Dans la mme rubrique

Asa soa sy fampielezan-kevitra Miditra an-tsehatra i Josoa Ravalomanana

12/12/2018

Sady manao fampielezan-kevitra no misolo tena ny rainy amina asa soa i Josoa Ravalomanana zanaka lahimatoan’ny kandida Marc Ravalomanana no manohy ny fampielezan-kevitra hampandaniana ny laharana 25.

Asa soa sy fampielezan-kevitra Miditra an-tsehatra i Josoa Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Mpanohana an-dRajoelina Io fa manomboka mihetraketraka

12/12/2018

Raikitra ny lohamboto sy bodongeron’ny MAPAR sy ny TGV, izay toa manamafy ny nambaran-dRajoelina hoe: “Isika efa zatra ady,

Mpanohana an-dRajoelina Io fa manomboka mihetraketraka

Hamaky ny tohiny...

Fandresen’i Dada Fotoana sisa andrasana…

12/12/2018

Ny faritanin’i Fianarantsoa no nanaovan’ny kandida faha-25 Marc Ravalomanana fampielezan-kevitra omaly dia tany Camp Robin, Mahazoarivo, Fandriana, Ambositra, Fianarantsoa Renivohitra,…

Fandresen’i Dada Fotoana sisa andrasana…

Hamaky ny tohiny...

Depiote Jaovato sy ny vahoakan’Antalaha Hampandany an’i Dada amin’ny heriny rehetra

12/12/2018

Mitohy hatrany ny fanambarana ataon’ny fikambanana, olon-tsotra, mpanao politika,… ny fanohanany ny kandida Marc Ravalomanana laharana faha-25.

Depiote Jaovato sy ny vahoakan’Antalaha Hampandany an’i Dada amin’ny heriny rehetra

Hamaky ny tohiny...

Fisorohana ny vato maty Nanome toromarika ny CENI

12/12/2018

Taorian`ny fahatongavan`ireo biletà tokana avy atsy Afrika Atsimo ny 07 desambra lasa teo dia efa tonga any amin`ireo distrika manerana ny nosy ireo fitaovanam rehetra ampiasaina amin`ny fifidianana ankoatr`ireo distrikan`i Morafenobe sy Maintirano izay tsy maintsy mandeha fiaramanidina.

Fisorohana ny vato maty Nanome toromarika ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena « Mbola misy voataizan’ny kolontsaim-panjanahana eto. »

12/12/2018

Ny CFM na ny komitin’ny fampihavanana malagasy moa izany izao no nampisahanin’ny fitondrana malagasyny fanaovana izay hampihavanana ny mpiray tanindrazana rehetra. Mahakasika izay dia isan’ny fanontaniana apetraky ny maro ny hoe fampihavanana tahaka ny ahoana moa ilay atao amin’ity fiarahamonina malagasy feno

Fampihavanam-pirenena « Mbola misy voataizan’ny kolontsaim-panjanahana eto. »

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra Tsena petite vitesse Misy misandoka ny safidin’izy ireo

12/12/2018

Tsy nahafaly ireo mpivarotra maro etsy amin’ny Petite Vitesse ny fanambarana nataon’ny delege iray amina sektera iray ao amin’ity tsena ity afak’omaly nilaza fa manohana ny kandida laharana faha-13 izy rehetra.

Mpivarotra Tsena petite vitesse Misy misandoka ny safidin’izy ireo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fivorian’ny SADC tany Afrika Atsimo Nampanantena fifidianana mangarahara ny praiminisitra

21/08/2017

Tontosa tany Pretoria Afrika Atsimo, tao amin’ny tao amin’ny trano lehibe fanaovana fivoriana goavana O.R Tambo

 

ny 19-20 aogositra lsa teo ny fivoriana faha-37 ho an’ireo firenena mpikamban’ny SADC. Filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta ary delegasinona maro avy amin’ny firenena mikambana ao anatin’ny vondrona ara-toekarena ity no niatrika izany. Nisongadina tamin’izany ny fifamindram-pahefana sy fanolorana ny faneva ho an’ny Filoha vaovao hitantana ny SADC, Jakob Gedleyihlekisa Zuma, Filoha Afrikanina atsimo sy ny Mpanjakan’I Swaziland Msawati III, izay nitantana ny SADC teo aloha. Nambaran’i Jacob Zuma tamin’izany fa fotoan-dehibe nahafahana nandinika ny fivoarana sy hametrahana ny fanamby sy ny programa hatao iny fivorian-dehiben’ny SADC andiany faha-37 iny. Nisy kosa ny fanehoan-kevitra nataon’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier momba ny raharaham-pirenena Malagasy, ka nilazany ny tatitra momba ny asa nataon’ireo iraky ny SADC notarihin’i Joachim Chissano teto Madagasikara tamin’ny taon-dasa momba ny filaminana ara-politika. Nambarany fa ao miaina ao anatin’ny fitoniana politika ny firenena, ary isan’ny nitondra ezaka tamin’izany ny vondrona SADC. Noresahiny ihany koa ny resaka fisokafan’ny famatsiam-bola avy any ivelany toy ny fahazoana ny FEC, ny momba ilay 10 miliara dolara nampanantenain’ny mpamatsy vola tany Parisy. Tsy adinony ny momba ny fifidianana ho avy, izay nilazany sy nanamafisany fa efa nanipika amin’ny hisian’ny fifidianana mangaraharaha, demokratika, ary eken’ny rehetra. Isan’ny zava-dehibe indrindra ny fitodihana amin’ny fanatsarana ny lalàna momba ny fifidianana, ary isan’ny zava-dehibe ihany koa ny fanakaikezan’ny CENI ny antoko politika rehetra mba hahafahan’izy ireo mitondra soso-kevitra fanatsarana, indrindra fa eo amin’ny resaka lalàna sy pitsopitsony hafa. Niantso ny SADC mba hanohana hatrany amin’ny fametrahana nyfitoniana eto Madagasikara ihany koa ny praiminisitra mba hahafana miroso amin’ny ady amin’ny fahantrana.Nekena ho mpikambana vaovao eo anivon’ny SADC nandritra izao fihaonana tany Pretoria izao moa ny Nosy Kaomoro ary any Namibia indray ny fihaonana an-tampony faha 38 no hotanterahana amin’ny taona 2018.

Légende:Ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice, ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly ary ny minisitry ny Indostria Chabani Nourdine nivory tanyPretoria.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana