Dans la mme rubrique

Foloalindahy Malagasy Tsy hanaiky fanakorontanana

13/12/2018

Mangina tanteraka hatreto ny foloalindahy, hafa ny tamin’ny taona 2009. Amin`ny ankapobeny, sarotraho azy ireo aloha no hirona any amina loko politika, indrindra amin`izao ankatoky ny fifidianana izao.

Foloalindahy Malagasy Tsy hanaiky fanakorontanana

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran`ny fitsarana Mpitsara 10 hiakatra CODIS anio

12/12/2018

Naaton`ny minisiteran`ny fitsarana ny fifaninanana hidirana ho mpianatra mpirakidraharaha sy mpitsara amin`ny taom-piofanana 2018-2019.

Minisiteran`ny fitsarana Mpitsara 10 hiakatra CODIS anio

Hamaky ny tohiny...

Maitre Olala “Tokony hanaiky valim-pifidianana izy roalahy.”

12/12/2018

Azo lazaina ho ain-dehibe hiatrehana ny ho avin’I Madagasikara ny adihevitra nifanatrehan’ireo kandida ho filoham-pirenena roalahy tao amin’ny TVM.

Maitre Olala “Tokony hanaiky valim-pifidianana izy roalahy.”

Hamaky ny tohiny...

Gazety Tia Tanindrazana 400 Ariary manomboka anio

12/12/2018

400 ariary manomboka anio alarobia 12 desambra no hanjifanao ny gazety Tia Tanindrazana. Fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisina manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny taratasy fampiasa amin’ny fanontana gazety eo amin’ny tsena iraisam-pirenena io.

Gazety Tia Tanindrazana 400 Ariary manomboka anio

Hamaky ny tohiny...

Famonoana polisy tany Fenoarivo Atsinanana Olona 21 no nampidirina am-ponja

12/12/2018

Raha 18 ireo olona nampidirina am-ponja vonjimaika rehefa nandalo ny fampanoavana tao Toamasina ny alatsinainy lasa teo mikasika ny raharaha nahafatesana polisy miiisa 3 tany Fenoarivo Atsinanana izay niharana ny fitsaram-bahoaka dia tafiakatra 21 izy ireo amin`izao fotoana izao .

Famonoana polisy tany Fenoarivo Atsinanana Olona 21 no nampidirina am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Gazety boky Trandraka 04 Mampibaribary ny tsy fanajana ny zon`olombelona

12/12/2018

Mandrafitra ny gazety boky Trandraka laharana fahefatra ny lahatsoratra miisa 9 nosoratan`ireo mpanao gazety18 avy amin`ny faritra manerana an`i Madagasikara.

Gazety boky Trandraka 04 Mampibaribary ny tsy fanajana ny zon`olombelona

Hamaky ny tohiny...

Gazety boky Trandraka 04 Mampibaribary ny tsy fanajana ny zon`olombelona eto Madagasikara

11/12/2018

Mandrafitra ny gazety boky Trandraka laharana fahefatra ny lahatsoratra miisa 9 nosoratan`ireo mpanao gazety18 avy amin`ny faritra manerana an`i Madagasikara.

Gazety boky Trandraka 04 Mampibaribary ny tsy fanajana ny zon`olombelona eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Afera Mamy Ravatomanga Hanakonana ny raharaha Claudine R

10/08/2017

Tamin’ny alatsinainy hariva teo no tonga nisava ny trano fonenan’i Mamy Ravatomanga teny Ambohibao Amboaroy sy ny foiben’ny orinasa SODIAT etsy amin’ny Pradon Antanimena ny solontenan’ny Fampanoavana eto Antananarivo,

Paris ary ny SAMIFIN (Sampan-draharaha misahana ny fandikan-dalàna ara-bola sy famotsiam-bola), raha ny vaovoa mivoaka. Anton’izany ny fisian’ny fanadihadiana momba ny fandikan-dalàna ara-bola sy ny famotsiam-bola nahasaringotra an’i Mamy Ravatomanga izay nividy trano lehibe maro tany Frantsa ary mampanofa izany nanomboka ny taona 2011. Tsy ny fananany ireo trano no olana fa ny fomba nahazoany sy nividianany izany, izay tsy nazava ary noheverin’ny fitondrana frantsay fa « harena azo tamin’ny tsy marina » . Efa tamin’ny taona 2015 no niatomboka ny fanadihadiana momba ity raharaha ity tany Frantsa, ary nisy  ny fakana am-bavany ireo vavolombelona sy ny fananganana ireo porofo rehetra. Araka ny vaovao mivoaka, dia efa tratran’ny fitsarana Frantsay toa azy koa i Teodoro Nguema Obiang Mangue, ilay mpanefoefo sady filoha lefitra avy any Guinée équatoriale ary ireo teratany frantsay sy olo-malaza iraisam-pirenena hafa maro izay manao hosoka amin’ny fandoavany hetra. Raha ny vaovao farany azo omaly hariva kosa, dia fangatahana fanampim-baovao no natao tamin’i Mamy Ravatomanga fa tsy fisavana. Volaza ihany koa fa trano novidiany teo anatrehan’ ny « notaire » tany Frantsa ary nisy resaka findramam-bola tamin’ny banky na « prêt bancaire » no nisy. Misy hidirany amin’ny politika ny resaka, ka raha ny loharanom-baovao iray dia natao mba hanakonana ny raharaha Claudine Razaimamonjy, ity raharaha satria raha ny resaka mivoaka dia miditra amin’ny dingana faharoa ny fanadihadiana lalina ataon’ny Bianco momba ny raharaha mahakasika io mpanolontsain’ny filoha io.


Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana