eto Madagasikara

11/12/2018

Mandrafitra ny gazety boky Trandraka laharana fahefatra ny lahatsoratra miisa 9 nosoratan`ireo mpanao gazety18 avy amin`ny faritra manerana an`i Madagasikara.

Gazety boky Trandraka 04 Mampibaribary ny tsy fanajana ny zon`olombelona eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Trafikana Sokatra «Angonoka» Tanora tsy an’asa no mpanao azy

22/09/2017

Tandindomin-doza ary tena atahorana ny tontolon’ny sokatra «Angonoka» eto Madagasikara.

Zava-misy ahiana ankehitriny mantsy ny fahavitsian’ity karazam-biby tsy fahita afa-tsy eto amin’ny firenentsika ity mihoatra amin’ireo naondrana tsy ara-dalàna any ivelany. Vahaolana mahomby nanapahana ny rojo tambajotran’ny fanondranana antsokosoko anefa ny fisian’ny tetikasa fiarovana ny sokatra «Angonoka», hoy ny mpandrindra Hasina Randriamanampisoa. Vokatra mivaingana ohatra ny fisian’ireo olona mpivarotra sokatra voasambotra efa natolotra ny fitsarana. Fanadihadiana manokana natao niandraiketan’ny sampana Madagasikara Voakajy tao anatin’ny tetikasa moa ny fijerena ireo sokajin’olona vitsy manao ny asa ratsy amin’ny fanondranana antsokosoko io karazan-tsokatra mampiavaka ny distrikan’i Soalala io. Nivoaka tamin’izany fa ampahany kely amin’ireo tanora any an-toerana no roboka amin’ny fikarohana «Angonoka» any anaty kirihitra ala. Antony iray mampijabaka ireo zatovo mikarama amin’izy ity ihany koa ny tsy fisian’ny asa ho azy ireo noho ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra. Nirongatra be moa ny fihazana sokatra tao Soalala tamin’ny taona 2016 satria nahatratra hatrany amin’ny 600.000 ariary ny vidin’ny «Angonoka» iray efa manatody.

Ramano F.


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana