Dans la mme rubrique

67 Ha Avaratra Nirehitra tampoka ilay fiara

28/10/2020

Fiara iray BMW X5 no nirehitra tampoka omaly atoandro teny amin’ny 67 ha avaratra raha iny avy nodiovina nosasana tsara iny.

67 Ha Avaratra Nirehitra tampoka ilay fiara

Hamaky ny tohiny...

Herinaratry ny Jirama Manimba zavatra maro

28/10/2020

Mba tsy hilazana hoe manimba fiainam-bahoaka mihitsy dia aleo tsorina amin’ny hoe manimba zavatra maro ity tsy fahatomombanan’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy ity.

Herinaratry ny Jirama Manimba zavatra maro

Hamaky ny tohiny...

Fitoroana heloka an’habaka Azo atao no manantona zandarimaria avy hatrany

28/10/2020

Tonga nizara ny fahaiza-manaony sy ny zavatra hitany sy ireo efa nampiharina hatrizay ny iraky ny Foibem-pibaikoana ny Zandarimaria sampana Ady amin'ny fandikan-dalàna an’habaka (Service des luttes contre la cybercriminalité)

Fitoroana heloka an’habaka Azo atao no manantona zandarimaria avy hatrany

Hamaky ny tohiny...

Mponina eny Ivato Mifoha amin’ny 12 ora alina haka rano

28/10/2020

Tena mijaly rano fisotro madio ny mponina eny Ivato na dia izy aza no vavahadin’Antananarivo mifandray amin’ireo tanana manodidina. Mifoha amin’ny 12 ora alina isan’andro mantsy ny mponina mandeha milaha-drano eny amin’ny paompy.

Mponina eny Ivato Mifoha amin’ny 12 ora alina haka rano

Hamaky ny tohiny...

Manarintsoa Atsinanana Trano 200 may kila, 700 no traboina

26/10/2020

Nitrangana haintrano goavana teo amin'ny Fokontany Manarintsoa Atsinanana, ao anatin'ny Boriboritany voalohany ny sabotsy 24 oktobra 2020. Atoandro be nanahary no nanomboka ny afo, niainga tamina trano hazo iray noho ny fandrehetana fatana saribao tany ambony rihana raha ny fitantaran’ny mponina teny an-toerana.

Manarintsoa Atsinanana Trano 200 may kila, 700 no traboina

Hamaky ny tohiny...

Fanodikodinam-bolan’ny ORTM Nohadihadiana koa ireo talen` ny TVM sy RNM teo aloha

26/10/2020

Raha notazomina am-ponja vonjimaika ao Antanimora nanomboka ny zoma lasa teo ny tale jeneralin` ny ORTM teo aloha, Johary Ravoajanahary, noho ny fanodinkodinam-bola tao anatin’ireny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018, izay anejehana azy,

Fanodikodinam-bolan’ny ORTM Nohadihadiana koa ireo talen` ny TVM sy RNM teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny dia an-tongotra lavareny Hianatra amin’izay ireo zanak’i Zoto

26/10/2020

Tapitra ny dia an-tongotra lavareny Hianatra amin’izay ireo zanak’i Zoto

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Raharaha Claudine Razaimamonjy Tsy nisy tohiny intsony

15/07/2017

Samy mametra-panontaniana ny olom-pirenena sy ny mpanara-baovao amin’izao fotoana izao hoe mba manao ahoana ny rahahara Claudine Razaimamonjy ? Tsy misy resaka sy tsy misy tohiny intsony, ary tsy misy mangarahara hantenaina fa efa naman’ny mivalona tanteraka.

Ny 12 jona no naiditra teny Antanimora izy, taorian’ny nijanonany teo amin’ny hopitaly HJRA nandritra ny fotoana naharitra, taorian’ny nadroahan’ny fanjakana Maorisianina azy na dia tafaporitsaka tany ivelany noho ny tsikombakomba maloto aza. Voalaza fa efa maromaro ireo minisitra sy tompon’andraikitra nalain’ny Bianco am-bavany noho iny fivoahana tsy ara-dalàna iny. Nalefa tany amin’ny fonjan’i Manjakandriana indray ny 15 jona, ka vao mainka nampanano sarotra ny famantarana ny marina hoe tena migadra sa efa naman’ny votsotra ? Mbola eto Madagasikara sa efa any ivelany ? Tombanana ho efa tsy any am-ponja intsony ity mpandraharaha ity amin’izao fotoana. Nandritra ny fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena rahateo no re, araka ny loharanom-baovao iray, fa tsy tao amin’ny fonja nitazonana azy tao Manjakandriana izy. Tsy misy marina hantenaina hipoitra na dia miandry aza ny rehetra hoe rahoviana no hotsaraina ? Manao ahoana ny tohin’ireo dosie hafa ? Ny mpanao gazety aza arirarira tanteraka, kanefa ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent Rahajason mihitsy no nilaza fa tsy raharaham-panjakana io fa raharaha tsotra. Ka inona no antony hanomezana tombondahiny foana ity ramatoa ity sy ny tsy famoahana ny marina ho fanta-bahoaka toy ny raharaha rehetra ? Mbola maro amin’ireo tandapa no miaro fatratra azy, saingy mety ho kihon-dalana lehibe ny fisian’ny fanovana governemanta.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana